DADY GARA Manoahasina
Mpitsabo nentim-paharazana, Mpamaha olana, Mpamerin-kasina,
" NY FAMERENAN-KASINA NO LALANA MAKANY AMINY FANASITRANAM-PIRENENA"
08/08/2025
Mbola tsara e!
Ialana tsiny indrindra ho anareo zanakasina raha tsy nahazo antso an'i dady Gara Manoahasina fa tany aminy toerana tsy misy réseau , nohon'ny fanatontosana fombafomban 'ireo Zanahary masina , Afaka manantona mivantana aty valameny dady Gara ianareo fa manomboka mandray olona androany 🙏
01/08/2025
Mbola tsara !
Mametraka ny fialantsiny dady Gara fa soamary ela ela vao voarainareo ny valiny fizahana satria maro tena maro ny fizahana sy fikarakarana a distance fa ho valiana daholo ianareo a! Ary ireo efa voarainy dady ny fikarakarana dia matoky ! Aza mataotra fa tsy hadino dady akory fa misesy ✨!
Misaotra aminy faharetana tompoko !
Mandrosoa hasina tompoko 🙏🙏🙏🙏
27/07/2025
🔮🔐 ANDRO MANAMBINA 🔐🔮
Misy planeta sy hery mitondra ny andro tsirairay izay miantraika amin’ny fiainantsika sy ny zavatra ataontsika.
➡ Raha misy zavatra tianao hatao dia tsara mijery ny andro, mba hahazoana vokatra tsara sy hahomby amin’izany.
🪐 Ireto avy ny andro sy ny planeta mitondra azy, ary ny zavatra tsara hatao isaky ny andro:
☀️ ALAHADY ➡ MASOANDRO
🔸 Asa ara-panjakana (toy ny fanamboarana taratasy)
🔸 Raraham-pitsarana
🔸 Fahombiazana amin'ny asa sy promotion
🔸 Presentation sy fitenenana imasom-bahoaka
🔸 Fampiakarana voninahitra
🔸 Fanatsarana ny fahasalamana
🌙 ALATSINAINY ➡ VOLANA
🔸 Manandratra imagination sy intuition
🔸 Asa ao an-tokantrano
🔸 Fanombohana sy fanatanterahana fiovana
🔸 Fanaovana dia lavitra
🔥 TALATA ➡ MARS
🔸 Fikarakarana momba ny tany (fambolena, famaritana tany...)
🔸 Asa mafy sy ilàna hery
🔸 Asa mitaky herim-po sy fahasahiana
⚠️ Tandremo ny fahatezerana sy ny stress: mety hanimba fifandraisana, indrindra amin’ny tokatrano sy fitiavana
⚠️ Fotoana mampirongatra ny EGO
💬 ALAROBIA ➡ MERCURE
🔸 Varotra
🔸 Fianarana sy raharaha ara-tsaina
🔸 Asa rehetra mifandray amin’ny fifandraisana
🔸 Sonia contrat sy taratasy ofisialy
📈 ALAKAMISY ➡ JUPITER
🔸 Fanombohana zava-dehibe efa nomanina
🔸 Fotoana tsara indrindra hanombohana tetikasa lehibe
🔸 Fanaovana bizna sy ezaka ara-bola
💖 ZOMA ➡ VENUS
🔸 Fitiavana: fitadiavana na fihaonana amin’ny olon-tiana
🔸 Firesahana sy fifanazavana
🔸 Réconciliation
🔸 Fampiasana vola amin’ny fomba hendry
🔸 Famerenana sy fanitsiana asa mbola tsy voafehy
🔸 Asa am-pilaminana
🔧 ASABOTSY ➡ SATURNE
🔸 Fialana amin’ny fahazarana ratsy
🔸 Fandaminana sy fandraisana andraikitra
🔸 Asa rehetra mifandray amin’ny vy (fiara, moto, fitaovana...)
✨ Andro tsirairay dia mitondra hafatra sy heriny! Mianara manararaotra izany hahatonga ny fiainana ho tsaratsara kokoa !
Soava tsara antsika jiaby ✨ 👍 👍 👍
18/07/2025
🌪️ VADY MADITRA? NISITAKA?
💔 Tsy hainao intsony izay atao? kivy ,Malahelo, very hevitra, mangirifiry sy marary fo ?
Betsaka aminareo no mitaraina amin'i DADY GARA MANOAHASINA hoe:
"Dady ô, kivy aho fa ilay vadiko ( olon-tiana) tena maditra, mamo lava, mamono, manitsakitsaka, manambany ,amin'io koa mbola tsy manome vola.....!
Tsy niady izahay tsy nifanditra nefa lasa izy tsy hita intsony.... , Nefa izy anie dady mbola tiako e! Inona no ataoko Dady a?"
🧠 Ny saina te hanadino sy hamadika pejy vaovao fa ny fonanao mbola mitempo aminy
😢 Hifoha ve ianao amin’izao alahelo izao ka hikarakara sy hamerina toy ny teo aloha ny fifankatiavanareo roa, sa hilona anaty ranomaso hanakotsa ny ondanao mandrakizay?
🌈 Dady Gara Manoahasina no vahaolana:
📿 Mpitsabo nentim-paharazana mahay manangana ny tokatrano rava, mampiverina ny olon-tianao eny an-tanany hafa , mandamina ny korontana !
🔥 Ho an'ireo manana olana ara-piainana:
❌ Tsy mety mahita asa ( vola)?
❌ Efa miezaka mafy aminy fiainana nefa tsy mandroso , ny eo ihany no eo ?
❌ Izay rehetra atao mandamoka ?
❌ Trosa mivangogo ? Faty antoka ?
❌ tsy mety mahazo zaza ?
❌ Trano tsy mety vita? Fiara, tany... tsy mety lafo?
❌ Aretina tsy ahitana fanafana?
💥 Dady Gara Manoahasina no vahaolana ho anao e! Manao fikarakarana lalina amin’ny fomba nentim-paharazana mahomby hatraminy 🔮✨
💎 HO ANAREO MILA :
🔮 Vakana fiarovana amin’ny mosavy sy ny Sopatr'olona, loza rehetra
💥Bracelet sy collier misarika vola sy harena
✨ Ranomanitra manintona vola sy porte chance
🔥 Ody manala blocage, fandraraka, fanarona,....sns
📍 Toerana: Antananarivo Avaratr'Ankatso – Terminus Bus 182
📲 Serasera & WhatsApp:
📞 038 501 5694
📞 033 846 4398
📞 037 504 1494
🌟 Dady Gara Manoahasina – hiombom-po sy andray an-tanana ny fanaremana ny fiainanao !
➡️ Etsy ianao ho babeko fa ho ampitaiko ianao !
Samby tsara e!
18/07/2025
🌟 NY HERY MIAFIN’NY VOLA 🌟
Fantatrao ve fa manana hery miafina sy matanjaka be ny vola ampiasaintsika isan’andro io ? 💸 Tsy ravin-taratasy fotsiny iny fa misy hery lehibe sy matanjaka, izay no mahatonga azy afaka hahazonao izay irinao: harena, fiadanana, fahombiazana 💰✨
Fa nahoana ianao no miasa andro aman'alina nefa toa tsy tafita ara-bola? 🤔
Nefa ny sasany toa mahazo vola mora foana fotsiny e? 🤑
👉 Satria MAHALALA NY LALÀNA MIFEHY NY VOLA SY MANANA HERIM-PANINTONA VOLA izy ireo!
💥 Raha TE HANANA IO HERY MISINTONA VOLA IO ianao...
Dia indro fa misy fitaovana masina sy sarobidy ho anao:
🔮 Collier & Bracelet manintona vola sy harena vita avy aminy hazomasina sy vakana masina
💧 Ranomanitra manintona vola sy porte chance
📿 Moara fandroritam-bola sy harena
🛡️ Vakana Fiarovana amin’ny mosavy, Sopatr'olona, ary ny loza rehetra
🔥 Bemanaiky💫 – Manala blocage & sakana ara-bola, ara-pitiavana
✅ Mety ho an'ny rehetra: mpivarotra 🛍️, mpiasan'ny birao 👩💻, mpanakanto 🎤, sns
🚚 Livraison manerana an’i Madagasikara
📍 Afaka manatona mivantana koa: Valameny Dady – Gara Manoahasina
🎁 Bonus: Ny 30 voalohany maka dia mahazo ody fanalana sakana (déblocage) MAIMAIMPOANA!
👁️ Alohan’ny handraisanao azy, jerena maimaim-poana ny vintanao hahitana izay hazomasina sy vakana masina mifanaraka amin'ny tonombitanao !
👉 Raha ela nitady vola sy fahombiazana ianao, izao no fotoana – efa mandondòna eo am-baravaranao izy! 🚪💰
Asakasakao raha hanosim-bohon-tanana azy ianao fa ny valala tsy indroa mandry ambavahady ! Voafetra ihany no afaka hanamboarana azy satria tery ny fotoana hanany dady Gara nohon'ny adidy aminy mpiarabelona !
📲 Serasera:
📞 038 501 5694 | 033 846 4398| 0375041494
📱 WhatsApp: 038 501 5694
📍 Tana Avaratr’Ankatso – Terminus bus 182
✨ Samby tsara e! ✨
ara-bola
26/06/2025
💸✨ VOLA 💸✨
Tianao ve ny hanam-bola ? Fantatrao ve ny vola ? Ary inona no tokony hatao raha te hanam-bola ?
🔍 Fanontaniana manitikitika ny saina...
Ndeha hozaraiko aminareo mpanaraka ny pejy DADY GARA ny hery miafina hanan'ny vola sy ny tsiambaratelony!
💰 INONA MOA NY VOLA?
Ny vola dia tsy iny raviny kirakiraina hividianana zavatra izay ilaintsika iny fa énergie. Symbole fotsiny iny ravina iny .Tsy harena ihany koa izy fa fitaovana entina manatratra tanjona.
➡️ Ny vola dia énergie matanjaka mivezivezy mitety izao tontolo izao. Raha te hanam-bola izany ianao dia mila manana énergie matanjaka misintona azy . Ny vola tsy tadiavina fa sitomina, tsy tia mipetra-potsiny sy tehirizina fa mila mivezivezy, miasa, mitombo!
😈 "Ny vola ve devoly? Lolo"
Tsy devoly akory ny vola fa nohony tsy fahafatarana ny lalana mifehy azy no mahatonga ny olona sasany milaza fa fototriny ratsy rehetra ny vola. Tsy natao ho tompoina izy fa natao ho ampiasaina amin’ny tanjona . Mila hajaina sy omena hasiny. hampitomboina haka namana.
🔥 RAHA MANANA OLANA IANAO...
DADY GARA MANOAHASINA dia vonona hanome vahaolana sy hikarakara manokana anao amin’ny fitsabona nentim-paharazana:
👫 Olana ara-tokatrano( fitiavana)
Tsy misy mpitia,tsy mahatana olon-tiana, vady nisitaka, vady maditra sy manitsakitsaka...
💼 Olana ara-pihariana( harena)
Varotra tsy mandeha, very vola na voasoloky matetika, tsy mety mahita asa, tsy mahangom-bola, bokatrosa, tsy mety misondrotra aminy asa,
🧬 Aretina
Tsy sitrana na dia efa nitety mpitsabo maro , aretina mitaiza, aretina tsy hita soritra, ....
🧿 Sopatrolona
Fanarona, tsatoka, fandraraka, sasapoana.....
⚖️ Fitsarana, hiasa any ivelany, hanambady vazaha....
💫 Ho anareo mila :
✓Moara fandroritam-barotra
✓Vakana fandroritana vola sy harena ary mampisy
✓Fiarovan-tena aminy mosavy sy sopatrolona, loza rehetra
✓Bemaiky
Dia midira ihany koa aminy hafatra miafina mp fa hanome fahafaham-po ho anareo DADY GARA MANOAHASINA.
Samby tsara antsika jiaby 👍 !
22/06/2025
🌀 TROMBA (Tohiny – Fizarana 2)
Araka ny efa nolazaiko tamin’ny publication teo aloha, dia fanahy ny TROMBA — fanahin’olona efa nodimandry, nifindra monde hafa (monde de mouvement), nefa midina mihindrana vatana amin’olona mba hanampy sy hitari-dalana ny velona. 👣
🛑 Tsy mitovy anefa ny TROMBA rehetra fa misy karazany samihafa arakaraka ny toetrany sy fiaviany:
👑 1. TROMBA RAZANA FANJAKANA
“Fanahin’ny mpanjaka”
Mpanelanelana ny maty sy ny velona izy ireo(l'espit de la royauté mort).
📌 Ohatra: Ndramboeniarivo, Ndramandisoarivo, Ndramahatindriarivo, Andrianampoinimerina, Ranavalona, sns.
🌊 2. TROMBA AN-DRANO
Fanahin’ny taranaka andriana maty anaty rano nandositra fanandevozana, nonina anaty rano ary mipetraka amin’olombelona.
🔹 “Zafin’i Fotsy” avy amin’ny Antakarana: Ndrandahy, Kotomena, Kotoandriagna, Kotofanjava...
🪦 3. TROMBA RAZANA
Fanahin’olona tsotra
Tsy andriana fa olona tsotra efa maty no mipetraka amin’olombelona.
🧓 Ohatra: Baban’i Dorette avy any Anjiamangirana (Sofia).
🐾 4. TROMBA TSIGNY
Fanahy avy amin’ny zavaboary (rano, ala, lava-bato) ireto fanahy ireto no antsoina ihany koa hoe ( âme groupes)
Tsy avy amin’ny andriana malagasy fa maloto na masiaka matetika. Mitovy amin’ny biby ny fitondran-tenany.
🌪 5. TROMBA NJARININTSY
Fanahin’olona tsotra, tsy mpanjaka
🧑🤝🧑 Ohatra: Bihôndry & Jaohôndry – mirahalahy, tsy andriana.
➡️ Avy any Androy, nila ravin'ahitra ka nipetraka tany Marangibato (Sofia).
✨Afaka manitsy sy mameno izay tsy ampy amin'ireo voalazako ireo ianareo zoky ampy fahalalana fa raisina an-tanan droa.
📌 Mbola hitohy
21/06/2025
🤲🏾 TROMBA
Inona marina no atao hoe Tromba ?
Teny fandre matetika ny hoe Tromba, indrindra amin’ireo mpandalina ny fomba malagasy. Saingy, mbola maro no tsy mahazo tsara ny tena dikany. Misy mihitsy aza ireo Kristianina sasany milaza fa devoly izany. 😔Amin’ny maha mpitsabo nentim-paharazana ahy, dia hizara aminareo aho izay kely fantatro.
🌍 Ireo tontolo 3 lalovan’ny fanahy:
Efa nohazavaiko tany aloha fa misy tontolo 3 lehibe lalovan’ny fanahy olombelona:
Tontolo ara-nofo (Monde physique) – Izay iainantsika amin’izao.
Tontolon’ny hetsika (Monde en mouvement) – Tontolo ihetsehan’ny fanahy.
Tontolo tsy hita maso (Monde incorporel) – Tontolo avo indrindra, fanjakana ara-panahy.
❓ Fa maninona isika no mandalo eto an-tany?
🧠 Tsy kisendrasendra ny fihavian’ny fanahintsika eto an-tany. Misy antony lehibe 3 mahatonga azy:
1. Hampitombo traikefa sy fahalalana 📚
Ny Mpahary, izay nahary izao rehetra izao, dia manana fahendrena sy traikefa lehibe. Ary satria ao anatintsika izy dia isika koa tokony hitombo amin’ny fahendrena sy fahaiza-manao.
2. Hamafa ny tsy fahalavorariana (Karma) 🧹
Ny zavatra ratsy na tsy lavorary nataontsika dia miteraka voka-dratsy (karma) ka tsy maintsy diovina sy amboarina izany alohan’ny handehanana amin’ny dingana manaraka.
3. Hamita iraka (Mission de vie) 🎯
Samy manana iraka manokana izay nanirahana azy eto an-tany isika. Raha tsy vita izany iraka izany dia miverina indray ny fanahy amin’ity tontolo ara-nofo ity mandra-pahavitany.
💀 Aorian’ny fahafatesana: inona no mitranga?
🧍🏽 Ny vatana dia potika eto an-tany, fa ny fanahy kosa manohy ny diany raha feno ny fepetra, nahavita ny iraka, voafafa ny karma, ampy traikefa dia miditra amin’ny tontolo ambonimbony. Rehefa tonga ao amin'io tontolo io anefa ny fanahy tsy afaka manangana vatana intsony fa mijanona ho fanahy. Misy anefa ireo fanahy ao te hanampy ny olombelona ka midina mihindrana vatana aminy taranany na izay olona tendreny ireo fanahy ireo no atao hoe "TROMBA" .
Mbola hitohy !
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo
101
Opening Hours
| Monday | 08:00 - 22:00 |
| Tuesday | 08:00 - 22:00 |
| Wednesday | 08:00 - 22:00 |
| Thursday | 08:00 - 22:00 |
| Friday | 08:00 - 22:00 |
| Saturday | 08:00 - 22:00 |
| Sunday | 08:00 - 22:00 |
