Mahasoa & Mahasalama

Mahasoa & Mahasalama

Share

👉 varotra sy fizarana mahasoa👈
Misaotra anao nitsidika❤️

Photos from Mahasoa & Mahasalama's post 24/07/2025

FANAMBOARANA CUISSE DAME

🔪🍴Recette 1
Zavatra ilaina :
👉 1kg lafarinina
👉 Atody 6
👉 Siramamy 400g
👉 levure chimique 1 sachet
👉 Dibera 60g
👉 Sira kely

Fanaovana azy :
- Kapohina tsara ny atody, dia alefa tsikelikely ny siramamy ary avela hiakatra tsara (doublé)
- Atsonika ny dibera dia alefa amin'ilay atody efa nokapohina teo
- Atambatra maina ny lafarinina sy levure ary sira dia tamisena ambonin'ilay atody, afangaro tsara avy eo
- Bolabolay ahazo forme ovale
- Rehefa mafana ny menaka dia endaso amin'ny afo malefaka amin'izay.
Vita tompoko

🔪🍴Recette 2 : (cuisse dame au citron 🍋)

Zavatra ilaina :
- Farine 500g
- Menaka 1 pot
- Atody 2
- Sucre 200g na 8 sotro lehibe
- Levure chimique 1 sotro kely.
- Citron 1

Fanaovana azy :
1- Atambatra anaty vilia jobo ny atody, menaka ary siramamy, kapohana amin'ny fouet
2- arotsaka miaraka amin'ny préparation 1 ny farine sy levure chimique ary zeste de citron ( hodiny rapena) afangaro tsara .
3- Saromana torchon madio ary atao pause une heure de temps.
4- Volavolaina ary andrahoina anaty wock na saba asiana menaka mahadifotr'azy ary afo malefaka.
Vita tompoko

🍴🔪Recette 3 :

Zavatra ilaina :

✔️ Lafarinina 250g
✔️ Siramamy 4 sotro fihinanana
✔️Menaka 3 sotro fihinanana
✔️Levures chimique 1 sotro kely
✔️ Sucre vanille 1 sotro kely
✔️Poudre cannelle 1 sotro kely
✔️ Ronono na rano 2 sotro
✔️ Atody 2

Fikarakarana:

➡️Kapohina miaraka : Atody + siramamy + huile + sucre vanille

➡️Afangaro amin'ny la farine ny levures + cannelle ary arotsaka ny (1)

➡️Arotsaka ny ronono na rano ary volavolaina ...

➡️Endasina amin'ny menaka ts atao mafana be fa lasa manta ilay ao anaty raha mafana lotra ny menaka
Vita tompoko
manasa anao hanaraka ny pejy hatrany,Ary zarao MBA ho hitany hafa iany koa ❤️

Recette sy sary nindramina

16/07/2025

Ensemble en maille
❤️ 3 couleur
❤️ Taille s,m,l,xl,xxl
Alefaso Ary n commande
Livraison dans 10jr
👉 Accompte 50%
Prix :125000ar

16/07/2025

🌺🌺FANAMBOARANA PATÉ 🌺🌺
Zavatra ilaina :
- Ati-kena 1kg
- Nofon-kena 1/4 kg atramn’ny 1 kg latsaka fahefany (izany hoe 25% hatramin’ny 75% an’ny atiny)
- Epices izay tinao, ohatra poivre voatoto sy poivre vert, tongolo gasy, 4 epices sns
- Menaka (tsy misy fatrany ny menaka amin’ny charcuterie fa otran’ny ianao manao laoka ihany, dia izay menaka hitanao fa mahamandina azy tsara.)
-margarine jadida (afaka tsy asiana)
-sira
-siramamy (antsasaky ny fatran'ny sira ny ahy)
-tapotsin'atody 4 na 5 eo
-fecule de manioc (100 à 200g), afaka soloina lafarinina
-plasmal (10 à 20g) (afaka tsy asiana raha tsy manana, eny amin'ny pavillon eny misy azy na eny amin'ny AGRIVET sy ny mpivarotra mitovitovy aminy)
Fomba fanaovana azy :
- Mixena manta ny ati-kena sy ny tongolo gasy miaraka amin'ny beurre
- Manao bouillon (rony) : karoty 2- oignon 2 ary bouquet garnie (poireau, selery, thym ary ravintsara nofatorana)
- Arotsaka anaty bouillon ny nofon-kena ary avela hangotraka.
- Raha nofon’akoho no ampiasainao dia haingana kokoa ny fotoana andrahoana azy noho ny nofon’omby.
- Rehefa nangotraka tsara tao dia Alana anaty vilany ary avela hangatsika
- Totoina amin’ny fitoto-kena ilay nofonkena masaka izany ary rehefa voatoto dia
mixena miaraka amin’ny ati-kena efa nomixena teo.
- Arotsaka ny sira sy siramamy
- Alefa ny epices
- Alefa ny tapotsin'atody, fecule de manioc ary ny plasmal
- Hosorana menaka ny moule, ireny moule cake ireny dia efa mety
- Atao bain marie anaty vilany na bain marie amin’ny four mandritra ny 45 a 60 min eo.
- Rehefa masaka dia avela amin’ny toerana mangatsiaka vao alana anaty moule.
NB: Ny fitotokena dia mahasolo mixeur saingy averina indroa izy raha fitotokena no ampiasaina, dia tsy alefa ao akory ny dobera fa rehefa voatoto izy dia afangaro amin'ny dobera fotsiny.

👉Aza adino miabonné page inviteo ny namana ❤️
nindramina

14/07/2025

Iza daoly Ilay te hambotra m**o akondro ?
Ity Ary n recette,afaka atao goûter n'a koa vadin'asa iany koa

✅Ireo zavatra ilaina
-Akondro masaka tsara 1kg
-Lafarinina 250g
_koba vary 125g
-Levure chimique
-Siramamy 125g(arakizay itiavanw azy )
-Afaka asina parfum izay mety aminao.
-ronono na Rano mangatsiaka arotsaka tsikelikely, tsy atao be rano ny paty fa atao marihatra nefa tsy miraikitra kosa.
✅Fomba fikarakarana azy
-Afangaro anaty lovia baolina : lafarinina+levure+menaka+siramamy
-Voasina ary tetehina araka izay tianao ny akondro
-Arotsaka anaty fangaro tsirairay ny akondro dia endasina amin'ny menaka mafana tsara.

Mazotoa homana ary o
Aza adino miabonné page hanarahanao fampianarana isankarazany ❤️

07/07/2025

Pulls marinière
❤️ Tissu en maille
❤️Noir,rouge, Bleu marine, blanc,beige
❤️S,m,l,xl,xxl
Manao livraison
Mp Ary o

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address

Antananarivo