Ninie

Ninie

Share

Maman tia kotrana, maman mihetsiketsika, maman chrétienne. ���

Photos from Ninie's post 22/06/2025

Tena tsy moramora tokoa 'lay manao zavatra 😔🤍
Anisany nanampy be ahy t@ nanenako vatana ny karazana toy ito izay niainga t@ toro-hevitra isankarazany ito. Rehefa tapa-kevitra ny hanaparitaka azy aho dia sahirana teo @ resaka fatra aloha satria miova lay tsiro sy vokany vao tsy mifanaraka @ 'lay tena izy.
Rehefa nahita vaha olana anefa dia ao @ resaka taratasy hanaparitahako azy ara-dalàna indray no mihitsoka 🥴
Fa tsy maninona fa aleo mandroso tsimoramora fa araky ny tokony ho izy toy 'zay misosososo dia sanatria hidona @ hanenenana...manaraka ny sitrapon'ny Tompo ihany koa 😇
Ka ho antsika izay efa nandefa MP nanontanintany, aza matahotra fa tsy maintsy hataotsika izy ity ary tsy maintsy halefako ato rehefa alohan'ny hanaparitahana azy...fa mila mahandry ny fandaharan'ny Jesosy fotsiny 🙏
Izany koa anefa tsy midika fa hiandry azy io ny fizarako fa hiezaka foana ihany aho hizara zay tratrako hanampiana antsika mazoto 🤗
Tahin'i Jesoa hatrany daholo 😘

Photos from Ninie's post 05/06/2025

'Ndao indray ary 🔥🔥🔥
Hiverina @ lundi au vendredi manezakezaka dia faranana @ samedi dimanche maka aina 😁

27/05/2025

Karakaraina ny vatana fa, eny, tempolin'Andriamanitra...Fa indrindra ny fanahy izay mifikitra @ Jesoa satria izy no loharanon'ny zava-drehetra.❤️‍🔥
Tsarovy fa ny nofo rehetra dia hijanona ety an-tany fa ny fanahy ihany no hanohy ny dia aorian'izao fiainana mandalo izao...🌬️
Mila tanjaka ara-batana hahatratrarana tanjona ? Tadiavo ny heriny 😉
Mila tanjaka ara-tsaina hananana fahahazotoana ? Tadiavo ny fahasoavany.
Raha Izy no ataonao ivo voalohany @ fiainanao dia hataon'ny mandroso tokoa ianao an'ivon'izao tontolo izao hijoroanao vavolombelona ny anaran'i Jesoa Kristy @ Anarany Masina ❤️‍🔥❤️‍🔥❤️‍🔥
Mahereza sy mahatanjaha fa homba anao Jesosy... Mahereza sy mahatanjaha fa 🌹

25/05/2025

Na bota isika na mahia dia tian'i foana hatrany 🤍
Hainy ny mety sy mahasoa ho antsika dia ny zava-drehetra ataony miara-miasa ho antsika 🥰
Bonne fête dia mirary soa sy fahombiazana foana hatrany avy @ anaran'i Jesoa Kristy 🌹

23/05/2025

Niarahatsika nanao i Soalady Ninie dia ndao indray iarahantsika tohizana ary...
Raha ny nahazatra antsika teo aloha dia aleo mba ilay ihany no tazomitsika fa ho tohizatsika "ilay ara-pahasalamana sahaza ny rehetra".
Izany hoe ireo rehetra fampiasako dia hampiasaintsika rehetra fa ho hitanao eny @ mpivarotra akaiky anao.
Inona avy ? Hatreto aloha dia vinaigrette minceur, détox purifiant, sy Yaourt coupe faim ihany no hataotsika...
Aiza avy ary no tianareo hamarotana hahitana azy ireo ??

'Ndao kolokolointsika tsara ny tempolin'ny Tompo araky ny 1Korintiana 6:13 manao hoe : Ny hanina, ho an'ny kibo; ny kibo, ho an'ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin'Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo ; ary ny Tompo, ho an'ny vatana...

Tia antsika Jesosy !! Samy ho tahiany avokoa ary o 😘

Photos from Ninie's post 22/04/2025

Efa ho iray volana ihany zao zay ireo sary ireo fa eee 🥴
Nanao hoe tapa-kevitra ny hiverina hikotrana fa mihamarefo dia mba nanandrana fa eee 😮‍💨
Raha ny fahazarako dia miteny mialoha foana za hoe tsy ampiana coach fa navelako nanontany lay coach... fanontaniany voalohany dia hoe : "hanena sa hampitombo ianao madama" ?? 😅 Nihanahana fotsiny ah satria tsy hitako hoe hanena inona ? Hampitombo inona 🫣 Miady hevitra be ny ao an-dohako hoe "hanena retsy fa ty sandry sy lamosina ty anie lay tsy tiantsika e...dia io sisin-kibo io koa hoe" dia avy eo ndray "haka retsy fa efa hoe nihena loatra nj" 😂 tena hoe combat moral 🤣
Farany hoy ah fotsiny namaly hoe : "sady tsy maka no tsy manena fa mitazona" 🤭 Avy eo koa hitany natanjaka be dia tsy nanontany intsony izy...
Saingy iny indray iny dia tsy tafaverina intsony...dia zao miverina marefo, na ny dokotera niezaka nananatra fa tokony miverina mikotrana fa manome vahana ny areti-mitaiza hoe...Efa noroasiko @ anaran'i Jesoa zan hoy aho anakam-po 🫡🫢😜❤️‍🔥
Fa fotsiny, lay fotoana tena enjik'adala be 😔 Tsapako be lay hoe nefa mba fa angatahina @ Tompo mba hisy ndray ny fotoana dia za manantena fa rehefa tena tsy maintsy miverina mikotrana dia zay zan vao tonga ny fotoana natokan'ny Tompo ho ahy : izay ilay hoe tsy @ herin'ny tena fa entina am-bavaka ❤️‍🔥
Courage daholo dia tahin'i Jesoa hatrany 😘

Photos from Ninie's post 21/04/2025

Joyeuses Pâques daholo o !!
Ny aty sady nanao P***a nahafinaritra mamy be no nahatsiaro ny tsingeri-taonan'ny lohan'ny tokatranonay nomen'i Kristy 🌹
Ho an'ilay vadiko teo foana t@ ngidy sy ny mamy 🥰 Niara niafy niara nifaly niara natavy tamiko nandritry ny taona maro 😅🫣🤭🤗
Fa indrindra nandrisika sy nanampy be ahy foana t@ nanatratrarako ny tanjoko 🔥🙏
Tahin'i Jesoa hatrany izay rehetra kasain'la ary hitombo Fitiavana Azy sy @ fitadiavana ny sitrapony 🤍
Mirary ny avo miaraka @ Ilay Avo indrindra 😘

Photos from Ninie's post 08/04/2025

Zanako vavy 🤍
Motivation ako voalohany eo anatrehan'ny Tompo @ fikolokoloako ny Tempoliny ianao 🥹

Toy ny rehetra tia ny zanany, mba maniry mafy aho ho tsara kokoa noho ny vitako ny ho efainao @ Tompo @ anaran'i Jesoa 🤍

Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. — III Jaona 4

Mitomboa Fitiavana an'i Kristy sy fifandraisana amin'Andriamanitra hatrany 'zan zanako 'zan 🔥

30/03/2025

Tsy ny endrikao ivelany no mametra anao. Tsy ny fitsaran'olona anao no mametra anao. Tsy ny fahazarana, fahita, na ny fanaon'ny be sy ny maro no mametra anao...Fa Izy, Ilay ; Ilay Niandohany sy Hiafarany ; Ilay no Tompon-teny farany @ maha anao eo @ ny fiainanao 🔥
Aoka Ilay ho tonga eo @ fiainanao ihany koa : raiso ary mitsangana ry (Ninies) fa 🌹
Asan-tanany ianao ; Tempoliny ianao ! Koa zay rehetra mambabo ny sainao tsy hazahoanao fiadanana eo anatrehany dia aoka hirehitra any @ farihy mirehitr'afo mandrakizay :
Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema o; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo. — Isaia 52 : 2
Vitan'ny hafa, vitanao...vitako, vitanao...@ anaran'i Jesoa Kristy 🤍
Ho an'Andriamanitra Irery ny voninahitra 🙏🔥🥰

Photos from Ninie's post 27/03/2025

Mino aho fa maro no tsy afaka miditra salle, ary maro no tsy afaka mikotrana akory...
Tonio ny saina fa ny mampihena tsy ny fikotranana ihany, fa 80% eo ho eo dia miankina @ fisakafo ny base mampihena na manamafy ny vatan'ny olona iray ary 20% ambiny ny kotrana.
Ho ahy manokana zao ireo @ sary ireo navadiko ho routine mihitsy ny lundi au vendredi dia samedi dimanche aho mangalatra kely mihinana zay tsy mahazatra hialako @ frustration 😅🫣 Izany akory tsy midika hoe manaram-po be fa raha tsy mihinam-bary mihitsy ohatra ny herinandro dia mba mihinana kely ny faran'ny herinandro. Raha tsy nanao pâtes mihitsy dia mba manao kely 😜
Ny tanjona tsy rattrapage tsy nohanina fa mba ny hihinanana ny rehetra arak'izay mety fotsiny fa tsy manao régime restrictif : izay lay ́équilibragealimentaire 🔥
Farany, eo @ resaka ora. Za tena miezaka manaja ilay jeûne intermittent na dia 12/12 farafahakeliny aza...Moa koa mifady hanina ao @ Tompo rehefa isaky ny matanjaka tsara ampitomboina ilay firaisam-panahy Aminy 🤗
Mahereza hatrany ary @ anaran'i Jesoa 😘

27/03/2025

Ito no nataoko à partir de mes 80kg jusqu'à 70kg. Tena nampihena ny sandriko fa vao najanoko dia nanao musculation za dia lasa bokona loatra ndray 😅
Najanoko ny vy dia naveriko naharitra ndray izy io taorian'izay dia mba lasa vavivavy kokoa lay sandry be 🤭
Miala tsiny haratsin'ny vidéo fa tsy nety hitako intsony lay nalaiko t@ zan dia naveriko tsotsotra lay izy 🙏
Tahin'i Jesoa hatrany 😘

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Address

Ambohimitsinjo Ambohimanarina
Antananarivo
101