Rasazy Nata

Rasazy Nata

Share

Tongasoa eto amin'ny pejy 🥰 Reny sy zaza salama 💊🩺🩷

07/07/2026

🌸Nahatratra hatramin'ny firy kg ianao tamin'ny bevohoka mandrapa teraka❓🤰🏻

06/07/2026

Bonjour 👋🏻😙
Mirary herinandro feno fahombiazana indray ô ✨💚

05/07/2026

🔴Ndao ho resahina ny mikasika ny KYSTE OVARIENNE 💦

💊Ny kyste ovarienne dia kitapo feno ranoka izay mitombo eo amin'ny ovaire. Toe-javatra fahita matetika tsy de mampidi-doza loatra izy io, saingy mety hiteraka fanaintainana na fahasarotana raha miha lehibe. ✨

⚠️ Soritr'aretina mety hiseho:

➡Fanaintainana eo amin'ny ambany kibo ➡Tsy ara-dalàna ny fadimbolana(mikorontana)
➡ Fanaintainana mandritra ny firaisana ara-nofo.
➡Fahatsapana mivonto eo amin' ny kibo.

📌Tsy maintsy mila fandidiana ve ny kyste ovarienne ?

💊TSIA avy hatrany ny valiny, tsy ny kyste rehetra no mila fandidiana. Miankina amin'ny habeny, ny karazany, ny soritr'aretina ary ny valin'ny fitiliana ny fomba fitsaboana. Maro amin'izy ireo no manjavona ho azy, fa ny sasany kosa mila fanafody na fandidiana.

⚠Ny fitiliana sy ny fanaraha-maso amin'ny alalan'ny échographie ara-potoana no fomba tsara indrindra hisorohana ny fahasarotana. 💦

💬Raha misy soritr'aretina mampiahiahy dia aza manao fitsaboana tena, fa manatona mpitsabo mba hahazoana fitiliana sy torohevitra mifanaraka amin'ny toe-pahasalamanao.❤






🩺🩷

04/07/2026

❌DÉCHIRURE PÉRINÉALE ou ÉPISIOTOMIE❌ (fahatatahana mandritra ny fiterahana)

✔Ny fahatatahana dia ratra eo amin'ny faritra eo anelanelan'ny fivaviana sy ny fikakazana (périnée), izay mety hitranga mandritra ny fiterahana.Matetika dia miseho amin'ny fiterahana voalohany. 🤰🏻

⚠Déchirure périnéale: fahatatahana mitranga ho azy rehefa mandalo ny lohan'ny zaza.

⚠Épisiotomie: Rasazy mihintsy no manapan-kevitra hanataka rehefa ela loatra ny fanenana mba hanamora ny fivoahan'ny zaza na hisorohana ny mety ho ratra lehibe kokoa raha tataka ho azy .

📌Rahoviana no mety ho atao ny épisiotomie na fanatahana?

➡Raha lehibe ny zaza.
➡Raha mila avoaka haingana raha sanatria misy olana.
➡Raha ampiasaina fitaovana (forceps na ventouse).

📌Fikarakarana tokony atao amin'ny fery

✔Tazomy ho madio sy maina ny faritra.
✔Sasao amin'ny rano madio (afaka mampiasa savony nosy irery iany).
✔Ovay matetika ny serviette hygiénique.
✔Araho tsara ny toromarika omeny rasazy.
✔Miverena manatona tobim-pahasalamana raha misy fanaintainana mafy, fivontosana, fofona ratsy, na tazo.

💬Raha voakarakara tsara ny fery dia 10 na 15 andro aorian'ny fiterahana dia afaka ho sitrana tsara 🩷

NB: Tsy ny vehivavy rehetra no mety ho tataka rehefa miteraka fa toe-javatra mety hitranga indraindray iany izany 😉





💬Zarao mba ho hitany hafa
💎🩷

01/07/2026

🔴Inona ny zavatra tena nampitaintaina anao tamin'ilay hiteraka ❓🤰🏻

01/07/2026

⚠Fanontaniana matetika miverimberina, indro ary ny valiny ❌

🔴RÀ MANDEHA AMIN'NY VEHIVAVY MANDRITRAN'NY FIRAISANA ARA-NOFO NEFA TSY FANDIMBOLANA ❗

🌸Tsy azo tsinontsinoavina izany fa mety ho fambaran’aretina.

📌Inona avy ireo mety ho antony?

✔Cancer du col (na ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza): Ity no atahorana voalohany indrindra. Tandremo fa anisany homamiadana matetika mahavoa ny vehivavy tanora ity, ary matetika dia efa any amin’ny dingana efa lavidavitra (stade avancé) vao hita ary mety mahafaty.

✔Cervicite infection eo amin’ny vozon’ny tranonjaza.

✔Myome na Polype (accouché par le col): Fitomboan'ny nofo tsy ara-dalàna izay mivoaka eo amin'ny vozon'ny tranonjaza.

✔Ectropion: Ity dia ilay hoditra manify ao anatin'ny vozon'ny tranonjaza izay mivoaka ivelany kely. Marefo io faritra io ka mora mandeha rà raha vao mikasika zavatra (ohatra: rehefa miray @ vady).

✔Na koa ratra ao amin'ny fivaviana: Mety vokatry ny fahamainan'ny fivaviana (sécheresse vaginale) na aretina amin'ny fivaviana (vaginite).

📌Inona no tokony hatao?

✅Raha vao misy ny tranga, dia tsara raha manatona mpitsabo akaiky anao :

➡Mba hahafantarana marina ny antony mahatonga ilay rà.

➡ Mba hahazoana ny fitsaboana mifanaraka amin'izany.

➡Hararaoty izany fotoana izany hanaovana Dépistage (fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny tranonjaza) raha mbola tsy nanao na efa ela no nanao fitiliana farany.

Mirary soa daholo 💎🩵

🩺🩷

01/07/2026

Fampatsiahivana kely 😚🩷
Efa noresahin-tsika teto amin'ny pejy ❗

Fafàna avy any aloha, mankany aoriana hatrany....

29/06/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! Nadia Faramalala, Mikaly FitiaHafa, جورجين إسمايلا, Saphyde Anjara Fy Ariniela, Mamitiana Razanatsoa, Pris'Cah Annic, Pattih Razafindramanana, Nasandratriniaina Volatiana Rajaonson, Hãsï Na Ran

27/06/2026

Andro iray amin’ny fiainanay Rasazy 🩺🩷

🌸Mbola tsy miposaka tsara ny masoandro dia efa manomboka ny asa. Manao fiomanana, mandray antso, mijery ireo reny mila fanaraha-maso. Tsy mitovy ny tantara entin’ny olona tsirairay, fa iray ny tanjona: miaro ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

🌸Misy ny fotoana feno hafaliana rehefa mandre ny feon’ny zaza vao teraka voalohany. Misy koa ny fotoana mila faharetana, fitoniana ary fandraisana fanapahan-kevitra haingana.

🌸Tsy fijoroana eo amin’ny efitra fiterahana ihany ny maha sage-femme. Fa fihainoana, fanabeazana, fanohanana ary fanomezana fahatokisana ny reny amin’ny diany.

🌸Rehefa mifarana ny andro dia mety reraka ny vatana, fa misy hery vaovao avy amin’ilay Ray ao ambony, izay tsy takatry ny saina. 💚

🩺🩵

25/06/2026

🔴Iza ilay maman tsy afaka manao arendrina ao rahariva fa mifana❓🥴🩷

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antsampandrano
Antananarivo