Centre Hospitalier de Référence de District ANOSY Avaratra
hopitalim-panjakana miasa 7/7 andro mivoha 24/24 ora
31/12/2025
Bonne année🕛2️⃣0️⃣2️⃣6️⃣
🎉 1er Janoary 2026 – 𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 🎉
💐 Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, eo ambany fitarihan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka 𝘿𝙧. 𝙈𝘼𝙉𝘼𝙂𝙉𝘼 𝙈𝙤𝙣𝙞𝙧𝙖, sy ny mpiara-miasa akaiky aminy ary ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra dia manolotra am-pitiavana ny fiarahabana feno haja ho an’ny vahoaka Malagasy, amin’izao Taona Vaovao 2026 izao.
🤲 Enga anie ity taona vaovao ity ho Taona feno fahasalamana sy firaisankina, ary hanamafy ny finiavana sy ny adidy masina iombonana ho an'ny Firenena ary ho an'ny vahoaka Malagasy.
👥 Miray hery isika, miara-miasa amim-pahavononana, miara mandray andraikitra hitondra fanovana maharitra.
💯 𝑴𝑰𝑨𝑺𝑨 𝑴𝑰𝑨𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑰𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑯𝑶 𝑨𝑵'𝑵𝒀 𝑭𝑨𝑵𝑶𝑽𝑨𝑵𝑨, 𝑴𝑨𝑵𝑨𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑭𝑰𝑹𝑬𝑵𝑬𝑵𝑨.
24/12/2025
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
🎄 25 DESAMBRA 2025 : KRISMASY FENO FAHASOAVANA 🎄
🎊 Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra dia mirary Krismasy, feno fiadanana, fifaliana sy fahasalamana, ho an’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo.
✨ Enga anie izao andron'ny Noely izao mba ho fotoana hanamafisana ny Firaisankina, hampiorenana ny soatoavina maha-olona ary hanohizana amim-pahavononana ny fanompoana ny vahoaka.
💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
04/11/2025
27/10/2025
Vita soamatsara ny Varavarana misokatra natao teto amin' ny Hopitaly Anosy Avaratra ny 22, 23, 24 oktobra lasa teo, izay nanomezana ny tolotra maimaimpoana momba ny :
- fizaham pahasalamana amin' ny ankapobeny,
- échographie,
- fanalana nify
- Fisafoana, Fanabeazana aizana
- fitiliana : tosidra, diabeta, syphilis, VIH, Tiberkilaozy.
- fandraisana antanana ny zaza tratry ny tsifanjariantsakafo
26/06/2025
🇲🇬🇲🇬🇲🇬
22/02/2024
Tongava maro tompokMinisteran'ny Fahasalamam-bahoaka
18/01/2024
Salama daholo ve o? Ampatsihaivina fa afaka andefasana hafatra miafina na "message privé" ny pejy. Mety tsy ho voavaly eo no ho eo izay ialana tsiny ka anefa tsy maintsy ho voavaly foana fa aza matahotra. Mirary fahasalamana
16/01/2024
😍
30/10/2023
Mirary tontolo andro mahafinaritra 🥰
13/10/2023
Salama daholo ve?
Ampatsihaivina fa misokatra 24ora/24ora
7andro/7andro ny hopitalintsika
Aza misalasala koa miresaka mivantana amin'ny hafatra miafina raha toa ka misy zavatra tinareo ho fantatra..
Mirary fahasalamana tompoko
27/09/2023
Tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana iarahana amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka . Tongava maro
