Fantatrao ve Fa ?

Fantatrao ve Fa ?

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fantatrao ve Fa ?, Antananarivo.

14/07/2026

🚹MIHARATSY TANTERAKA NY TOEKARENA MALAGASY NANOMBOKA TAMIN’ITY TAONA 2026 ITY ARAKA NY TAREHIMARIKA NAVOAKAN’NY BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA tao anatin’ny « EnquĂȘte de Conjoncture Economique » (ECE Mars-Avril 2026).

Nihena dia nihena ary lasa niiba (nĂ©gatif) mihitsy ny fiodinan’ireo orinasa eto Madagasikara nandritra ny 3 volana voalohany, satria dia lasa nihena hatrany amin’ny - 39,9% izany « indicateur synthĂ©tique des activitĂ©s d’entreprise » (IAE) izany raha +17,3% izany tamin’ny 3 volana teo alohan’ny 2026.

Araka ny fanadihadian’ny banky foiben’i Madagasikara ihany dia antony 4 lehibe no tena mahatonga ny orinasa malagasy zara raha miodina ankehitriny (ralentissement des activitĂ©s):

-manjavozavo sady tsy azo antoka ny zavamisy aratoekarena (incertitude liée à la conjoncture économique) : 80,2%
-olan’ny fahapatan-jiro matetika (problĂšmes de dĂ©lestage) : 79%
-manjavozavo noho ny olana ara-tsosialy sy politika ankehitriny (incertitude liée au contexte socio-politique) : 75.2%
-ary olan’ny tambajotran’ny fitaterana indrindra ny lalana (problĂšmes liĂ©s aux rĂ©seaux des transports) :74%

MAZAVA TSARA AMIN’IZAO FA VOKATRY NY TSY FAHAIZA-MITANTAN’NY MPITONDRA FAHAVOAZANA ANKEHITRINY NO MAMPITOTONGANA NY TOEKARENA ARY EFA NAMPOIZINA FA TSY MAINTSY HANIMBA NY FIAINANA ARA-TOEKARENA SY SOSIALIN’NY VAHOAKA SY NY FIRENENA IRAY MANONTOLO NY FANONGANAM-PANJAKANA.

Nampitandrina an’izany ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny volana septambra sy oktobra 2025 fa saingy tsy nohenoina dia izao iarahana miaina izao ny vokany ankehitriny satria tsy mandainga ny tarehimarika fa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena malagasy, ary vao maika mitombo ny fahantran’ny vahoaka satria zara raha miodina ny orinasa mamelona fianakaviana an-tapitrisany noho izao zavamisy ara-politika eto amintsika izao.

Etsy ankilany dia hita fa tsy mahatsapa ny fahorian’ny vahoaka sy ny fahapotehan’ny firenena mihitsy ny mpitondra fahavoazana matoa vao tsy ela akory Ra Con Lonel Mika nilaza fa milamina ny firenena ary tsy misy olana fa mandeha tsara ny fiainam-pirenena. Porofon’ny tsy fahalalany sy ny tsy fahaizany ny tena zavamisy marina izany teniny izany.

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 14/07/2026

🚹Poussy Best : Tsy nisy zandary niaraka tamin’ireo mpisandoka sy nanao fisavàna tsy ara- dalàna teny Ambohibao

‌Fisandohana sy fisavana trano tsy ara- dalĂ na teny Ambohibao
❌Tsy nisy zandary niaraka tamin’ireo mpisandoka sy nanao fisavĂ na tsy ara- dalĂ na teny Ambohibao, raha ny fantatra.

👉Zandary nantsoin’ireo tompon- trano nitsirika sy nijery ny zava- nisy tao an- toerana tamin’iny fotoana iny no zandary teny sy hita amin’ny sary sy horonantsary miparitaka fa tsy nisy niaraka tamin’ireo nanao fisavàna tsy ara- dalàna raha ny fanazavana.

👉Miaramila kapiteny nisandoka ho RG an’ny presidence no voalaza fa niaraka tamin’ilay lehilahy iray nitonona ho mpanolontsaina teknikan’ny filoha ankoatra ny vatan- dehilahy maromaro nentin’izy ireo.

👉Efa fantatra hoe aiza no miasa io miaramila io, ary efa an' dalam- pikarohana azy ireo tompon’andraikitra misahana ity raharaha ity raha ny fanazavana hatrany.

👉Raha ny fanadihadiana natao kosa dia efa voasambotra ny maraina teo ary tazonina atao andrimaso eny amin’ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nilaza ho mpanolotsain’ny filoha, nitarika io fisavàna trano teny Ambohibao io...

đŸ’„Raha ny fanadihadiana natao dia mbola tsy nisy resaka fandefasana olona any am- ponja hatreto mikasika ity raharaha teny Ambohibao ity... fa mbola ao anatin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana an’ireo olona tompon’antoka tamin’iny raharaha iny ny tompon’andraikitra misahana izany.

De aona izany ny tena marina fa i Fanirisoa Ernaivo nefa nilaza fa efa voasambotra ilay zandary nanao fisavana tsy ara-dalĂ na ⁉

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 13/07/2026

🚹Fitsaram-bahoaka

Rehefa mamaky ny commentaires ao amin'ilay ranty nataon'ny Minisiteran'ny Fitsarana momba ny fitsaram-bahoaka tany Maintirano dia mazava fa tsy matoky ny fitsarana intsony ny vahoaka.
Leo sy tofoka tanteraka satria manjaka ny vola sy ny kolikoly, vitavita hoazy ny ankamaroan'ireo raharaha hatramin'ny vono olona aza dia afaka mora foana ny mpanao ratsy.

Tongava saina ry Fanirisoa Ernaivo fa matoa ny olona miteny daholo dia ianao mihitsy no tsy mahafehy ny asanao intsony.
Tompon'andraikitra voalohany amin'izao zava-misy eto amin'ny firenena izao ny fitsarana ary tsy afa-miala amin'izao ny Minisitra.
Firy izay voasambotra hoe nangala-jaza izay fa tsy hita izay marina ary tsy hita izay tena hoe sazy azon'ireo olona ireo fa voasambotra fotsiny, avy eo misy mahita mandeha eny amin'ny fiarahamonina eny ihany le olona tratra avy eo.
Tsy mahagaga raha miroso amin'ny fitsaram-bahoaka ny olona satria tsy matoky intsony ny fanjakana sy ny fitsarana.

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 13/07/2026

🚹Siteny

Tena manabarabara sy manavendrana olona mihitsy i Siteny ity fa olona eo ambany fahefany ve no handeha hanara-maso ny fitantanana sy fampiasam-bola ao amin'ny Antenimierampirenena ?

Tsy ny inspection générale de l'Etat izay mifamatotra amin'ny Fiadidin'ny Repoblika eo ambany fahefana mpanatanteraka no tokony manara-maso ny fitantanana sy fampiasam-bola ao amin'ny Antenimieram-pirenena.

Fa misy ny rafitra manokana izay voafaritra ny "RÚglement Intérieur" an'ny Antenimierampirenena ao amin'ny andininy faha 18 izay mametraka ny fisian'ny "Inspection Générale de l'Assemblée Nationale" izay eo ambany fahefahan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena.

Mazava fa cinéma fotsiny ny fiantsoana ny IGE fa ny IGAN no manana andraikitra hisahana ny fitsiriahana ny fitantanana sy ny fampiasam-bola ao amin'ny Antenimierampirenena.
Ireo amin'ny sary ireo ny olona tokony hisahana izany asa izany ka ho sahy hitoroka sy hamoaka ny marina ve izy ireo raha toa ka misy zavatra hitany fa tsy mety ny fitantanana ao amin'ny Antenimierampirenena ?

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 13/07/2026

🚹 Ho an'ny taninjanaka, ho an'ny taranaka

"Ho an'ny Ministeran'ny Fitsarana Malagasy
Tsy azo ekena intsony ny zava-misy iainan'ny FITSARANA eto Madagasikara."
▶Marary ny rafi-pitsarana eto Madagasikara, manjaka ny kolikoly ka efa tsy matoky ny Fitsarana intsony ny vahoaka hany ka miha mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka.

12/07/2026

🚹Maintirano : Nodoran'ny olona velona ilay namono an'i Floria

Izao zava-misy any Maintirano izao no porofo fa tsy matoky ny fitsarana sy ny fanjakana intsony ny vahoaka.
Ary hita taratra tamin'ireo olona tratra fa hoe nangala-jaza ihany koa izany eto Antananarivo.
Tsy matoky ny fitsarana intsony ny vahoaka satria be loatra ny kolikoly sy ny raharaha vita hoazy ka mampirongatra ny fitsaram-bahoaka.

📌Tsy nanaiky hatramin'ny farany ny vahoaka raha tsy navoaka tao amin'ny tobin'ny Polisy ilay voalaza fa namono an'i Floria.
📌Tsy nahatohitra ny vahoaka ireo mpitandro filaminana.
📌Rehefa azon'izy ireo dia nodorany velona avy hatrany. Tsy nahomby ny fifampiresahana natao hatry ny omaly koa dia izao niafara tamin'ny fitsaram-bahoaka.
👉Mitazona Cashpoint moa ity vehivavy ity; tsy tonga nanao " versement" izy ny alakamisy ary ny zoma ho hita ny vata mangatsiakany efa tsy nisy aina intsony.

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 11/07/2026

🚹Perquisition SODIAT Andakana

Raikitra indray ny fanaovana perquisition sy fandrobana eny amin'ny SODIAT Andakana.
Misy andian'olona tonga eny amin'ny SODIAT Andakana amin'izao fotoana izao, haka ny fiara tsy mbola lasan'ireo mpangalatra teo aloha.

Mazava hoazy fa i Fanirisoa Ernaivo no ao ambadik'ireto olona ireto tonga handroba sy hanao perquisition ireto.
I Kolonely Michael moa dia matahotra an'i Fanirisoa mihitsy fa tsy sahy miteny azy mihitsy amin'ny zavatra tsy mety ataony.
Fa jereny fotsiny fa mody manao fanambarana hoe tsy misy hidirany sy tsy mbola nanome baiko perquisition ny tenany.
Kanefa dia mitohy foana ny fanaovana perquisition tsy ara-dalĂ na sy fandrobana ny fananan'olona.

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 11/07/2026

🚹Izaho vonoina raha lehilahy hoy i Kolonely Michael

👉Mba alaivo sary an-tsaina kely hoe io zavatra nambaran'i Kolonely Michael io.
Izy anefa amin'io nampiakatra ny teti-bola ho an'ny fiambenana manokana azy ho 6,8 Miliara Ariary tao anatin'ny LFR.
Izany hoe 1 Miliara mahery isam-bolana no lany amin'ny fiarovana an'i Kolonely ho an'ny enim-bolana farany 2026.

👉Miaramila Malagasy sy Rosiana efa ho 150 no miambina azy isak'izay fitsidiham-paritra alehany.
4x4 blindé, gilets par b***e, gardes rapprochées, commando spécial, tireur d'élites, protection anti-drones sy renseignements satellites Russes no ampiasainy hiarovany ny tenany.

👉Niafina tao ambadiky ny vitre blindĂ© izy tamin'ny matso teo Mahamasina fa mahana amin'ny ratsy ataony.
Isaky ny misy zavatra mafanafana kely eto amin'ny firenena de lazainy fa misy mifofo foana ny ainy.
Hanaovana diversion sy fanodikodinana saim-bahoaka hanafenana ny zavatra tsy mety eto amin'ny firenena.

👉Fa ny vahoaka mandry andriran'antsy tanteraka, tsy misy mpiaro, tsy misy mpiahy, ny vono olona sy hala-jaza mitohy isan'andro.
Tsy misy fandriahampahalemana intsony fa ny mpitondra no tsara ambina manana gardes corps sy miaramila miaro azy fa ny vahoaka sahirana sy mijaly.
Ny mivoaka ny trano isan'andro efa mampitaintaina tanteraka fa tsy hay izay zavatra mety hanjo eny an-dalana eny.

10/07/2026

Eny Tsaralalana amin’izao ora izao.
Efa eny an-toerana ny mpamonjy voina.

đŸŽ„Horonantsary Prisca

Photos from Fantatrao ve Fa ?'s post 10/07/2026

🚹Toamasina

Tsara ambina kosa i Kolonely Michael manao fitsidiham-paritra any Toamasina amin'izao fotoana izao.
Jet privé sy avion privé ary hélico maromaro mihitsy no nitondra ireo delegasiona maro be any an-toerana.

Ny vahoaka anefa mandry andriran'antsy tanteraka fa mitombo isan'andro ireo olona tsy hita sy matimaty foana😭
Tsy misy fandraisana andraikitra fa resabe fotsiny fa ny mpitondra no tsara ambina manana gardes corps maro be fa ny vahoaka tsy misy mpiahy😭

Ny fiainan'ny mpitondra no milamina fa isika vahoaka atao vono vorona fotsiny matimaty fahatany😭
Tsy hita intsony izay marina fa na ny hivoaka ny trano aza lasa mampatahotra😭

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address

Antananarivo