RaSoa Cosmetics

RaSoa Cosmetics

Share

Production et vente de produits cosmรฉtiques

27/05/2026

'Ndao hankalaza ny ๐ŸŽ€ ๐…๐„๐“๐ˆ๐'๐๐˜ ๐‘๐„๐๐˜ ๐ŸŽ€ miaraka isika !

Fotoana izao hanolorany an'i Neny ireo vokatra izay tiany na notadiaviny efa ela ... Any e ?!

- ๐Ÿ๐ŸŽ% avokoa ireo GAMMES rehetra @ ๐—ญ๐—ข๐— ๐—” ๐Ÿฎ๐Ÿต ๐˜€๐˜† ๐—ฆ๐—”๐—•๐—ข๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐Ÿฏ๐Ÿฌ Mey izao, eny tompoko, - 10% !Na eny AMBATONAKANGA na ety AMBOHIDAHY Amparibe.

Araraoty aza satria hiakatra kely koa ny vidin'ny vokatra RaSoa Cosmetics @ iny volana Jona iny :) Ilazanay mialoha eto ihany.

Afaka mandray commande izahay manomboka Zoma raha toa ka tsy afaka mandalo ianareo an !

๐™ผ๐š’๐š›๐šŠ๐š›๐šข ๐™ต๐™ด๐šƒ๐™ธ๐™ฝ'๐™ฝ๐šˆ ๐š๐™ด๐™ฝ๐šˆ ๐™ต๐šŽ๐š—๐š˜ ๐š๐š’๐š๐šŠ๐š•๐š’๐šŠ๐š—๐šŠ ๐š‘๐š˜ ๐šŠ๐š—๐š๐šœ๐š’๐š”๐šŠ ๐š›๐šŽ๐š‘๐šŽ๐š๐š›๐šŠ ๐š’๐š—๐š๐š›๐šŠ๐šข ๐šŠ๐š›๐šข รด !

AMBATONAKANGA
AMBOHIDAHY AMPARIBE
034 03 887 28

22/05/2026

Hiresaka ny antony mahatonga ny Panda isika androany. Rehefa fantatra ny antony mahatonga azy dia mora kokoa ny misoroka azy :

1. Ny Masoandro : io no fahavalo voalohany. Rehefa tsy manao "รฉcran solaire" isika dia aleo misatroka na mielo ohatra. Rehefa mitanin'andro matetika mantsy ny hoditra dia lasa misy panda. Izay no antony hanaovan'ireo namantsika any amorontsiraka "Masonjoany" hiarovana tarehy.

2. Ny Fahanterana : rehefa manomboka 40 taona eo isika dia miditra @ atao hoe "peau mature". Miha sensible ny tarehy ary mora voan'ny panda.

3. Ny fiovaovan'ny "hormones" : rehefa bevohoka na koa miditra "mรฉnopause" ohatra ... dia miova ny tahan'ny hormones ao anatintsika. Izay no mahatonga ny olona mitondra vohoka misy an'ilay hoe "masque de grossesse".

4. Ny fampiasana produits tsy sahaza ny tarehy : maro ireo produits tsy azo antoka mitobaka eny an-tsena. Indraindray isika te hampiasa azy ireny satria hoe manadio tarehy :) Tena fadio tompoko ny mampiasa produits tsy azo antoka. Averinay ihany fa TSY AZO asiana produits mahery ny tarehintsika. Vetivety dia manadio izy ireny fa panda no setriny avy eo.

Noho ireo rehetra ireo dia ireto ny azontsika atao ho fiarovana
:
- Fampiasana "รฉcran solaire". Io tena OBLIGATOIRE. Eny @ Pharmacie irery ihany no mividy an'izay (izay ilay hoe produits azo antoka tsara).

- Fampiasana produits atokisana. Rehefa hividy produits dia jerena sy hadihadio tsara ny mpamokatra azy :)

- Fampiasana "anti-รขge" dieny tanora. Rehefa mbola tanora dia tsara raha mikolokolo sy mahavatra tsara manao "soins" mba ho voaaro @ panda 'ny tarehy.

Raha efa misy panda isika dia misy vahaolana afaka atoronay fa aza misalasala mifanoratra :)

20/05/2026

๐Œ๐€๐’๐๐”๐„ ๐‘๐ˆ๐‚๐‡๐„ : satria sady misy "huile de coco" no misy "beurre de cacao"ao anatiny ... Akora manome sakafo ny tahom-bolo ireo no mitsabo sy mikarakara azy tsy ho tapatapaka.

Noho izany dia natao ho an'ireo ๐ฏ๐จ๐ฅ๐จ ๐ฆ๐š๐ข๐ง๐š (mandray menaka tsara anefa) na koa ireo ๐ฏ๐จ๐ฅ๐จ ๐ฌ๐ข๐ฆ๐›๐š (tapatapaka) ity Masque iray ity. Afaka mampiasa tsara an'ity ihany koa ireo volo manana ๐ฏ๐จ๐ฅ๐จ ๐ฆ๐ข๐ฅ๐จ๐ค๐จ mba hikarakarana azy tsy ho simba.

Ao anaty ๐™‚๐˜ผ๐™ˆ๐™ˆ๐™€ ๐˜พ๐™Š๐˜พ๐™Š ๐˜พ๐™ƒ๐™Š๐˜พ๐™Š ๐™‰๐™ช๐™ฉ๐™ง๐™ž๐™ฉ๐™ž๐™ค๐™ฃ moa izy ity ka ireto avy ireo vokatra miaraka ao anaty Gamme :
- Shampooing Soin
- Aprรจs shampooing Douceur
- Baume nourrissant
- Masque Riche

3 izany ny karazana MASQUES ato aminay, samy manana ny sahaza azy avy ny volontsika :) Aza misalasala manontany raha mila fanampiana raha te hifidy iray @ ireo.

Ambatonakanga
Ambohidahy
Pharmacie Amboara Anosiala
Pharmacie Rakotoarivony Analakely
Pharmacie Hasin'ny Aina Mandroseza
Pharmacie Ho anao Ambohimangakely
Iendriko Dyve Garden - Centre commercial
Cosmetikoo Alasora
Natur'Aid Iavoloha
Bella Bella Ankorahotra
Bella Bella Tsimbazaza

19/05/2026

Matetika izahay miresaka hoe "ANTI-ร‚GE" dia misy amintsika miteny hoe Anti-rides no ilaiko :)

Fantatrareo vรฉ ny mahasamy hafa ny "produits Anti-รขge" sy ny "produits Anti-rides" ?
- Ny produits Anti-rides : dia manatsara tsikelikely ireo rides/ridules. Zany hoe : raha efa misy rides ianao dia mihamakefaka izany. Raha toa kosa mbola ridules (ketrona vao miforona) dia mety ho afaka miandalana.

- Ny produits Anti-รขge : kosa dia manatsara ny "signes de vieillesse" rehetra misy eo @ tarehy. Ao anatin'izany ny rides (ketrona), tarehy miroraka, taches isankarazany nohon'ny fahanteran'ny hoditra ...

Azonareo @ izay vรฉ ? :)
Ny produits RaSoa Cosmetics : Gamme Marula sy Gamme Moringa, dia samy "Anti-รขge". Na efa misy ketrona ianao na manomboka miroraka ny hoditra na misy taches de vieillesse ... dia efa miaraka karakarain' ireo produits daholo ireo.

Tsy hoe manomboka misy an'ireo fambara ireo vao hanao Anti-รขge anefa fa dieny mbola tanora dia tsara mikarakara tarehy. Ela kokoa vao mihaantitra ny hoditra ;)

Mirary soa ho antsika rehetra indray aza e ! Zahay ao @ MP ao foana raha misy fanontaniana.

13/05/2026

Raha DYVE GARDEN Anosivavaka no akaiky antsika na mahavantana dia fantaro fa misy produits RaSoa Cosmetics ao @ IENDRIKO ! Misy vokatra sy taozavatra Vita Malagasy maro bรฉ ihany koa eny afaka jifaina tsara ...

11/05/2026

Ho antsika manana ๐‚๐‡๐„๐•๐„๐”๐— ๐๐Ž๐‘๐Œ๐€๐”๐— na koa ๐“๐„ ๐‡๐€๐๐€๐‹๐€๐•๐€ ๐•๐Ž๐‹๐Ž sy mila ๐‡๐˜๐ƒ๐‘๐€๐“๐€๐“๐ˆ๐Ž๐ ity ๐Œ๐€๐’๐๐”๐„ ity ๐ŸŒธ

Huiles de Ricin (kinana) sy Jojoba no miasa ao anatiny. Efa fantatsika tsara ny asan'ireo menaka 2 ireo. Tsy madity na mavesatra ity Masque ity fa malefaka tsara. Mahamandina sy manatsara volo, izay no maha "๐—˜๐— ๐—•๐—˜๐—Ÿ๐—Ÿ๐—œ๐—ฆ๐—ฆ๐—˜๐—จ๐—ฅ" azy

'Ndao handramana !

08/05/2026

Aza adino manosotra kely ๐‚๐‘๐„๐Œ๐„ ๐ƒ๐” ๐‰๐Ž๐”๐‘ foana rehefa avy manadio tarehy maraina. Iny no miaro sy manome sakafo ny tarehintsika mandritry ny tontolo andro.

2 karazana ny CREME DU JOUR azo isafidianana ato @ RaSoa Cosmetics :
- ๐—–๐—ฟรจ๐—บ๐—ฒ ๐—ต๐˜†๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒ ๐—ฎ๐˜‚ ๐— ๐—ฎ๐—ฟ๐˜‚๐—น๐—ฎ : raha latsaky ny 40 taona ianao na koa maimaina ny tarehy (peau sรจche ou sensible). Mety ihany koa anefa izy io na misy "imperfections" aza ny tarehy satria maivana tsara.
- ๐—–๐—ฟรจ๐—บ๐—ฒ ๐—จ๐—ป๐—ถ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒ ๐—ฎ๐˜‚ ๐— ๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ด๐—ฎ : kosa no ampiasaina raha somary misy taches (panda ohatra) na efa misy ketrona. Natao ho an'ireo efa 40 taona taona mihoatra izy io noho izany.

Aza misalasala manoratra MP raha mila fanazavana fanampiny รด !

Mirary tontolo andro mahafinaritra ary e !

06/05/2026

Sao adinontsika mponina eny ANOSIALA Ambohidratrimo fa misy produits RaSoa Cosmetics eny @ Pharmacie Amboara tompoko !

Afaka tonga dia manjifa mivantana isika รด

04/05/2026

Voaresantsika tatoato ny ๐Œ๐€๐’๐๐”๐„ ๐•๐ˆ๐’๐€๐†๐„ dia adinodino ny ๐†๐Ž๐Œ๐Œ๐€๐†๐„.

Tsara anefa ny mampahafantatra fa ๐™ข๐™ž๐™–๐™จ๐™– ๐™ ๐™ค๐™ ๐™ค๐™– ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ˆ๐˜ผ๐™Ž๐™Œ๐™๐™€ ๐™ง๐™–๐™๐™– ๐™ข๐™–๐™ฃ๐™–๐™ค ๐™‚๐™Š๐™ˆ๐™ˆ๐˜ผ๐™‚๐™€ ๐™–๐™ก๐™ค๐™๐™–. Ny Gommage mantsy no manala ireo loto miandrona eo @ hoditra sy manadio masonkoditra. Ohatran'ny hoe mila fafana aloha ny trano vao manisy savoka ;) Rehefa madio ny masonkoditra (pores) dia miditra sy miasa tsara any anatiny any ny Masque. Mahazo vokatra tsara kokoa isika ... sady malama tsara ery ny tarehy.

Misy karazany 2 ny GOMMAGES RaSoa Cosmetics :
- ๐™‚๐™ค๐™ข๐™ข๐™–๐™œ๐™š ๐™‡๐™„๐™Ž๐™Ž๐˜ผ๐™‰๐™ : natao ho an'ireo tarehy mitera-menaka sy misy mony na taches mony
- ๐™‚๐™ค๐™ข๐™ข๐™–๐™œ๐™š ๐™€๐˜พ๐™‡๐˜ผ๐™ : natao ho an'ireo tarehy maina na miofaka, misy taches panda

๐ˆ๐ง๐๐ซ๐š๐ฒ ๐ฆ๐š๐ง๐๐ž๐ก๐š ๐ข๐ฌ๐š๐ง๐ค๐ž๐ซ๐ข๐ง๐š๐ง๐๐ซ๐จ ihany isika no manao Gommage any an-trano !

๐ŸŒž Mazotoa daholo indray aza hiatrika herinandro vaovao ๐ŸŒž

01/05/2026

Misokatra izahay androany an ! Na hividy produits ianareo na hikarakarana tarehy, vatana, volo ...

๐ŸŒธ Bonne journรฉe ๐ŸŒธ

30/04/2026

'Ndao hikarakara tarehy @ MASQUE CHOCOLAT @ izao week-end lava be izao e ! Hitanareo eo fa hihamandina ny tarehy no sady malama ๐Ÿ™‚

Ireto avy ny asan'ny MASQUE CHOCOLAT :
- Mahamandina ny hoditra maina ary manatsara ny hoditra simba.
- Manampy manala ireo tasy eo amin'ny hoditra.
- Manala tsikelikely ny ketrona (raha efa misy ny tarehy).
- Miaro ny hoditra mba tsy hisy ketrona aloha loatra.
- Manampy ny hoditra main'ny masoandro.
- Manampy manala rari-tsaina na stress ny fofona chocolat.

Azo ampiasain'ny karazana hoditra rehetra, na tarehy na vatana.

Marihina fa tsy azo hoanina tompoko na manitra be aza ๐Ÿ™‚

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address


Ambatonakanga
Antananarivo
101