Hafa mihintsy

Hafa mihintsy

Share

Dรฉveloppement personnel , conseils, astuces

15/05/2026

Any Allemagne , firenena efa mandroso izy ity.
Raha eto amintsika angamba d misy mibata hatr@ frigo๐Ÿ˜”
Fomba iray hanampianao ny hafa sy hisorohana ny " Gaspillage alimentaire" anefa no tanjona .
๐Ÿ‘‰Tsara ho alaina tahaka ๐Ÿฅฐ

15/05/2026

๐Ÿš–๐Ÿ‡จ๐Ÿ‡ณ๐ŸˆดAo anatin'ny fanandramana ny taxi manidina tsy misy mpanamory ( autonome) afaka mitondra mpandeha maro eny @ habakabaka i Chine ankehitriny. Ireo fiara antsoina oe eVTOL , miasa toy ny drone goavam-be nefa tsy misy mpanamory ao anatiny.
Ny tanjona ?
Mba hampihena ny fitohanana ( embouteillages) sy ireo fotoana very eny an-dalana.
I Chine moa dia iray amin'ireo firenena Mandrosoa indrindra maneran- tany ,ary mikasa ny hivarotra ireo taxi manidina ireto izy afaka taona vitsivitsy.

Mety ho azo am- piasana aty Madagasikara vรฉ ireto ๐Ÿค”๐Ÿค”
Perso : Na ilay tรฉlรฉphรฉrique aza mbola tsy nandehananaโ˜บ๏ธ๐Ÿ˜Œ

Nadika teo@ rindrina lieuxinsolites

11/05/2026

Chacun dรฉfinit son bonheur ๐Ÿฅฐ

11/05/2026

Efa akaiky ny fanadinana
๐Ÿ‘‰Toro-hevitra tsara hiatrehana izany
" Ny mahasoa aloha ,izay vao ny mahafinaritra"
" l' utile avant l'agrรฉable"

Photos from Hafa mihintsy's post 11/05/2026

Manampy anareo mpanala fanadinana Baccalaurรฉat ireto fa jereo ,sady mbola misy tsy mahavita fiches ihany Zao any ๐Ÿ˜‰
Histoire et Gรฉographie - Bacc 2026

09/05/2026

Aza variana @ ireny mpanenjika ireny fa tohizo foana ny zavatra tsara izay hitanao fa mety.
Raha toa kosa misy manitsy na manakihana @ fomba fijery miabo dia raiso fa mahatsara zavatra izany ๐Ÿ˜‰

08/05/2026

Shakira no mbola voafidy hanao ny " Hymne officiel du Coupe du monde 2026 @ hirany " Dai Dai" , qui signifie "allรฉz allรฉz" en franรงais ๐Ÿ˜
Tsiahivina fa efa nandray anjara ihany koa izy t@ 2010 t@ hirany " Waka Waka"๐Ÿฅฐ

05/05/2026

Ato indray ny maso hoan'ireo izay liana @ resaka Bourses d'รฉtudes
Il faut avoir une note >16 @ Licence.

๐Ÿ“Œ ๐Ž๐…๐…๐‘๐„ ๐ƒ๐„ ๐๐Ž๐”๐‘๐’๐„๐’ ๐ƒ๐€๐๐’ ๐‹๐„ ๐‚๐€๐ƒ๐‘๐„ ๐ƒ๐” ยซ ๐๐„๐‚๐€ ๐‚๐Ž๐‹๐Ž๐Œ๐๐ˆ๐€ ๐’๐‚๐‡๐Ž๐‹๐€๐‘๐’๐‡๐ˆ๐ ๐๐‘๐Ž๐†๐‘๐€๐Œ ๐…๐Ž๐‘ ๐…๐Ž๐‘๐„๐ˆ๐†๐๐„๐‘๐’ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”-๐Ÿ ยป ๐ƒ๐” ๐†๐Ž๐”๐•๐„๐‘๐๐„๐Œ๐„๐๐“ ๐ƒ๐„ ๐‹๐€ ๐‘๐„๐๐”๐๐‹๐ˆ๐๐”๐„ ๐ƒ๐„ ๐‚๐Ž๐‹๐Ž๐Œ๐๐ˆ๐„ ๐๐Ž๐”๐‘ ๐‹'๐€๐๐๐„๐„ ๐”๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐’๐ˆ๐“๐€๐ˆ๐‘๐„ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”- ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ•

www.mesupres.gov.mg

04/05/2026

Tsy misy tsara nohon'ny fifampiresahana
Tsy voatery tonga d mitsara na mibedy avy hatrany fa tokony hahay hifampihaino
Ny lehibe tsy voatery ho marina foana
Ny zanaka mila manaiky diso rehefa manao ny tsy mety

๐Ÿ‘‰Mila mandinika tsara ny teny izay ho aloaka ny vava

AZA TREROMINA NY ZAZA REHEFA DISOโ€ฆ FA TARIHO.

Tadidio tsara:
Ny teny avoaka aminโ€™ny zaza anioโ€ฆ mety ho feo heno ao an-tsainy mandritra ny fiainany.
โ€œadaladala ianao ityโ€ฆโ€
โ€œTsy misy ilana anao mihintsyโ€ฆโ€
โ€œTsy hahavita na inona na inona ianaoโ€ฆโ€

Teny lazaina amin-katezeranaโ€ฆ
Fa ratra mety tsy ho sitrana mora foana.

Maro ny ray aman-dreny no mananatra aminโ€™ny fahatezerana.
โœ“Mikiakiaka.
โœ“Mandatsa.
โœ“Mampitaha aminโ€™ny hafa.
โœ“Mampitondra henatra.

Eny, mety hijanona vetivety ilay hadisoanaโ€ฆ
Fa ao anatiny?

~Misy zavatra vaky.
~Mihena ny fahatokisan-tenany.
~Matahotra miteny izy.
~Matahotra diso izy.

Ary indraindrayโ€ฆ mino mihitsy fa tsy ampy izy.
Ny zaza tsy mila horavana rehefa diso. Mila tarihina.
Satria ny zaza mbola mianatra.
Mbola mitady lร lana.
Mbola manangana ny maha izy azy.
Rehefa diso izyโ€ฆ
Aza potehina ny sainy.
Ahitsio ny fihetsinyโ€ฆ fa arovana ny fony.

Ny fitaizana aminโ€™ny fitiavana tsy midika hoe malemy.
Midika hoe mahay manitsyโ€ฆ nefa tsy mandratra.
Mahay mampianatraโ€ฆ nefa tsy manambany.
Teny tsotra. Feo tony. Fitiavana mafy.
Izay no manangana zaza matanjaka.
Zaza matoky tena.
Zaza mahay miaiky disoโ€ฆ fa tsy matahotra ny tenany.

Torohevitra ho anโ€™ny ray aman-dreny sy ho anโ€™ny ho ray aman-dreny:
Rehefa tezitra ianaoโ€ฆ alohanโ€™ny hiteny, manontania tena hoe:
โ€œHanitsy sa handratra ve izao teny havoakako izao?โ€

Satria indraindrayโ€ฆ
Ny fomba itenenanao azy no ho lasa fomba hiresahany aminโ€™ny tenany rahatrizay.
Zaza tsara taizaโ€ฆ mahalala ny lanjany.
Zaza tarihina tsaraโ€ฆ mahita ny lร lany.
Zaza tiana tsaraโ€ฆ afaka manova izao tontolo izao.

Nanao ahoana ny fomba nitaizana anao?
Ary ianao kosaโ€ฆ ahoana no itaizanao ny zanakao aminโ€™izao?

Raha nahasoa anao ity hafatra ity, abonnez-vous ร  la page Vision Millionnaire

25/04/2026

Fihetsika tsotra
midika fiombonana sy fitiavana ny tanindrazana
Satria Malagasy isika ๐Ÿฅฐ

Fihetsika tsotra, maneho fanajana sy fitiavan-tanindrazana
Prรฉsidence de la Refondation de la Rรฉpublique de Madagascar - PRRM

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antananarivo