Mi fan ampy

Mi fan ampy

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mi fan ampy, Health/Beauty, Antsirabe, Antananarivo.

Photos from Mi fan ampy's post 11/02/2026

Mampalaelo ry zareo ao Toamasina

Photos from Mi fan ampy's post 10/02/2026
17/11/2025

๐Ÿง  MIHENA AMPITOERANY NY ATIDOHA RAHA TSY AMPY TORIMASO NY OLONA IRAY : Voaporofo ara-tsiansa izany!!!

Ny fandinihana navoaka tao aminโ€™ny Scientific Archives (Deutsch, 2022) dia manazava toejavatra mampanahy:

๐Ÿ‘‰ Rehefa tsy ampy torimaso ampy ny olona, dia mivadika ho โ€œMODE SOSโ€ ny atidohany ka manomboka mihinana ny tenany ihany โ€” antsoina hoe ยซ AUTOPHAGIE NEURONALE ยป

๐Ÿ”ฌ Inona no miseho rehefa tsy matory?

โŒMiakatra ny โ€œSTRESSโ€ ao aminโ€™ny atidoha, ka manomboka manapotika ireo ampahany sarobidy ao aminy ny sela (neurone) mba hiarovana tena.

โ€ข Raha voalanjalanjanโ€™ny vatana dia tsara ny ยซ autophagie ยป, fa raha be loatra noho ny tsy fahampiana torimaso dia lasa manimba ka:
๐Ÿ’ฅHihena ny fitadidiana
๐Ÿ’ฅTsy hisy ny fifantohana rehetra atao
๐Ÿ’ฅHihena ny fifandraisanโ€™ny sela ao aminโ€™ny ati-doha ka hampipoitra ny ALZHEIMER sy ny aretina PARKINSON

๐Ÿ‘‰Fandalinana hafa (Haynes et al., Nature Neuroscience, 2024) dia manaporofo fa mandritra ny torimaso lalina no MANALA NY POIZINA sy MANAVAO ny herinโ€™ny sela-ny ny ati-doha.

๐Ÿ›‘ Noho izany, ny tsy fahampian-torimaso dia tsy โ€œHAVIZANANAโ€ fotsiny fa:
โžก๏ธ Mamono ireo sela mandrafitra ny atidoha
โžก๏ธ Manimba ny rafitra mifehy adin-tsaina sy fihetseham-po.

๐ŸŒ™ Toro-hevitra 7 tena tsotra sy ilaina hahazoana torimaso tsara (neuroscience-backed)

1๏ธโƒฃ Aza mijery tรฉlรฉphone 1 ora mialoha ny hatory

Ny hazavana manga (lumiรจre bleue) dia manakana ny famokarana MELATONINE , tsirimpanentanโ€™ny torimaso.

2๏ธโƒฃ Ataovy aminโ€™ny ora raikitra isanโ€™andro ny fatoriana sy fifohazana

Miteraka โ€œhorloge interneโ€ marin-toerana โ†’ mahatonga ny torimaso ho mandeha ho azy.

3๏ธโƒฃ Atsaharo ny kafe, thรฉ noir, coca tara loatra

Tsy aorianโ€™ny 14h na 2 ora tolakandro

4๏ธโƒฃ Aza mihinana sakafo mavesatra alohanโ€™ny hatory

Sakafo tsy be menaka sy sarodevonina

5๏ธโƒฃ Atsaharo ny eritreritra mihoapampana

Teknika tsotra: ยซ Write-and-dump ยป
๐Ÿ‘‰ Soraty anaty taratasy na boky 2 minitra ny olana, dia akatony. Mampitsahatra ny adin-tsaina izy io.

07/11/2025

alaina sa jerijerena fotsiny ๐Ÿคฃ๐Ÿคฃ

04/11/2025

๐Ÿ“Œ ๐—œ๐˜๐˜† ๐—ต๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ถ๐˜๐˜† ๐—ป๐—ผ ๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ด๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ฒ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐˜†, ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—ฎ ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐—ป๐—ผ ๐˜€๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—น๐—บ ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐˜๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป'๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ฒ ๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ด๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐˜†. ๐—œ๐˜๐˜† ๐—ฏ๐—ถ๐—ฏ๐˜† ๐—ถ๐˜๐˜† ๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป๐˜๐˜€๐—ผ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ๐—ฒ : "๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ฐ๐—ผ ๐˜ƒ๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ป๐˜€" ๐—ป๐—ฎ ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ๐—ฒ : "๐——๐—ฟ๐—ฎ๐—ด๐—ผ๐—ป ๐˜ƒ๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ป๐˜". Any Azia Atsimo Atsinanana no ahitana azy, ka manodidina eo amin'ny 20 ka hatraminโ€™ny 25 cm ny halavany. Ny fiainany dia mifindrafindra eny ambonin'ny hazo, ary dia mahavita miantsampy hatrany aminโ€™ny 60 metatra eny anelanelanโ€™ny hazo izy, nohon'ny fananany io elatra izay mivelatra io.

โœณ๏ธNy sakafony dia moka sy bibikely madinika, ary aminโ€™ny ala mando tropikaly any Filipina, Malezia, Indonezia ary any Thaรฏlande no matetika ahitana azy. Mamoaka loko marevaka toy ny maitso, volon-tany, manga na volomboasary izy ireo, ka manintona sy mahavariana rehefa miantsampy aminโ€™ny hazo iray mankany aminโ€™ny hazo iray hafa.

๐Ÿ’ฅ Na izany aza dia atahorana ho lany tamingana ireo dragona tena izy ireo nohon'ny fandripahana ala sy fanitarana tanร na haingana izay manimba ny fonenany voajanahary. Manam-pahaizana maro no miantso ny rehetra mba hiaro ireo ala tropikaly ireo mba hahafahana mitahiry azy ireo, izay karazana biby anisan'ny mahagaga eto an-tany.

Photos from Mi fan ampy's post 04/11/2025

๐Ÿ›ณ๐Ÿ˜ฑ ๐—ก๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐˜๐—ฎ ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐—ป๐˜๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ผ ๐—บ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ฎ 700 ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ป๐—ถ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐—ถ (๐—น๐˜‚๐˜๐˜๐—ฒ๐˜‚๐—ฟ รฉ๐—ด๐˜†๐—ฝ๐˜๐—ถ๐—ฒ๐—ป).

๐Ÿ’ช Tsy mampino ny zavabitan'ity lehilahy 44 taona ity tamin'ny Sabotsy 27 Septambra lasa teo. Vitany ny nisintona tamin'ny nifiny ilay sambo 700 taonina, tamin'ny halavirana 15 metatra tao anaty rano, tany aminโ€™ny seranan-tsambonโ€™i Hurghada. Resiny araka izany ny zava-bitanโ€™ilay ukrainien Oleg Skavysh, izay efa nahavita nisintona sambo 650 taonina tamin'ny nifiny talohan'izao. Voarakitra ao aminโ€™ny Guinness Book izao zava-bita miavaka izao.

๐Ÿ”ฅTsy vao voalohany tamin'ny fanamby goavany vitany izao fa efa nahavita nisintona lamasinina milanja 279 taonina taminโ€™ny nifiny, tamin'ny halavirana mirefy 10 metatra ihany koa izy......................

Photos from Mi fan ampy's post 24/10/2025

"๐†๐š๐ฅ๐ž๐ญ๐ญ๐ž๐ฌ ๐๐ž ๐›๐จ๐ฎ๐ž" ๐ง๐š "๐›๐จ๐ง๐›๐จ๐ง ๐ญ๐žฬ€", ๐ซ๐š๐ก๐š ๐š๐๐ข๐ค๐š ๐ญ๐ฌ๐จ๐ญ๐ซ๐š ๐๐ข๐š ๐ก๐จ๐ž ๐Œ๐จ๐Ÿ๐จ ๐Ÿ๐จ๐ญ๐š๐ค๐š...

๐Ÿ˜“ ๐™‰๐™ค๐™๐™ค ๐™ฃ๐™ฎ ๐™›๐™–๐™๐™–๐™จ๐™–๐™๐™ž๐™ง๐™–๐™ฃ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ก๐™–๐™ก๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ฃ๐™ฎ ๐™ƒ๐™–๐™žฬˆ๐™ฉ๐™ž ๐™™๐™ž๐™– ๐™ฃ๐™–๐™ฉ๐™–๐™ค ๐™ž๐™ฉ๐™ฎ ๐™จ๐™–๐™ ๐™–๐™›๐™ค ๐™ž๐™ฉ๐™ฎ: ๐™๐™ค๐™ฉ๐™–๐™ ๐™– + ๐™Ž๐™ช๐™ง๐™–๐™ข๐™–๐™ข๐™ฎ + ๐™ข๐™š๐™ฃ๐™–๐™ ๐™–

๐Ÿ˜ซTsy misy otrikaina tahaka ny sakafo rehetra fa mba hanalefahana ny hanoanana izay mahafaty olona maro, indrindra ireo zaza.

๐ŸฅบVokarina ary misy mivarotra, misy ireo mizara miaimaimpoana ho an'ireo olona hita fa tena sahirana.

24/10/2025
18/10/2025

๐Ÿ”ธ ๐—œ ๐—™๐—ฒ๐—น๐—ถ๐˜… ๐—š๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ฎ๐—ฟ๐˜€๐˜€๐—ผ๐—ป ๐—ป๐—ผ ๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—น๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป-๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ณ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฟ๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—บ-๐—ฏ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ฒ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฏ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ.

โœณ๏ธ 22 taona lasa talohan'ny nahazoany fitsaboana, dia niharan'ny loza taminโ€™ny herinaratra izy, izay nandrava ny tanany roa teo aminy, ary loza izay saiky nahafaty azy mihitsy.

๐Ÿ”ต10 taona taorian'io loza izay nahazo azy io dia nisy andiana fandindiana sy fitsaboana natao tao Frantsa tamin'ny 2021, ary tamin'io fotoana io no nandidiana azy, ka nambolena tanana roa vaovao indray izy mba hitambatra amin'ny sorokany roa. Naharitra ho 14 ora ny fandidiana. Vita ny fitsaboana azy. Ary ankehitriny dia niverina afaka mihetsika tsara toy ny fampihetsehany ny tanany teo aloha ilay tanany vaovao.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address

Antsirabe
Antananarivo