Santé & Bien-être by Rado

Santé & Bien-être by Rado

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Santé & Bien-être by Rado, Health/Beauty, II R 58 Ambohitrakely, Antananarivo.

👨‍⚕️ Infirmier diplômé d'Etat
💡 Conseils simples pour rester en bonne santé
🍎 Nutrition | Hygiène | Bien-être
🎯 Objectif : aider chacun à vivre en bonne santé au quotidien

11/05/2026

👉 Ny fahaizana misakafo no fototry ny fahasalamana
👉 Ovao tsikelikely ny fomba fisakafoanao
mba ho zatra mihinana sakafo maroloko, manankarena otrikaina,
ary manamafy ny hery fiarovan’ny vatana
➡️ Ho hitanao tsikelikely ny vokany 💪

02/05/2026

👉 Mbola misy angadrano (pellicules) ve ianao?
Andramo izay mety aminao amin’ireto astuce naturel ireto 👇
⚠️ ANTONY
✔️ Hoditra maina
✔️ Menaka be loatra amin’ny loha
✔️ Shampoo tsy mifanaraka
✔️ Fikorontanan’ny hoditra (toy ny dermatite séborrhéique)
✔️ Tsy fanasana volo ara-dalàna
🌿 ASTUCE NATUREL (miaraka amin’ny fatra)
🌿 1. VAHONA (Aloe vera)
👉 Fatra: gel naturel ampy
👉 Atao amin’ny hodi-doha, avela 20–30 min
👉 Sasao tsara
➡️ Mampihena mangidihidy sy manalefaka hoditra
🥥 2. Menaka voanio
👉 Fatra: 1–2 sotro lehibe
👉 Avela 30 min
➡️ Manalefaka sy mampihena fahamainana
🍋 3. Voasarimakirana
👉 Fatra: 1 sotro ranony + 2 sotro rano
👉 Avela 10–15 min
➡️ Manadio sy manala potipoti-javatra
⚠️ 1–2x isan-kerinandro ihany
🧴 4. Vinaingitra 5%
👉 Fatra: 1 vera kely vinaingitra + 2 vera rano
👉 Atao “rinçage” farany
➡️ Manitsy pH amin’ny loha
🛡️ TOROHEVITRA
✔️ Sasao volo 2–3x/kerinandro
✔️ Aza mikikisana mafy
✔️ Mifidiana shampoo mifanaraka
Zarao fa misy namantsika maro any mila an'ito 🙏
Abonnéo ny page tsika 👍

28/04/2026

🍠🌿 Fantatrao ve?
Ny vomanga sy ny raviny dia sakafo tena mahasoa ho an’ny fahasalamana 👇
🍠 Ny vomanga (fakany)
✔️ Tsara ho an’ny maso noho ny vitamine A
✔️ Manampy miaro ny fo sy mampihena ny kolesterola
✔️ Manome angovo sy tanjaka noho ny glucide naturel
🌿 Ny ravin’ny vomanga
✔️ Be vitamine A, C, E → manamafy hery fiarovana
✔️ Tsara ho an’ny rà noho ny fer (iron) → manampy amin’ny anemia
✔️ Manampy amin’ny fandevonan-kanina
✔️ Mampihena ny risika aretim-po
✔️ Manampy mandrindra ny siramamy ao anaty rà
💪 Iza avy no tena mahazo tombontsoa?
👉 Ireo olona:
✔️ Manana anemia (tsy fahampian-drà)
✔️ Mitohana (constipation)
✔️ Malemy na tsy ampy sakafo
✔️ Tsy ampy hery fiarovana
💬 FEHINY
👉 Ny vomanga sy ny raviny = sakafo tsotra fa harena ho an’ny fahasalamana 🍠🌿
✨ Zarao mba ho hitan'ny hafa 😊 Abonnéo ny page mizara soa ho anao 🙏

26/04/2026

ANDRIAMANITRA NAHARY SY MAHAY NY ZAVATRA REHETRA ANIE HITAHY ANTSIKA HO SALAMA LALANDAVA

25/04/2026

🦟 ODIMOKA: AHOANA NO FAMPIASANA AZY TSARA?
Ny mosquito coil dia manampy mandroaka moka, saingy mila ampiasaina am-pitandremana 👇
🌆 ✔️ FOMBA TSARA (Technique simple)
👉 Arehitra alohan’ny hatory, Sokafy daholo ny varavarana sy varavarankely
➡️ Hivoaka ny setroka, handositra ny moka
👉 fa vonoina rehefa atory! akatona ny trano rehefa afaka ny setroka.
⚠️ ZAVA-DEHIBE TANDREMANA
❗ Aza miara-matory amin’ny odimoka mirehitra
❗ Indrindra ho an’ny zaza sy ankizy
➡️ Mety hiteraka fahasemporana sy kohaka
Abonnéo ny page 😊 zarao mba ho hita ny hafa 🙏

24/04/2026

📢 Inona no iantsoanareo azy amin’ny faritra misy anareo?
Izy io dia antsoina hoe verrue (na “tazom-bolo”).
👉 Areti-koditra ateraky ny viriosy antsoina hoe Human papillomavirus izy io.
👉 Tsy dia fahita firy intsony ankehitriny, nefa mbola misy ihany.
⚠️ Tsy mampidi-doza izy, fa:
Mety manelingelina
Indraindray mahamenatra, indrindra raha eo amin’ny tanana na toerana hita maso
🌿 Misy fomba naturel azo andramana hanalana azy
👉 Jereo ao amin’ny sary 👆
💡 Torohevitra:
Aza kitihina na kikisana ❌
Sasao tsara ny tanana
Raha tsy mety levona na mitombo → manatona mpitsabo hoditra (dermatologue)
👉 Zarao amin’ny namana sao misy mila 👍

23/04/2026

🚌 Resaka tao anaty bus…
👩‍🦰 Hoy ny iray :
— “Ny nifiko aky tena marary foana hatramin’izao a…”
👩‍🦱 Namaly ny iray :
— “Indry misotro rano betsaka io no mahatonga an’izany, satria hono ny rano rehefa tsy ampangotrahana dia mandany calcium…”
❌ Diso izany fiheverana izany!
✅ Ny marina :
Ny rano tsy mandany calcium ao amin’ny vatana
Indraindray aza ny rano dia misy calcium kely
Ny fanaintainan’ny nify dia mety avy amin’ny antony hafa (toy ny fahasimban’ny nify na aretina)
🔥 Fa maninona no ampangotrahana ny rano?
👉 Mba hamono mikraoba sy hisorohana aretina
💡 Tsarovy :
👉 Ny calcium dia azo avy amin’ny sakafo (ronono, fromazy, anana maitso…)
👉 Ny rano madio no zava-dehibe sotroina, na ampangotrahina raha tsy azo antoka
📢 Zarao ity mba tsy hiparitaka ny fiheverana diso, ary mba ho hitan’izy roa kely tao anaty bus 😄

23/04/2026

Mirary tontolo andro mafinaritra sy feno fahasalamana ho anareo ❤️

22/04/2026

❤️‍🔥 Indro ary ilay recette naturel manome fofona fraîche ho an'ny Vava👇
🌿 Bain de bouche menthe / persil (naturel)
🧾 Zavatra ilaina:
Ravina menthe na persil (1 tanana kely)
Rano mafana 1 vera (≈ 200 ml)
👨‍🍳 Fomba fanamboarana:
Sasao tsara ny ravina (menthe na persil)
Ataovy anaty rano mafana
Avela hilona 5–10 minitra
Avela hangatsiaka
Sivanina (raha ilaina)
🪥 Fomba fampiasana:
Atao gararaka manditran'ny 30 segondra
Atao 1–2 fois/jour (maraina sy/na alina)
Aza atelina (ariana rehefa vita)
✅ Tombony:
Manala fofona ratsy haingana
Manome haleine fraîche 🌿
Manampy manadio bakteria ao am-bava
⚠️ Tandremo:
Ataovy vaovao isan’andro (aza tehirizina ela)
Raha maharitra ny fofona ratsy → tsara mijery dentiste
Ataovy miaraka amin’ny miborosy nify sy lela
💡 Tsarovy: Ny fisorohana no laharam-pahamehana!

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

II R 58 Ambohitrakely
Antananarivo
101