Sera Sera
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Sera Sera, Health/Beauty, Antananarivo.
20/07/2022
VODI-TONGOTRA VAKIVAKY 😩
Mpahazo ny olona maro ny vodi-tongotra vakivaky indrindra amin'izao ririnina izao💨😬😱
👉Ireto avy ary ireo astuces afaka ataontsika mba ialana amin'izany 👇👇👇👇
*NY VOASARY MAKIRANA🍋 Manamora ny fahasitranan'ny vakivaky ny asidra ao anatin'ny voasary makirana.
. Asivo rano matimaty izay mahadifitra ny tongotra ary ny koveta
.Raraho ranom-boasary makirana
Ary lomy ao ny tongotrao. Azonao hosorana mivantana eo amin'ny faritra vakivaky ihany koa ny ranom-boasary makirana.
Hihamaina sy hiala ireo hoditra mafy sy vakivaky ireo.
* MENAKA AZO AVY AMIN'NY ZAVAMANIRY 🌿🌿
Mety avokoa na ny menaka fanendy aza eto.
.Kikiso amin'ny vato na borosy ny faritra makiana sy vakivaky ary vontosy menaka azo amin'ny zavamaniry avy eo.
.Fonosy bakiraro avy eo ary ento matory mandritry ny alina.
.Ny ampitso lony rano ary kikiso mba hiala ireo hoditra efa nohalemen'ny menaka ireo.
*NY TANTELY 🍯🍯🍯
Manamandina ny hoditra no sady ahitana fanohitra arafesina betsaka ny tantely.
.Asio fatrana tantely betsaka ao anaty rano mafana amin'ny koveta izay mahadifitra ny tongotrao.
Lomy ao mandritry ny 20minitra na mihoatra ny tongotra. Kikiso moramora ny tongotrao mba hialan'ireo sela maty sy ny loto avy eo fa sady halefaka ny hoditra no ho sitrana miandalana ny vakivaky.
*HODITR'AKONDRO MASAKA🍌
.Totoy ho lasa toy ny koba ny hoditr'akondro masaka be.
.Sasao madio tsara ny tongotrao ary hosory matevina tsara eo amboniny ilay koba.
.Avelao eo ora iray vao kobanina amin'ny rano matimaty.Halemy sy mora hiala ny hoditra eo amin'ny faritra vakivaky no sady halandilandy ny vodi-tongotra avy eo.
* Ny " Vaseline" tsy adino😊
Kikiso ny vody-tongotrao, hosory "Vaseline" avy eo fonosy ao anaty bakiraro. Kikiso ny sela maty avy eo.
🤗Marihiko fa tsy dokotera ny tenako fa mizarafotsiny ihany
Asio 👍 ny pejy an😉
Ny Tsara
19/07/2022
😍Fomba fanalana angadrano 😍
🌿Tena maharatsy endrika ny volo ny angadrano no sady manelingelina satria mangidihidy be 😢
Koa ireto ary misy fomba fanalana azy ireny:
🌸Astuce 1:
🌿Zavatra ilaina :
*vinaigre de cidre
*rano matimaty
🌿Fomba fampiasana azy:
Afangaro ny vinaigre de cidre (3 na 4 sotro) sy ny rano iray vera . Avy eo ahosotra amin’ny hodi-doha sy ny volo iny fangaro iny , atao massage kely , avela 15 à 30 min avy eo kobanina amin’ny rano mangatsiaka
Atao indray isan-kerinandro 💐
🌸Astuce 2
🌿Zavatra ilaina : karibonetra sy rano
🌿Fomba fampiasana azy:
Karibonetra iray sotro kely atao anaty rano iray vera . Avy eo lemana ny volo , ahosotra amin’ny hodi-doha sy volo ilay karibonetra sy rano , atao ohatrin’ny hoe shampoing fanasana loha , avy eo kobanina tsara
Atao indray isam-bolana ihany 💐
Raha tena be angadrano be ny volo dia tsara raha manao gommage capillaire indray isam-bolana
Izay no azo atolotra anao androany 😘
Asio j’aime hatrany ny page ary aza adino ny mi-abonner 🥳✨
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo
TANA101
