Ntsoa Fano ofisialy
Ity page ity nataoko mba hizarako zay fahalalako, fahaizako araka ny fandinihana sy ny fahatakarana nomen'ny ao ambony ahy.
Mahakasika ny fiainana indrindra fa ny lafiny ara-panahy sy finoana ary ny F
20/08/2023
20/08/2023
ety amin'ny RN 34 eee!
17/08/2023
Akory aby,
🏚️Mamy Haja no fahalalan’olona ahy, tanora malagasy lehibe teny ambany tanàna tany Antananarivo. Halatra, fankahalana, fialonana, arahana tenin-dratsy isan'andro no nameno ny fahazazako hatramin’ny faha-20 taonako. Ireo dia nanefy toe-tsaina tsy mampandroso (miiba) taty anatiko ka nahatsapa tena kely sy ambany foana aho na dia mandalo anaty toerana “tsaratsara” kely fotsiny aza (grandes surfaces, birao, na ny “tanànan’ny mpanakarena” hoy izahay taloha).
🧠 Na efa nitombo taona aza aho, ka niasa tanaty orinasa lehibe dia tsy mba nahasahy nanonofy hanana biskleta iray akory. Ny Ray aman-Dreniko raha teo mpiasam-panjakana sy tanaty orinasa tsy miankina ka tsy namporisika ahy tamin’ny entrepreneuriat mihitsy satria tsy fantany ilay tontolo.
😣Mafimafy ihany ny adiko satria nanomboka 7 taona aho no tsy maintsy nikarakara ny tenako. Niezaka mafy ny RAD niantoka ara-bola arak’izay vitany fa efa saika niaina irery aho mandavan-taona manao raharaha ao an-trano, miantsena, mahandro, mianatra…
👍🏼Misaotra an’Andriamanitra nefa fa niova tanteraka ny fiainako, ary io fiovana io dia tsy nisy mihitsy raha tsy navelan’i Jesôsy nandalo an’ireo ady ireo aho. Anisan’ny dingana lehibe nampandroso ny fiainako lavitra koa ny fifankahitako tamin’ny sipako voalohany, tokana, sady lasa vadiko. Tsy maintsy notononiko ny fisiany satria ankasitrahako loatra ny fisiany eo amin’ny fiainako.
🏠Miaina fiainana normal fotsiny izahay androany fa fiainana mahafinaritra. Afaka misakafo tsara (fa tsy ohatran’ny taloha). Tonga saina aho nefa rehefa mahita ny fijery sy ny resaky ny manodidina hoe efa misy dingana be vitanay ka izay no nahatonga ahy nizara ny tantarako. Ka te hiteny aminao aho fa afaka ny ho mpandresy ianao na mbola mandalo ady sarotra sy nandalo ady mafy aza taloha.
👉🏽Ry vehivavy : afaka ny ho tafita ao anaty fahamendrehana ianao. Ry zalah : tsy voatery manao asa maloto, mandainga sy mangalatra vao afaka mahomby.
✨Tsy hitantara ny fiainanay amin’izao aho, tadidiko hoe indray andro ny vadiko, tany anaty conférence nokarakaraina banques maromaro, nitantara ny fivoaran’ny fiainanay ara-kasa & ara-bola. Noteneniny ny vola nanombohanay nanangana orinasa, 100.000Ariary. Fa taitra tsy nisy toy izany ny mpanatrika nandre ny fiakaran’ny teo am-pelatananay tao anaty 4 taona ; kanefa vao 10% amin’ny tena fanananay fotsiny no mody noteneniny tamin’izay.
🙂Fampahatsiahivana antsika izany fa afaka manandratra anao Andriamanitra na isika no tsy manana indrindra, tsy mahay indrindra, sy tsy mahalala olona indrindra.
Ary raha notahiaNy izahay, dia mino aho fa afaka mihoatra lavitra noho izany no ataoNy aminao.
Tsarovy fa ✊🏽
Zarao ity tantara ity fa mety mba mampahery ny hafa ihany koa 😊
Tamin'ny lafiny ara-kasa toy izao no niainako azy 👉🏽 https://web.facebook.com/mamy.haja.mhs/photos/pb.100068994968760.-2207520000./312444147713094/?type=3
��
13/08/2022
Aty ANTSIRABE zao, miala sasatra sady mamita ADIDY, no manomana sy mandinika ny fianan-ko avy.
Mirary faran'ny herinandro finaritra ho antsika rehetra.
08/08/2022
Abonne toi à Formation Entrepreneuriat Digital
Bonjour, ity page ity, nataoko mba izaràna izay kely fantatro mikasika ny fiainantsika zanak'OLOMBELONA arak'izay fahatatakarana kely vokatry n'y fandinihana nataoko sy izay mba fahalalana vitsy ampindramin'ny RAY ahy NANDRITRA ny fivahinianako eto amin'ity tany onenantsika ity.
Mino sy matoky aho fa mety mba hanampy antsika amin'ny fiatrehana ny fiainana izy ity.
"Mba ho iray ihany anie izy ireo!" hoy i Kristy ao amin'ny Evanjelin'i Md Joany.
"Ny firaisankina no HERY" hoy ny ohabolantsika malagasy.
Ntsoa Fano ofisialy Ity page ity nataoko mba hizarako zay fahalalako, fahaizako araka ny fandinihana sy ny fahatakarana nomen'ny ao ambony ahy. Mahakasika ny fiainana indrindra fa ny lafiny ara-panahy sy finoana ary ny F
Ntsoa Fano ofisialy Ity page ity nataoko mba hizarako zay fahalalako, fahaizako araka ny fandinihana sy ny fahatakarana nomen'ny ao ambony ahy. Mahakasika ny fiainana indrindra fa ny lafiny ara-panahy sy finoana ary ny F
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Toamasina
501
