Eriky ny vary
katsaka sy tantely
Faly otran'ny tsy halahelo🙉
Malahelo otran'ny tsy ho faly🙉
Voky otran'ny tsy ho noana🙈
Noana otran'ny tsy ho voky 🙈
Velona otran'ny tsy ho faty😂
Maty otran'ny tsy ho velona😂😂😂
Atolotra ho anareo zao: ny tantara in-2 miseho ; mitondra ny lohateny hoe efa azonao. 😂🥰
22/12/2025
Krismasy fetin'ny ankizy.
Ndeha ho fantarin-tsika ny antony anjakan'ny loko mena sy fotsy rehefa krismasy.
Ny voalohany indrindra aloha dia talohan'ny dadabe noely maoderina izay tany ampiandohan'ny Moyen Âge dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Nicolas no natsangana ho olo-masina mpiaro ny ankizy. Nitafy mena sy fotsy (cape rouge et habits épiscopaux blanc=mitre) izy.
Ny faharoa manarak'izany dia nisy koa ny dokam-barotra Coca-Cola nataon'i Haddon Sundblom tamin'ny taona 1930 izay nampiasà ny ny sarin'i dadabe noely miloko mena sy fotsy, mba hampalaza an'ireo loko ireo sy mba hampandeha ny tsenany.
Ny fanampin'izany dia ny dikan'ny loko mena izay manambara hifaliana sy fahalalahan-tanana ary fahafoizan-tena sady indrindra indrindra fa mampatsiahy ny hafanana satria ririnina ny andro any amin'ny tany nipoiran'ny krismasy; fa fahavaratra kosa aty amin-tsika mpanaraka ambokony fotsiny.
Ary ny farany dia ny dikan'ny loko fotsy izay maneho ny oram-panala (neige) sy ny fahadiovany ary maneho ny fitonian'ny ririnina.
21/12/2025
Mendrika ho Andrianina ny foto-tsakafo.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Andoharanofotsy
