Izay ananako no omeko
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Izay ananako no omeko, Health/Beauty, Beril Rose, Toamasina.
29/06/2025
FANAMBOARANA MORTADELLE
AO AN-TRANO
:
- Totokena atsasakilao 1/2 kg
- Sakamalao antonony iray
- Tongolo gasy voany 6 (Ail)
- Atody 5
- Fromage (la vache qui rit no tsara) "Singany telo" (Trois portions)
- Poivre "vongany, voany" roa sotro kely
- Thym iray tsongo tanana
- Vinaigre 2 sotro fihinanana
- Bondronono 2 sotro fihinanana
- Sira roa sotro
- Menaka oil iray kaopy
:
- Etape 1: Arotsaka ao anaty "Mixeur" ireo "Ingrédient" rehetra ireo (Tsara kokoa raha zaraina roa dia mixena aloha ny atsasany voalohany, avy eo mixena ihany koa ny atsasany faharoa; Antony: Satria mety tsy ho zakan'ny mixeur ny manodina izany hahapotika azy tsara)
NB:
- Tsy alefa mitohy ny mixeur fa aato matetika mba hiarovana azy tsy hi_chauffe.
- Ny poivre iray sotro kely ihany no mixena fa ny iray sotro kely ambiny rehefa vita vao afangaro (Antony: Mba hahazoana endriny tsara kokoa)
- Etape 2: Rehefa potika tsara ny fangaro rehetra vao ajanona ny mixeur (Izany hoe rehefa majitina potika tsara avokoa vao atsahatra) dia arotsaka anaty vilia jobo lehibe amin'izay.
:
- Maka « Boyaux Mortadelle » ary fatorana tsara ny vodiny
- Arotsaka na asesika ao anatin'izany ilay fangaro efa potika tsara teo
- Fatorana amin'izay ihany koa ny lohany rehefa vita sesika mifatratra tsara
- Manaraka izany dia fonosina amin'ny "Papier aluminium"
:
- Rehefa vita izany dia mampangotraka rano; Ary rehefa mangotraka ilay rano, izay vao arotsaka ilay mortadelle efa voafono tsara; Ajanona eo ambony fatana, izany hoe andrahoana mandritra ny 45 ka hatramin'ny 60 minitra mba ho masaka tsara.
- Rehefa masaka dia esorina tao anaty vilany ary avela hangatsiaka dia mahazo mafilotra tsara ary afaka mankafy sy mianoka ireo voka-tsoa entin’ny tsirony sy misitraka ny tombotsoa mihoampampana amin'izany ny vatanao.
08/06/2025
FANAMBOARANA GATEAU AU CHOCOLAT AMIN'NY LAPOALY ( gâteau au chocolat alou no zaraitsik androany fa am manarak indray ny gâteau nature..... )
Zavatra ilaina :
175 g de chocolat
50 g de beurre
3 oeufs
125 g de farine
1 càc de levure chimique
70 g de poudre d'amande ( tsy voatery )
150 g de sucre
100 ml de lait
1- Atsonika ny chocolat na atao bain marie na am micro onde
2- Arotsaka ao amin'ilay chocolat arak'ireto filaharana ireto ny ambiny : siramamy , atody , farine , levure sy ny poudre d'amande , afangaro tsara an !
Arotsaka farany ny ronono ( ronono efa masaka mangatsik io )
3- Atsonika ao anaty lapoaly ny beurre ( tsara ra mba lapoaly tsy fisaka b reny no apiasaina fa mba au moin misy itomboanilay pate kely mba avo kely zany ) dia rehefa mitsonika dia arotsaka amizay ilay pâte gâteau teo .
Saromana ny lapoaly dia afo tena malefak no anaovana azy entre 5 à 10 mn eo .
4- Farany dia ref tapitra ny 5 à 10 mn dia avadika am sotro ny gateau dia saromana indray pendant 5 à 10mn .
Vita ny gâteau au chocolat
Fanamarihana kely : ra te anambotra bdb zany dia atao tsikelikel leizy fa tsy hoe tonga dia atao anaty lapoaly daholo an. Fa Manjary tsy masaka )
Aza adino miabonné page hanarahanao fampianarana recette gratuit isankarazany isan'andro eto
Zarao namana Azafady fa mety mahasoa azy
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Culinary Team
Attire
Contact the business
Telephone
Address
Toamasina
