Altamirah La vezou

Altamirah La vezou

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Altamirah La vezou, Health/Beauty, Antananarivo.

Photos from Altamirah La vezou's post 31/05/2026

❌ALERTe ❌

Zaza iray varira no nisy namono tany a Toliara noesoriny ny lohany😭

Manao antso avo aminareo manamoahefana sy ireo tomoponan-draikitra tsirairay 😪😪

👉 👉 Enganie ka ho tratra ireo nahavanon-doza ary tsy misy hoe migadra fa avy dia tapahina koa ny lohan'izy ireo izay no fangatahako fa efa leo le gadra mivoka lava ny tenako.

Amin'ny maha reny ahy dia maharary ary tsy zaka ny mahita zavatra toy izao😭😭😭

Izay manana vaovao misimisy kokoa dia afaka mandefa hafatra miafina amiko🙏

31/05/2026

Hatrami'ny fahatanorako na koa hoe fialantsakana aho dia miteny sy manintsy ireo rehetra miteny ahy hoe :

👉 Aza minamana aminy kia fa zaza ratsy taiza sy maditra be iny makorely kely😏

Tena valiako tsara mihintsy hoe fiainany izany ary tsy manana zo hitsara ny fiainany aho .

Satria bebenay niteny anay mirahavavy hoe raha hanova sy hitondra soa amin'ny olona iray izay mifandray aminao ianao dia mety
fa raha toaka hanimba fa tsy hanarina azy amin'ny tsara no tsy mety.

Aoka hahita vokantsoa ny finamananao amin'ny olona iray
Tsy anjarana ny mitsara azy satria tsy fantatrao izay antony👌

👉👉Tsy voatery hoe raha mifandray aminy aho dia hanao toy ny ataony zay mety aminao no atao fa tsy hoe izay ataon'ny manodidina anao

Na sahirana sy mavomavo koa izy dia anjaranao ny manome hevitra na asa ho azy hiavotany raha mety aminy.

Rehefa manampy ny hafa koa anefa dia tsy azo atao le miwerawera hoy isika aoka ianao sy izy ihany no mahafantatra izany🙏

Nanampy ianao anio fa rahampintso mety mbola tsara lavitra ny vitanao omaly no ho tonga aminao

Tsy tonga lafatra aho mizara sy miteny eto fa olona tsotra ihany izay nandalo sedra sy fitsapana maro izay tsy takatr'ny saina 🙏

Naka sary aloha no nahamaika ilay panome Fiara teto anio❤❤
Mankasitraka anao soa fa nisy anao❤😍

31/05/2026

🚫☝️AZA MANGATAKA ho tiavina ZANY kia
Ngah izy ty otran'lay mpangataka reny ka italahoana ...TSAPANAO VE HOE TIA IZY SA TSIA!?

❤️Ny olona tena tia anao tsy hamela anao hiezaka mafy hitady azy zany fa AVY Dia manome toerana anao ..

🚫.MIALA AMIN'LAY TENY HOE "IZAHO,AHY ITY,ZAVATRO INY,NY AHY ALOHA SNS.....FA MANOMBOKA MAMPIASA NY VOAMBOLANA HOE " ISIKA,ANTSIKA,MIARAKA......

❤️Mandefa msg 😄. Mitady anao izy.✅ Manontany vaovao momba anao izy.Mahita fomba foana izy hampahatsiahivana anao fa ao ampony anie enao e,🥰

♥️Tsy andanina vola sy fotoana be ABY manoratra hoe je t'aime , ça va,aiza ianao,tu me manques,bisous.etc....

❤️Satria rehefa tena tia dia tsy misy excuse zany!! 2 segondra anie manoratra e!!!!!

🙈Fa mila manome ... Misy fiezahana. Misy fanatrehana ...Misy retraretra ..rehefa tsy zay dia aza MIADY HEVITRA kia!!❤️

🙈Rehefa tsy misy amin'ireo dia makà aina aloha dia ndao hijery TITANIC na MANAO SHOPPING NA andeha vacance SA INONA TINAO MALALA😚😚😚😚😄...

Code femme : Esprit et Esthétique au féminin

31/05/2026

Mirary fety sambatra hoantsika Reny rehetra❤❤❤
Enganie ka hatafita ireo zanantsika ireo isika eny fa na dia misy ny fotoana mafy lalovantsika

Mafy sy mahery izany Reny izany tsy natao ny hitondra 9volana ihana na koa vita eo ampiterahana ny adidy fa na 50taona aza ny zanantsika dia tsy miova ny atao hoe zanaka💪

Ry maman ohhh Zanahary faha-roa isika eto antany koa aza kivy ary meteza ho fitaratra hatrany zarao ireo soa avy aminao ireo taranakao👌🙏

Ho Tahina ianao amin'izay atao rehetra ary ho ambinina sy ho tanteraka anie ny fikasanao 😘😘😘
Maman mahery fo sy mendrika ny ho deraina ianao satdia tsy vitan'ny nanome aina vaovao fa mbola teo ihany koa tsy niala na mangidy io na mamy
👉MIrary soa hoan'ny Reny rehetra🙏

30/05/2026

Tena mialan-tsiny aho fa tsy hoe za sarindahy na koa miavona!!!

Mifandray amin 'ny vehivavy fehetra toa ahy aho fa kousa tsy any aho no mintaraina na koa hitomany refa sendra voa iny non❌

Aleoko mitomany sy mitaraina aminireo be sandry sy be tratra avy dia lecon en action no azo fa tsy misy hoe hanome tsiny sy manakivy

Na anivon'ny fianakavina zany na anivon'ny fiaraha-monina dia lelahy no akekeziko kokoa na resaka namana aza io 😤


Ny antony dia tsotra:

👉tsy hifosa ahy mihintsy ireo lelahy ireo,ary mazava hoazy manoro ahy ny atao hoe fitiavana sy tena fiainana

👉tsy hikitikitika ny kojakojako ao atrano ihany koa satria hajejona no mameno ao😁

👉tsy hindrana ny akanjo ,kiraroko sy sac ary ranomanitra sy lokomena🤗

👉raha sendra lavo na koa voadona aho dia mahazo anatra mafonja hapitraka ahy

Tena efa tsy fantan'ny manodidina mihintsy aza hoe iza no sipako tamin'izy ireo 😂😂😂

Efa nisy nilaza mihintsy ary hoe fa izaho dia fitafy vavy fa ny saina ny sy any anatiko dia lahy ary misipa vehivavy😁🙆
(Maty aho aba 😂)

Grave be nefa raha mba hainireo
Fa nohon'ireo namako lehilahy sy ireo cousin ko ary tonton ko ireo no naha mafy ahy sy naha toy izao ahy anio

Merci anareo ireo fa nahavita saribakoly sy popety mafy saina sy matanjaka fo tsara ianareo ankehitriny💪👊

Tsy manaiky ny ho resy satria nateraka ny ho mpandresy😎👑

Tsy hoe ankory betsaka ireo lehilahy mifandray sy namanao dia jiolahim-bavy ianao ilay soa sy vokatra tsara mampahomby no jereo fa tsy ny lafiny ratsy👌

Tsy ny lehilahy rehetra dia ho ratsy sy ho resaka fitom-benana avokoa fa tena misy milamina sy cool reo aaa mahaiza manaja tena dia tsy ho sahinireo atao inona ianao fa lasa vonikazo amin'ny finamanana .

Mety diso safidy fotsiny ianao ka mila mahay misafidy ny tena tokony ho namanao

👉le fomba fisainana koa ovaina fa ny vavan'olona io miteny fona na efa maty aza ianao mbola ahitana resaka
👉matetika manko ny antsika eto d**o ihany no mahita ho lazaina rehefa vavy sy lahy minamana na koa miaradia sy mifandray dia efa mamorina ny tsy misy sy ny tsy hita no maha maika voalohany avy eo dia mitsara haingana be ary avy dia any amin'ny vetaveta ny saina mandeha 30%ihany no madio fisainana raha vao io no hitan'ny maso👀

Refa mafy loha sy direct ary madio ampo ianao dia tadidio fa izy ireo indray no matahotra anao ary tsy hisy sahy hikoty anao izany satria efa fantany ny vava hahazo🙆😂

30/05/2026

Mafy ki nareo ahhh😛😆🤣

Mba nakaty ambanivohitra hoe haka aina kely fa ehhh vao maraina 5maraina defa misy tonga hoa raha a tonga soa Kkkk

Fa nga kia dia tena tsy nampatory anareo aty mihintsy ny fahatongavako ?

Efa manao maso be sy molotra mivilana aho fa mbola tonga ihany tsy mety vita 🫠

Mlay nareo ehhhh tsara raha tsy miova ilay fitiavana fa kousa Amin’ ny manaraka mba ataovy 9h lera b ny cafe fa maty aho 👉🏻🤯 efa reraka nitondra fiara mbola taitra 5h🫶🏻😋😬😇

Hihinana ihany aloha cafe sy m**o gasy moa fa zay no tena tanjoko nakaty ho leo 🤣

Tena hoe voky sady afapo fa izao sisa no nanazo ahy ,ny volo mikorontana maso be mivandravandra molotra reraka mamaly le arahaba Tongasoa tsy mety vita

Na ilay atao hoe hamanjana ho jerenareo fa tonga aho tsy vita intsony 😂🙆

Kkkk mirary soa antsika rehetra

29/05/2026

💗Salama takariva isika ato😍

Aleo averiko indray hoe ito pages tsika ito dia natao hifapizarana izay rehetra mahasoa .

Mp= ato resaka fapan-drosoana sy fitsin-jovana ny hafa

👉ARY TSY mbola nanao publication tamin'ny teny vahiny tato aho fa mbola tamin'ny teny Malagasy ofisialy avokoa tokony mazava be

Tsy mbola nisy niteny sy nanao pub tato hoe mp izay rehetra mitady vady😤 na koa mp fa handefasako sariko

Aoka tompoko mba hahay hifananja au moins rehefa tsy hainao ny manaja ny tenanao dia mba ajao ny hafa 👉

Tsy mamaly mp coucou ca va sy ny hoe aiza njo mipetraka aho

👉Tsy lehilahy ankory no tsy hita fa vao mivoka ny vavahady dia efa efa mameno tamboho
Efa mankaleo koa aza ka mahaiza miaina

Resaka tady vola resahana refa tsy manana ny ampy hizara hatsaran-toetra na koa hanampy ireo olona lazaiko eto matetika ianao ,hanasoa ny hafa toy ny :
Zaza kamboty,mahantra,be antitra ary koa ireo manana fahasembanana

Refa tsy tafiditra anatinio iana izay misy arentitsaina hikoty sy mitady sary dia miala tato aza manaraka

Lasa mifanome lagy ato tsika satria tezitra ianao rehefa valiako directe be
Averiko indray fifanapiana ny tena mila fanampiana ato fa tsy misary adala sy misary gagy👌

Raha hadalana sy fialan-tsakana dia efa samy teo no niala

Misaora Zanahary fa izaho tsy tia mandefa capture eto ho hitan'ny be sy ny maro ny antony dia tsotra tsy tiako ho feno hadalan'ny hafa ny ato amin'ny pages ko merci 🙏

29/05/2026

Tadidio tsara ity :
"Ny partenaire anao" izay fidinao dia mety hanangana ny fiainanao… na handrava azy tanteraka.

Maro ny olona no mifidy amin’ny fo fotsiny, nefa ny fiainana tsy tantaram-pitiavana ihany.
Rehefa mandeha ny fotoana dia tsy ny “tiako izy” intsony no mahavonjy relation iray, fa ny fomba fisainan’ilay olona, ny discipline-ny, ny toetrany, ny fanajany anao ary ny fomba entiny miatrika ny fiainana.

Koa raha mbola eo am-pifidianana ianao dia :

1️⃣Aza ny tarehy no jerena voalohany, fa ny toetra sy ny fomba fisainany.
Ny hatsarana miova.
Ny bika miha-antitra.
Fa ny toetra tsara kosa no mahatonga fiadanana maharitra.

2️⃣Fidio ilay olona mampitony anao fa tsy mampikorontana ny sainao isan’andro.
Ny tena fitiavana tsy mampihena ny herinao, fa mampatanjaka anao.

3️⃣Jereo ny fomba itondrany olona.
Olona tsy manaja olona anio, mety tsy hanaja anao rahampitso.

4️⃣Aza mifidy olona tia rendrarendra nefa tsy tia miezaka.
Sarotra ny manorina fiainana miaraka amin’olona tsy manana finiavana hiakatra level amin'ny fiainana.

5️⃣Fidio ilay olona afaka miara-mitombo aminao.
Tsy olona hisintona anao hidina rehefa manomboka hiova sy handroso ianao.

6️⃣Aza matahotra ny mijanona irery toy izay miaina miaraka amin’olona ratsy fitondran-tena.

7️⃣Mianara mihaino ny sainao rehefa misy “signal” hafahafa hitanao.
Indraindray ny fo tia… fa ny saina efa mahita loza mialoha.

Ny olona hiarahanao isan’andro dia misy fiantraikany amin’ny :
* fahasalamanao
* fahatokisanao tena
* volanao
* nofinao
* ary ny ho avinao manontolo.

“Ny safidy iray mety hanova ny fiainanao manontolo dia ny olona avelanao hanakaiky ny fonao.”

Koa aza maika.
Aza manaiky relation noho ny fanerena.
Aza mifidy olona satria matahotra ho irery.

Fidio ilay olona :
✔️manome fiadanana
✔️manaja anao
✔️manohana ny nofinao
✔️ary tsy mampiady anao amin’ny tenanao.

Misy olona mila mamaky izao hafatra izao ve amin’izao fotoana izao ?

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 20:30
Tuesday 09:00 - 20:30
Wednesday 09:00 - 20:29
Thursday 09:00 - 20:30
Friday 09:00 - 20:30
Saturday 09:00 - 20:30