Meria Glam UP
🥰"L'art de glamour, rien que pour vous"🥰
😍Make up by Meria🪞
07/07/2025
Hello hello🥰
Tena zao vao nanana fotoana kely ndray ka araraotiko isaorana ireto namako sady vaovao no efa ela ireto😍🥰 Ouiii vaovao sy efa ela ozy ah fa na de vao indray aza no nahitako an'ito sipakely ito de ohtrany efa nifankalala efa ela reny zahay nihaona teto😍🥰 izay izy ihany mo no vaovao fa ny ambiny efa ela eh😅
Tsitako izay lazaina fa tena faly be zah nandray azy de isaorako azy manokana zay (izay mbola tsy amie ako ato izy mo de tsy afaka mentionner -na😅) fa mino ah fa itandry foana ito rehefa ato ndry de tena merci fa tiko tena tiko iny andro iray iny de encore félicitations nareo sy Toky Oh de tongava amin'ny ambony indrindra 🥰🎉 de merci beaucoup anao (Toky) fa enao no nampihaona anay teto de misaotra foana manohana fa tena namana tokoa enao🙏🥰
Farany ary tsy kely indrindra dia misaotra anao foana zandry lahy Noumenjanah'art Faliniaina (assistant keliko mafatra-po😅😍) fa tena mazoto manampy foana enao na makaiza na makaiza😅🤣😍🙏
18/06/2025
Tsara foana ny mailo ry namako isany🥰
Torohevitra 10 mahaela velona eto Madagasikara :
1. Aza miverina misotro vera efa nilaozan’ny maso,
2. Lavo am-panajana fotsiny izay aroson’ “olom-pantatra”,
3. Miaraha amina olona hatokisanao 100% raha tsy maintsy handeha fety,
4. Tsara ihany ny mampahafantatra ireo olona akaiky anao izay misy anao,
5. Hialao ny toerana maizina (tsy misy zavatra tsara atao anaty haizina izany any ivelany, hoy bebenay),
6. Raha manana tsindry mandry ianao hoe misy zavatra tsy milamina loatra amina toerana iray : mialà!
7. Aza mitaingina fiaran’olona zara-raha fantatra,
8. Hitsoahy ny olona miraikitra ohatran’ny salaka -b… alaviro raha ohatran’ny “tsara fanahy” loatra izy…
9. Tazomy hifoha tsara foana ny saina,
10. Raha mahita zavatra hafahafa : tonga dia manafara olona iray
Tsy voavidina alina iray ny fiainanao. Hendre tsara, mitandrema, dia zarao ity fa mety hanavotra olona.
Mankahery ireo manan-kavana matin’ny fanapoizinana farany teo 🙏🏽
11/06/2025
✅Aza miandry vonona vao anomboka.✅
Aoka tsy ho gadrain'ny eritreritra hoe: "tsy mbola vonona aho," "mbola tsy ampy fitaovana aho," na hoe "andraso aloha ho tonga ny fotoana mety." Raha miandry fotsiny isika, dia ho tafaverina amin’ny farany ambany, ho tara foana. Tsy vonona mihitsy ny fiainana. Tsy manome antoka izany ho an’izay miandry fotsiny. Fa izay sahy, na dia mbola tsy manana fahaizana feno aza, no manomboka sy mahazo fahaizana eny an-dalana. Ny tanjaka dia tsy avy amin’ny fahavononana fotsiny, fa avy amin’ny fahasahiana mandray andraikitra — eny fa na dia mbola miangoty aza isika. Tsy mahery isika satria efa mahay, fa mahay isika satria sahy nanomboka. Koa ankehitriny, izay nofy tianao tanterahana, izay drafitra efa ela notazomina tao am-ponao, aza avela hilona intsony. Atsangano! Aoka ho izao no fotoana.🥰💪
✅Tsy hoe rehefa vonona ianao vao manomboka — fa rehefa manomboka ianao vao ho vonona.✅
27/05/2025
Ry vehivavy malala, tadidio fa lehibe ny hery ao anatintsika. Tsy hoe ho an’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ihany isika, fa ho an’ny tenantsika koa. Aoka tsy hoferan’ny tahotra na ny fepetra napetraky ny fiarahamonina isika, fa mijoroa, miomàna, ary minoa fa afaka mamorona hoavy mamirapiratra isika. Ianaro izay tsy fantatrao, raiso amin’ny fo manontolo ny vintana rehetra ho fanatsarana ny fiainanao. Aza miandry fanekena avy amin’ny hafa vao maneho ny maha-izy anao—ianao dia ampy, mendrika ary manan-danja.
Rehefa manan-drafitra isika, mahatoky tena, miezaka sy mivavaka, tsy misy sakana tsy ho vitantsika. Raha sendra lavo, mitsangàna. Raha misalasala, tsarovy ny antony niandohanao. Ny fahombiazana dia tsy avy amin’ny vintana, fa avy amin’ny fahavononana tsy hiala amin’ny nofinofy. Ary indrindra indrindra, aza hadino: ny maha-vehivavy anao no hery lehibe indrindra anananao. Ampiasao izany hanova ny fiainanao, hanova izao tontolo izao.
14/05/2025
Hello hello 😍
Ireto daholo ndray ary ny asa vita tatoato eh😅😍
Aza adino fa mbola amin'ny vidiny mirary ny make up ato amin'i Meria Glam Up atreto an😍
À partir de 10 000 ar ny make up ary raha misy faux cils izy de manampy 5 000 ar fotsiny ianao🥰😍
License done🎓🥰
02/05/2025
Tena marina be❤️🥰
Zandriko ah ❗️ Namako ah ❗️
(vakio hatramin'ny farany)
Rehefa tsy misy mitehaka sy tsy misy mijery ianao, vao tena manomboka ny test de motivation anao.
Ireto misy torohevitra 10 hanampy anao hitana ny motivation anao.
1️⃣ MAMETRAHA TANJONA MAZAVA
Soraty ny tanjonao dia hiaino isanandro.
2️⃣ MANÀNA DISCIPLINE ISANANDRO
Tsy mila excuses, tsy misy hoe tsy mazoto anio. Ny zavatra ataonao isanandro no hanorina ny fahombiazanao.
3️⃣ALAIVO SARY ANTSAINA ISA-MARAINA NY FANDRESENAO.
Alohan'ny hanombohanao ny tontolo andronao, dia akimpio ny masonao ary alaivo sary antsaina sahady ny fahombiazanao. Programeo ny sainao hioty fandresena.
4️⃣ANKALAZAO NY FANDRESENA REHETRA NA NY KELY INDRINDRA AZA.
Ny mission rehetra vita, ny fandrosoana rehetra dia dingana mankany amin'ny fahombiazanao. Ankafizo sy hajao izy ireo.
5️⃣ HIALAO NY FIALAM-BOLY TSY MAMPITOMBO
Ahenao, na hialao izay mi-ralentir anao : ohatra fikirakirana tambajotra sosialy be loatra. Mifantoha amin'ny mission anao.
6️⃣HODIDINO HERY NY TENANAO
Mamakia, mihainoa, mijereva zavatra manandratra ny fanahinao.(araho ny pejy )
7️⃣TSAROVY NY ANTONY NANOMBOHANAO
Solika hanosika anao handroso hatrany io. Rehefa tonga ny havizanana dia tsarovy ny tanjonao.
8️⃣RAISO HO TOY NY KOTRANA NY FIAINANA
Kotrana ny fiainana. Mampahery, manamafy anao ny fijaliana sy sedra rehetra. Mivoatra isanandro ianao.
9️⃣TIAVO NY DÉFIS
Raha sarotra ilay ataonao, dia midika fa mandroso ianao izay.
🔟AZA MIANDRY ALALANA AVY AMIN'NY HAFA
Anao ny lalanao, anao ny fiainanao. Aza avela hisy hanapa-kevitra eo amin'ny toeranao.
VITANAO IO TIANAO ATAO IO.
ALEFA 👊🏽
Zarao ny publication fa mahasoa ny hafa. Tageo ny namanao mila mahita ny publication .
Abonnéo ny pejy.
26/04/2025
Hello hello🥰
✅Aleo ndray mba mifampizara kely ny mahasoa tsika eh✅
Mba fantatrao ve fa....
Rehefa tsy ampy torimaso matetika ianao dia toy izao no hiafaran'io Atidohanao io???
"Atrophie cerebrale"
Matetika mahazo ny olona efa nahazo taona izy io.
Rehefa manomboka manao toy io ny atidohanao dia izao no hitranga :
🔺 Manomboka miha sahirana ianao ianao rehefa hamindra
🔺 Manomboka mangovitra ny vatana
Tsy ho vitanao intsony ny hicontroler io vatanao io
Maladie de Parkinson
🔺 Manomboka verivery tadidy
Toy ny Alzheimer mihitsy ny fitrangany
Dia eto ilay hitadiavan'ny Fianakaviana mpiandry fa lazainy fa misy fanahy ratsy kanefa tsy izany mihitsy fa ny atidoha no simba
Averiko indray ity : Ny torimaso alohan'ny amin'ny 12 ora alina no tena ilain'ny atidoha. Ny aorian'izay efa fanampiny fotsiny
Raha amin'io fotoana io izany ianao no tsy matory dia fantaro fa manomboka mihasimba tsikelikely tsikelikey ny atidohanao.
"Aza atao hatsirambina ny fahasamana fa io no voalohan-karena"
---
Indrana
16/04/2025
Hello hello 🥰
Elaela tsy nitenitenenana teto ndray ohhh😍
Noho izao herin'andron'ny p***a zao ry zareo de ho asitsika promotion kely indray ann😍😅 tout à 20 000 ar na misy faux cils na tsisy ary afaka misafidy modèle izay tinao ianao nefa🥰 aza tara an😍 ho ita eo ra ho tohizana izy ao aorianany na tsia😍😅
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo
