Avana Anay boutique
Achetez ici et rayonnez par tout đ
17/02/2025
Matetika dia toa manorisory sy manirikiry antsika ny fisian'ireo bibikely ao atrano, ireto ary misy fikafika entina amintsika isorohana azy ireny
Vitsika, kadradraka, kalalao, lalitra, koroka⊠maro ireo bibikely manelingelina ny filaminana sy ny fahadiovana ao an-tokantrano. Efa nampiasa odim-biby isan-karazany ianao nefa mbola miverina foana ireo bibikely ireo ? Ireto ary misy fomba fisorohana sy fiadiana aminâireo bibikely ao an-trano.
Atao madio tsara ny trano
Anisanâny misarika ireo bibikely fahita ao an-trano ny loto. Ny potin-tsakafo no tena ankafizinâizy ireny. Ny lakozia moa no lasibatra matetika aminâizany. Ho fisorohana ny fidiranâny vitsika, kalalao sy ny lalitra ao an-trano dia mila atao madio tsara ny lakozia sy ny efitra fisakafoanana. Diovina tsara ny fitaovana fihinana sy ireo fitaovana nandrahoana sakafo. Tsy tokony avela hijanona maloto, indrindra mandritry ny alina. Toy izany ihany koa ny latabatra, seza sy ny tany. Fafana tsara hialanâny potin-kanina.
Diovina ary atao maina tsara ireo fanaka rehetra
Mora mandomando ny fanaka, indrindra ireo vita aminâny hazo. Ankafizinâny bibikely, toy ny kadradraka sy ny ny koroka, manokana io hamandoana io. Mila ezahina diovina sy atao maina tsara hatrany noho izany ny fanaka rehetra, na ny ao an-dakozia, efitrano fatoriana, efitra fisakafoanana⊠Tsara kokoa raha avela itapiandro kely indray mandeha isan-kerinandro rehefa avy diovina tsara.
Mampiasa ireo fikafika natoraly iadiana aminâny bibikely
Maro ireo fikafika natoraly afaka ampiasaina iadina aminâny bibikely raha tsy te hampiasa ireo ody biby simika ianao. Afaka atao ohatra ny manafangaro rano sy vinaigitra mitovy fatra. Atao anaty tavoahangy ary atsifitra eo aminâny toerana ahitana vitsika, kalalao na lalitra. Mampitsoaka ny bibikely ihany koa ny akora mahery fofona toy ny dipoavatra mainty sy ny jirofo. Afafy eo aminâny faritra ahitana tangorona vitsika izy ireny ka mampitsoaka azy ireo.
17/02/2025
Miarahaba antsika mpanaraka ny pejy, hizara fikafika kely isika anio; mamakia finaritra ary.
Fikafika natoraly manampy aminâny fanesorana ny tasy aminâny hodi-tava
Maro ireo tasy manimba ny endriky ny hodi-tava raha tsy hitanisa afatsy ny panda sy ny tasy navelanâny mony. Efa misy moa ireo karazana vokatra efa vonona ampiasaina (produits) azo ampiasaina hanalana azy ireny. Ho anâireo tsy tia mampiasa vokatra misy akora simika dia ireto ary misy fikafika natoraly manampy aminâny fanesorana ny tasy aminâny hodi-tava.
Dintin-tsavony Nosy sy tantely ary masonjoany
Fangaro iray manampy betsaka aminâny fanesorana ny tasy aminâny hodi-tava ary manadio ny tarehy tantely sy masonjoany ampiarahana aminâny dintin-tsavony Nosy. Lomana rano ny savony Nosy izay ilaina ary avela ho lasa malemy sy madinty. Rehefa vita izay dia maka io dintinâny savony Nosy io 2 sotro fihinana ary afangaro aminâny tantely sy masonjoany efa voakiky samy mitovy fatra aminy. Atao mifangaro tsara ary io no atao sarona (masque) eo aminâny tarehy madio mandritra ny 30 minitra. Kobanina aminâny ravim-boafotsy avy nampangotrahina sy efa mangatsiaka. Ampiasaina isaky ny roa andro io sarona io.
« Yaourt » afangaro aminâny tantely
Fangaro natoraly mampisinda ny tasy ary manazava ny hodi-tava ny « yaourt » ampiarahana aminâny tantely. Maka « yaourt » roa sotra fihinanana ary afangaro tsara aminâny tantely roa sotro fihinanana. Ahosotra aminâny tarehy efa nodiovina tsara mialoha io fangaro io ary avela hilona mandritra ny 30 minitra. Rehefa vita izay dia kobanina tsara aminâny rano matimaty. Tsara raha « yaourt nature », izany hoe tsy misy siramamy no ampiasaina. Ampiasaina isanâandro mba ahazoana vokatra.
Ireo fitandremana mba hisorohana ny tasy aminâny hodi-tava
Arakâilay oha-pitenenana hoe « aleo misoroka toy izay mitsabo » dia tsara hatrany ny miala aminâireo fahazaran-dratsy tsara mahatonga ny tasy aminâny hodi-tava. Mba hisorohana ny fipoitranâny mony, ny panda na ny tai-parasy aminâny tarehy dia mila :
-Misotro rano tsara isanâandro ;
-Tsy miari-tory ;
-Miaro ny hodita aminâny hainâandro ;
-Tsy mifoka sigara ;
-Tsy misotro toaka be loatra ;
-Lanjalanjaina ny fihinanana sakafo matsiro sy be menaka ;
-Ahena ny fihinanana siramamy.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Antananarivo
101
