Zazàh Tiako

Zazàh Tiako

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Zazàh Tiako, Beauty, cosmetic & personal care, Antananarivo.

Photos from Zazàh Tiako's post 09/01/2026

🔥‼️𝗩𝗘𝗛𝗜𝗩𝗔𝗩𝗬 #𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬 𝗡𝗢𝗧𝗦𝗔𝗧𝗢𝗛𝗔𝗡'𝗡𝗬 #𝗩𝗔𝗗𝗜𝗡𝗬 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗬 #𝗙𝗥𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔
Nitrangàna loza tany ao Frantsa ny alarobia 7 janoary teo. Vehivavy 46 taona nitsirara nioson-dra tao an-tranony ary nisy tsatok’antsy ny ilany avia. Noentina namonjy hopitaly izy saingy tsy tana anefa ny .
📌Araka ny vaovao dia ny vadiny no antsy tamin’ny vatan’ilay ramatoa ary nikasa hamono tena izy avy eo satria nodidiny tamin’ny antsy koa ny tendany, fa tsy maty izy. Efa misokatra ny any an-toerana.

02/10/2025

🍼🥑 Sakafo ho an’ny Zaza manomboka 6 mois

👶 Rehefa tonga amin’ny 6 volana ny zaza dia manomboka mila sakafo fanampin'ny rononon-dReny
👉 Manomboka amin’ny sakafo malefaka sy purée tsikelikely, tsy asiana sira na siramamy.

🥦 Legioma (purée tsara voatoto)

🥕 Karaoty

🍠 Ovimbazaha / Paty douce

🍆 Voatabia (tsy asiana menaka)

🥬 Tsaramaso maintso (haricot vert)

🥦 Brocolis na chou-fleur

🍌 Voankazo (purée voadio tsara)

🍌 Akondro

🍎 Pomme masaka na compote

🍐 Poara

🍑 Pêche na Abricot

🥭 Manga masaka tsara

🌾 Céréales / Amidon (tsy misy siramamy)

🌾 Koba (vary, katsaka, mangahazo)

🍚 Vary masaka voatoto tsara

🥔 Ovimbazaha na patate douce voatoto

🥩 Proteinina (ampidirina tsikelikely)

🐟 Trondro voahodina tsara (tsy misy taolana)

🍗 Akoho voatoto

🥚 Atody (jaune ihany aloha)

🥛 Zava-dehibe tadidina

🍼 Tsy ajanona ny nono na ronono!

🧂 Tsy asiana sira na siramamy mihitsy.

🥄 Aleo manomboka amin’ny 1–2 sotro kely, dia ampitomboina tsikelikely.

👀 Omeo sakafo vaovao tsirairay mba ahafantarana raha misy tsy zakany.

✨ Raha tianao ho salama sy ho voky tsara ny zazakely dia manomboka izao no ampanombohy azy amin’ny sakafo voajanahary sy tsotra. 💖

📌 Raha mahasoa anao ity lisitra ity, Araho ny pejy "Zazàh Tiako" 👶💞
👉 Zarao amin’ny namana sy fianakaviana koa mba hahafahan’ny reny rehetra mahazo torohevitra mahasoa! 🔄💌

📌 NB : IZAHAY DIA MIVAROTRA IREO KOJAKOJA AFAKA AMPIASAINAO HANOMEZANA SAKAFO HO AN'NY ZAZA

29/09/2025

Tsy mety kosa izao Ramose a !
Zaza anie io e, ahoana reo raha sempotra eny dia iza no omena tsiny aveo ?
Na ny ara-moralin'ireo zaza ireo aza simba 😡

02/09/2025

🤔 Inona no mahatonga ny zaza mora marary kibo?
Ny ankizy dia mora voan’ny areti-kibo satria:
🍭 Mihinana mamy be loatra na sakafo mavesatra
🥤 Misotro rano tsy madio
🦠 Bakteria sy mikraoba amin’ny sakafo tsy voaomana tsara
😰 Fihenjanana na tsy fahazoan’ny kibo aina
🍌 Tsy fandevonan-kanina tsara

🌿 Torohevitra voajanahary hanamaivanana ny fanaintainan’ny kibo :
✅ Omeo rano mafanafana kely, manampy amin’ny fandevonan-kanina.
✅ Raha misy fivalanana, omena ranom-boasarimakirana + sira kely + siramamy kely (rehydratation voajanahary).
✅ Betsaka ny ranon-javatra: rano madio, ranom-boankazo voajanahary (paoma, paiso).
✅ Aza omena sakafo mavesatra (henan’omby be tavy, sakafo masiaka, sns).
✅ Afaka omena ranom-boasary makirana na dite gingembre malefaka rehefa kibo no marary.
✅ Omeo sakafo mora levona: 🍚 vary, 🍌 akondro masaka, 🥔 ovy na karaoty masaka.

⚠️ Raha miverimberina na maharitra ny fanaintainana → ento any amin’ny dokotera avy hatrany.

💖 Ny tanjonay ato amin’ny “Zazàh Tiako” dia ny hizara torohevitra tsotra sy voajanahary hiarovana ny fahasalaman’ny ankizy.
👉 Raha tianao hiaina salama sy faly ny zanakao, Araho ny pejy “Zazàh Tiako” ary zarazarao amin’ny namana mba hahasoa ny rehetra 🙌.

01/09/2025

Abonnez-vous et partagez 😘

Photos from Zazàh Tiako's post 23/05/2025

Zaza narian-dreniny!
Ndriiii😢😥..... miaraka amin'ny taratasy napetrakin'ny reniny.

Ho an'ireo manontany vaovao mahakasika azy dia Andriamatoa Jean Nirina Rafanomezantsoa no afaka hanontaniana.

Sary sy vaovao Jean Nirina Rafanomezantsoa.

13/05/2025

Ny fikarakarana ny hoditry ny zaza… Ny zaza misy voapana ❤

Salama maman sy zazah 😀

Anio isika hiresaka fikarakarana ny hoditry ny papouzy, mafana ny andro izao ka ‘ndao resahana koa ny hoditry ny zaza misy voapana 🔥😥

1⃣ Fikarakarana ny zaza manana hoditra salama:
Mba hasalama ny hodiny lalandava dia isaky ny avy mandro izy dia:
✅ Fafaina tsara @ serviette malefaka, indrindra ireo faritra miforitra (tsy kosehina)
✅Asio menaka ny tananao 👐
Satria saro-pady ny hoditry ny zaza dia menaka natoraly, azo @ zava-maniry, tsy mahery fofona no tsara hikarakarana azy 🌿
✅Ataovy massage malefaka @ izay zazah
🙅Tsy hosorana be fotsiny fa tena ilain’ny zaza ilay massage an ! (ao @ commentaire ny vidéo fanaovavana azy)⤵
🌰 Fomba nentim-paharazana tena tsy mbola misy mahasolo ny fampiasaina diloilo coco PURE ary tena mety @ hoditry ny zaza rehetra 👏👏

2⃣Fikarakarana ny hoditry ny zaza misy voapana :
🌺Toy ireo ambony ireo ihany no atao fa ilay faritra misy voapana hosory huile d’amande douce fa io no tena efficace 👌
🌺Raha mavatra manosotra dia herinandro dia afaka 😀😮📅
🌺Raha feno voapana moa ny vatany 💔 dia tonga dia huile d’amande douce izany no hanaovana massage.
🌺Ataovy mangatsiatsiaka ny akanjony
☝Tsy voapana ihany no afaky ny huile d’amande douce fa : takolaka vakivaky, kaikitry ny biby kely, elakelam-pe masaka (huile coco koa mety), misoroka ny lohanonon’i maman tsy hitriatra…

👛Rehefa mividy menaka ho an’ny zaza dia ilay tsy nandalo afo foana no tsara 🔥 (sady tsy atahorana hampisy allergie 😌)

✍️ Rasazy Soa

♥️ Aza adino ny partage sy ny manasa ny namana hanaraka ny pejy fa mahasoa antsika

13/05/2025

Fotoanan'ny gripa izao ⚠️ Torohevitra raha manavy ny zaza 🌡

Mbola hanokana fotoana aho hizarana torohevitra hanamafy hery fiarovana sy hiatrehana ny gripa. Fa anio aloha dia hoe raha efa manavy ny zaza dia ahoana❓️

🔥Atao hoe manomboka mafana ny zaza rehefa mihoatra ny 37,5°C ny hafanan'ny vatany, saingy rehefa manomboka 38°C no tokony hanomboka ho mailo isika satria tena manavy izy 😌

Maro ny zavatra mety hatonga azy fa ny matetika dia avy @ otrik'aretina na bakteria manafika ka ny fampiakarana hafanana no entin'ny vatana miady aminy
(Tsy aretina ny fièvre fa fambara hoe misy tsy milamina ao) 🔔

✅ Raha zaza latsaky ny 3 volana dia manantona pédiatre avy hatrany, TSY MIANDRIANDRY ⚠⚠⚠

✅ Tsy voatery omena paracétamol ny zaza manavy raha hitanao hoe tsy hafahafa izy (milalao tsara, misakafo,matory, miresaka...)
Satria midika izany fa zakany tsara ilay fièvre. Tsy ny chiffre no hifantohana fa ny état an'ny zaza. Misy vao 38°C dia hita fa malemilemy sy mijaly ilay zaza, misy kosa nefa matanjaka tsara na mihoatra an'io aza ka tsy voatery omena fanafody aloha
👉NA IZANY KOSA AZA NEFA TSY TOKONY HANDRASANA HIAKATRA 40°C fa rehefa hita fa tsy midina @ ilay fikafika tsotra ny hafanana ka mananika ny 38,5°C dia omeo fanafody mampidina hafanana isaky ny adiny 6.

⚠Manantona mpitsabo raha 3 andro nisesy ny zaza nanavy foana (raha ny tokony ho izy rehefa resin'ny vatana ny virus na otrik'aretina dia miala hoazy ny fièvre ka raha toa mitarazoka mihoatra ny 3 andro ny fièvre dia mila manantona mpitsabo)
⚠Avy hatrany kosa dia manantona mpitsabo raha: Tsy misakafo sy misotro rano/nono ny zaza, mandoa, mifanintona , hatsatra, mangana ny molotra na ny hoditra, malemilemy

Mety ho tonga @ tsy fahampian-drano sy mineraly ny zaza rehefa manavy ka omeo rano matetitetika (Ho an'ny 6 volana no mihoatra)
✍️ Rasazy Soa

👉 Aza adino m'jaime ny pejintsika ahitanao torohevitra momban'ny zaza maro

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address


Antananarivo