Miora Candy Miss MAMA 2025

Miora Candy Miss MAMA 2025

Share

Miss MAMA 2025 🫶Finaliste 🫶

Mannequin Curvy 4ème promotion 🥰

Je ne perds jamais sois je gagne sois j'apprends🫰👌

22/05/2026

😉👌🏻

🤱Ny fiainan’ny mère célibataire dia lalana iray mitaky hery sy faharetana lehibe 🧑‍🍼

👉Matetika ny olona mahita fotsiny ny “statut” hoe "mère célibataire" fa tsy mahita ny sacrifices sy ny combat intérieur lalovany isan’andro 🍂

💫Tsy hitan’izy ireo ny alina tsy ahitany torimaso.
💫Ny tahotra afenina ao anatiny
💫Na ilay courage mifoha isan-maraina na dia reraka aza....🥀

Ny mère célibataire dia tsy vehivavy resy na nilaozana fotsiny,
Fa vehivavy mianatra:
✔️ mijoro irery
✔️ mitantana fiainana amin-kery
✔️ manangana stabilité ho an’ny zanany
✔️ ary manova ny ratrany sy ny fahoriany ho hery manosika azy handroso 🥰

🍂Ary ny faharetany miatrika fiainana dia porofon’ny force intérieure lehibe ananany✊✊

✅ Tsy mila jugement izy
✅ Tsy mila comparaison amin’ny hafa
✅ Fa mila respect, soutien ary reconnaissance amin’ny ezaka ataony isan’andro.

Ary ho an’ireo mère célibataire rehetra:
✨ Aza menatra ny dianao
✨ Aza atao fahalemena ny passé-nao
✨ Ny fahasarotana lalovanao androany dia ho hery lehibe rahampitso..Ny vehivavy mahavita miarina sy mitondra responsabilité irery dia vehivavy matanjaka.
Ary na sarotra aza ny lalana,
Tsarovy fa ny herinao sy ny finiavanao iarina dia efa manova fiainana isan’andro.

Profile pictures 13/04/2026

Nouveau défi, nouvelle aventures, merci de suivre ma page 🥰🙏👇

Je serai disponible pour toute collaboration : du genre modèle photo, mannequin grande taille , etc …
Miora Mannequin Curvy

La plus grande victoire, c’est de pouvoir se regarder dans le miroir et être fière de qui l’on est 🥰😉

01/04/2026

OMEO VALEUR NY TENANAO.

Aza manao Bonsoir ny hariva raha tsy novaliana ny Bonjour-nao ny maraina.

Aza manotany hoe:
Maninona no tsy mamaly message sy tsy mandray appel?
Aza mi-insiste mandefa message sy miantso intsony.

Aza miandry ho tiavin'olona, aza miandry hifantohan'olona.
Tsy afaka terenao hitia anao ny olona fa afaka terenao ny hanaja anao amin'ny alalan'ny fanajanao ny tenanao.

Aza miantso olona mihoatran'ny indroa, rehefa tsy mamaly izy amin'ny voalohany sy faharoa dia atsaharo.

Aza diso disponible loatra, aza mora hinamanana loatra, aza mora ampiresahina loatra.
Manaova occupé indraindray.
Sahia manao Tsia.
Tsy hajain'olona ianao raha toujours disponible.

Rehefa mivoaka ny trano,
Manaova madio sy milamina, manaova metimety, manaova manimanitra.
Esory ny endrika fofona.
Tadidio fa misy fofona ny fahantrana dia misy fofona ny harena.
-Omeo valeur ny tenanao.

-Hajao ny tenanao hanajan'olona anao

Ndao hanova zavatra

✍🏻Joel RAZAFINDRALEMA

23/02/2026

Ho anao ndray ity 👇

Manaova vehivavy mafy sy mivoatra

Otrany ahoana ny vehivavy mafy sy mandroso ?

💡 1. Mahalala ny lanjany
Tsy manambany tena no tsy manambany ny hafa izy ary mahafantatra tsara izay ekeny sy tsy ekeny eo amin’ny fiainany fa tsy izay lazain’olona dia hekeny.

🎯 2. Manana tanjona mazava
Tsy lehilahy no antopisiany fa manana ny tanjony izay tiany ho tratrarina ka tsy hoe vao mikorontana ny ara-pitiavany dia hamono tena na hikorontana koa ny fiainany.

🔥 3. Tsy matahotra fanamby
Rehefa misy sakana dia tsy kivy izy fa maka lesona ary manohy mandroso. Na inona mafy andalovany, mandroso foana izy.

📚 4. Mampitombo ny fahalalany
Tiany ny mianatra sy manatsara tena satria fantany fa ny fahalalana no fototry ny fandrosoany sy ny harenany.

🤍 5. Tsy matahotra mandeha irery
Tsy handany fotoana hanambitamby namana na lehilahy ho namany izy. Satria na irery aza izy dia tsy mijanona fa sahy mandroso sy mijoro amin’ny fanapahan-keviny.

💰 6. Miezaka ho mahaleo tena
Miezaka ho mahaleo tena amin’ny vola, amin’ny asa ary amin’ny fanapahan-kevitra izy mba tsy hiankina amin’olona fa na izany mametraka ny vadiny ho lohany foana izy.

🌱 7. Mampiasa ny ambony hivoarana fa tsy ny ambany.
Mampiasa ny sainy sy ny fisainany izy hamoronana sy hananganana zavatra. Mafy anaty fiketrehana izy fa tsy mafy ambony fandriana.

🙏 8. Vehivavy manana an’Andriamanitra
Mametraka an’Andriamanitra ho lohalaharana amin’ny fiainany izy, ka avy Aminy no maka hery, fahendrena ary fitarihana amin’ny fanapahan-kevitra rehetra

Raha fintinina
Ny vehivavy mahery sy mivoatra dia mahafantatra ny lanjany, manana tanjona, sahy mandroso na irery aza, tsy mitsahatra manatsara ny tenany ary manana an’Andriamanitra.

Ampelatananao ny fiainanao, na ianao hijanona ho vehivavy kanosa na ianao hiova ho vehivavy mahery sy mandroso

✍🏻Réussir avec Martin

13/01/2026

Je vous souhaite une bonne et heureuse année 2026 🎊❤️🥰

Be happy 🥰 , Be you 🫶

25/12/2025

Joyeux Noël à tous 🎄🎁
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra 🥰😘

16/12/2025

Izay mahasambatra anao no akekezina
Izay mankatia sy manaja ny tena no ankekezina
Izay ahitana fivoarana hiarahana no safidiana

Misy olona tianao nefa tsy mety aminao, ka mila ekena izany fa tsy terena foana.
Tsarovy fa ianao koa dia olona manana ny maha izy azy 👌🥰

✍️Réussir avec Martin

13/11/2025

AZA MIJERY AORIANA... FA MANDEHANA!

Tsy misy miverina amin’ny lasa. Tsy misy afaka miaina indray ny omaly.

Tsy maintsy ekena fa ny fiainana dia toy ny lalana tsy misy fiverenana. Mety ho feno fahadisoana, faharesena, na fahoriana ny lasa… Fa tsy izany no tokony hianteherantsika.

“Personne ne vit sa vie en arrière. Regarde devant, c’est là que ton avenir t’attend.”

Ny lasa dia fitaratra, fa tsy trano fonenana. Tsy natao hitoerana ao, fa hianarana. Raha mijery aoriana foana ianao, dia ho very ny fahazavana manazava ny lalana mankany aloha.

Ny ho avy dia mitaky fahasahiana, fanekena, ary fanantenana.

👉 Ny fiainana dia fanamby mitaky fandrosoana, tsy fiverenana.

Ry Namako a!
Aza avela ho voafatotra amin’ny “raha mba…” sy “fa angamba…”. Mifohaza. Mandrosoa. Minoa fa misy ho avy mamiratra miandry anao. Tsy ny lasa no mamaritra anao, fa ny safidy ataonao anio.

🌱 Mijery aloha. Mandehana. Mamorona ny ho avinao.

✍️Coach Hyacinthe Basile

04/11/2025

Raha milamina sy matoky ny vehivavy... dia voatazonao.

Tsy ny fanomezana lafo no tena mitazona vehivavy,
fa ilay fahatsapany hoe:
🔸 Azo antoka izy.
🔸 Mihaino azy ianao.
🔸 Tsy mamono fanahy ny teninao.

💬 Rehefa afaka miresaka am-pilaminana izy,
rehefa tsy matahotra fanaratsiana na tsiny isaky ny miteny...
dia tsy hitady toerana hafa hialana izy.

❤️ Vehivavy milamina = Vehivavy mijanona.

✔️ Omeo fiadanam-po,
✔️ Omeo fahatokisana,
✔️ Dia ho voatazonao tsy amin-tery fa amin-fo.

✍🏻 AliGo Livraison

31/10/2025

Misaotra amin’ny sendra nampandalovinao ahy aho, fantatro fa mbola zakako sy hahatsara ahy matoa avelanao mitranga 😉

Na mafy toy ny ahoana ny rivotra fa ny hazo tsara fototra, tsy rava sy miongotra zany 👌🏻💪

✍🏻Réussir avec Martin

Tailleur manja be by K Premium boutique 🥰 tsidio ny pejy 🙏

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Antananarivo