FAM by Natur'ally
Communauté associée à la marque Tsara Volo (fondée en 2012) et Natur'Ally (lancée en 2016) Page dédiée à la communauté de Natur'Ally / Tsara Volo
Tsara ihany (mihintsy moa izany) ilay hoe asa tiana no atao ☺️
𝗠𝗮𝗻𝗸𝗮𝗳𝘆 𝗯𝗲 (𝗽𝗮𝗿 𝗽𝗿𝗼𝗰𝘂𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻) 𝗶𝘇𝗮𝗵𝗮𝘆 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝘃𝗶𝘁𝗮 𝘀𝗼𝗶𝗻 𝗼𝗵𝗮𝘁𝗿'𝗶𝘇𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮𝗿𝗲𝗼, satry foana hilalao azy 🫣
👉 𝘙𝘢𝘩𝘰𝘷𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢𝘰 ?
📆 Mivoha ny talata hatramin'ny sabotsy izahay.
🏠 Natur'Ally Mahamasina, akaikin'ny Restaurant Jade ampitan'ny Kianja mitafo , 📞 034 01 001 98
💡 Tsara kokoa manao famandrihana mialoha (réservation conseillée).
08/03/2026
𝗜𝘀𝗮𝗻'𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗻𝗼 𝘁𝗼𝗸𝗼𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗷à𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗼𝗻'𝗻𝘆 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆, izay zon'olombelona tsotra izao fa mbola misy tsy omena azy, ary mbola itolomana hatramin'izao.
Fa amin'izao tontolo maoderina iainantsika izao dia maro koa ny endrika olana mianjady amin'ny vehivavy.
Tsotra no azo amehezana ilay tolona : 𝐀𝐕𝐄𝐋𝐀𝐎 𝐇𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 !
Amin'izao andro "efa mazava" izao dia mbola 𝗺𝗮𝗿𝗼 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝘀𝗲𝘁𝗿𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 :
➡️ 𝗧𝘀𝘆 𝗮𝘃𝗲𝗹𝗮 𝗵𝗶𝗮𝘀𝗮, kanefa latsaina velomim-potsiny indray rehefa misafidy ny hametraka ambony ny fikarakarany ny tokantranony.
➡️ 𝗙𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗵𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘁𝗶𝗮𝗻𝘆, fa hoe "jejo" na "miodina". Tsaraina ivelany amin'ny lokom-bolo, tevika, tombok'havatsa ....
➡️ 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘀𝗮𝗳𝗶𝗱𝗶𝗻𝘆 : raha tsy te hiteraka, tsy te hanambady, nisara-bady, tsy te hanaraka ny "schéma" mahazatra napetraky ny fiaraha-monina
𝘖𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯'𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘭𝘰𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘨𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘵𝘢𝘰 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘢𝘷𝘢-𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰, 𝘧𝘢 𝘮𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘮𝘢𝘳𝘰 𝘪𝘻𝘺 𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘺.
Pao-tsatroka ho an'ireo olona 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗝𝗔 𝘃𝗲𝗵𝗶𝘃𝗮𝘃𝘆 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗺𝗲𝗹𝗮 𝗮𝘇𝘆 𝗛𝗜𝗔𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗡-𝗞𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 ,na lahy na vavy, satria ny samy vehivavy ary matetika mifanao an'ireo zavatra voatonona ireo.
𝗠𝗶𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝗶𝗿𝗮𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘁𝗼𝗻𝗴𝗮𝘃𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮✊
Soava andro daholo
06/03/2026
Sao dia fotoanany izao, 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗶𝗻 𝗮𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗡𝗮𝘁𝘂𝗿'𝗔𝗹𝗹𝘆 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 ?
- 𝟴𝟬𝟬𝟬 𝗮𝗿 𝗺𝗮𝗻𝗸𝗼 𝗶𝘇𝘆 𝗿𝗮𝗵𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗼 𝘀𝗮𝗯𝗼𝘁𝘀𝘆 𝟳 𝗺𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 💥
👉 Torak'izay ihany koa ny produits, - 𝟴𝟬𝟬𝟬 𝗔𝗿 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗶𝘃𝗶𝗱𝘆 𝟯𝟬 𝟬𝟬𝟬 𝗮𝗿 𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗵𝗼𝗮𝘁𝗿𝗮.
🏠 Amin'iny lalana goudron fidinana Amparibe iny no misy anay, afaka miantso rehefa eo amin'ny Sweet Tea, ampitan'ny efitra fianaran'ny La Salle (Sainte Famille) na rehefa eo amin'ny resto JADE.
📞 034 01 001 98
🕘 Amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 4 ora hariva
23/12/2025
Tsy ho ela ....
15/08/2024
𝗠𝗶𝘁𝗮𝗱𝘆 𝗖𝗼𝗶𝗳𝗳𝗲𝘂𝘀𝗲𝘀 𝘀𝘆 𝗔𝗶𝗱𝗲-𝗖𝗼𝗶𝗳𝗳𝗲𝘂𝘀𝗲𝘀 𝗻𝘆 Natur'Ally Mdg
Midira MP avy hatrany raha mahaliana anao ny hiasa amina salon matihanina amin'ny fikarakarana volo oly sy makoa, na "salon curly" moa ny filazan'ny maro azy 🙂
01/08/2019
Famaranana volo : fikafika mety ho an'ny karazam-bolo rehetra.
Ity fomba iray famaranana volo samirery ity indray dia mety na ho an'ny volo tsotra na oly na makoa.
Raha tsotra izy dia mirandrana mizara 2 dia efa mety. Raha somary oly dia mizara 4 na 9 (3 avy ny andaniny sy ankilany). Raha makoa dia tsara mizara maromaro satria tsy voatery hahatakatra ilay volo (matetika miforitra bebe kokoa ny volo makoa).
Ny randrana afaka atao randran-droa na telo.
Hazavaintsika kely ny sary: tsara kokoa raha mitovitovy ny hangezan'ny randrana izy vao miainga any amin'ny foto-bolo ka hatrany amin'ny tendrony. Matoa mihakely izy dia miharingitra ny volo izay dia ilay lohany efa reraka iny no esorina.
Arakaraky ny mahakely an'ilay randrana no tsara hamaranana azy satria efa mihamanify izany ny tahony. Toro-marika ihany no omenay amin'ilay sary fa tsy voatery hoe vao mihakely ilay haben'ny randrana dia manapaka ianareo (sao be loatra ny lasa) fa mety koa raha izay volo maningana tsy mety arandrana fa mihavitsy loatra any amin'ny tendrony no esorina.
01/08/2019
Fikafika azo atao raha hamarana lohavolo irery (volo tsotra).
Iza daholo ilay te hamarana volo ato toy ny fomba mahazatra ny Malagasy rehefa 1er août ?
Fantaro nefa fa tsy in-dray isan-taona ihany no tsara hamaranana volo fa isaky ny 3 volana farafahakeliny.
Arakaraky ny hamaranana azy matetika no mahakely ny tahony ringitra tokony esorina.
Azo atao ny mamarana volo irery, misy fomba 3 afaka anaovana azy raha volo tsotra, tsy fohy kely fa somary lavalava.
Afatotra ny fototr'ilay volo sy ny lohany, izay ao arian'ilay fatotra faharoa no tapahina ka arakaraky ny endrika tiana ho azo no isafidianana ny 'position' anapahana azy araka ny hita amin'ny sary.
28/06/2019
Fikafika kely ahazoana 'volume' ho an'ireo manify volo.
Rehefa manamaina azy dia asiana 'pinces' kely toy itony ny fotony. Ahitàna an'io daholo rehefa mpivarotra kojakoja ho an'ny volo (raha eto Tana dia Bio 33 Isoraka, Josepha Ambidifilao, 67 Cosmetics, sy ny maro tsy voatanisa).
Tsy voatery ho atao vy ilay izy fa mety koa raha plastika. (sary eo amin'ny 'commentaire').
Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra 👋
06/05/2019
✂ Mamarana lohavolo samirery ✂
Tsy voatery hanatona matihanina rehefa mamarana lohavolo (pointes). Maro no milaza fa tsy fanao izany rehefa ririnina, ny marina dia tsara foana ny manala izay lohavolo simba na inona na inona toetry ny andro, ary isaky ny 3 volana farafahakeliny.
Toy izao ny fomba fanaovana azy, volo maina no hamaranana:
👉 Zarazaraina toy ny amin'ny sary ny volo, mizara 4 farafahakeliny.
👉 Arandrana 2 na 3
👉 Izay tsy mety tafiditra anatin'ilay randrana fa mitsokotsoko kely mivoaka ety ivelany dia tapahana
👉 Tsara kokoa raha somary misopirana kely (en diagonal) ny hety rehefa manapaka azy fa tsy mahitsy be marin-drano (horizontal)
©️ Tsy azo adika fa afaka zaraina.
Crédit photo: iMadameJay
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Website
Address
Opening Hours
| Tuesday | 08:30 - 17:00 |
| Wednesday | 08:30 - 17:00 |
| Thursday | 08:30 - 17:00 |
| Friday | 08:30 - 17:00 |
| Saturday | 08:30 - 17:00 |
