Revendeur Naturopharma Andraisoro

Revendeur Naturopharma Andraisoro

Share

Fahasalamana�

Photos from Revendeur Naturopharma Andraisoro's post 15/01/2025

💢Vokatra NATUROPHARMA 💢

Inona no mety olanao na aretinao ?

📍 tsy mety mahazo zaza ?
📍Sahirana ny ankizy amin'ny fitadidiana ?
📍 Manana olana eo amin'ny vanin-taolana ?
📍Lehilahy Manana olana toy ny impuissant, sns... ?
📍Misy Perte vaginal
📍Tratran'ny Spasmophilie na ihany koa hoe olana avy amin'ny fihetseham-po
📍 Aretim-bavony, allergie, micose , sns...

Izay olanao dia afaka jerevanao tsirairay ny sary fa Sady misy fanazavana ao ny misy fanafody mifanaraka amin'ny olanao , raha tsy ao anatin'izy ireo dia afaka manontany aminay ao anatin'ny hafatra miafina ianao fa vonona izahay ny hamaly azy. 😊

🚴‍♂️Livraison gratuite
📞 037 50 617 90
📞 034 20 493 70

%_Naturel

03/04/2024

Andao harovana amin'ny fahaseporana ny zanantsika 👋

Mivadibadika ny andro ka lasa mitarika
sery, kohaka ary mihafara amin'ny fahaseporana izany raha tsy mitandrina isika Ray aman-dreny 😥

Baume ahosotra dia afaka manampy antsika ny amin'izany

100% Natoraly tsy misy atahorana 🌺




034 38 705 59/ 034 20 493 70

03/02/2024

🍋PACK ANTI GRIPPE🍋

🌥 Ny fiovaovan'ny toetrandro dia mety mampihetsika ny allergie, gripa, sery ary mety hitarika koaka mihintsy avy eo.

Indrindra hoan'ny olona marefo dia tena mora andairany.
Tsara raha mihinana sakafo betsaka vitamine C toy ny: Poivron, chou-fleur, Epinard, anandrano, Pamplemousse ,Citron...

🍋Ireto produits Naturopharma ireto dia azo ampiasaina tsara na hoan'ny lehibe na hoan'nay ankizy mba hisorohana na koa hitsaboana izany:

👌Argent colloidal + Maxi zinc + Vitamine C pure 👌

⏩Mamono virus
⏩Mampatanjaka ny hery fiarovana
⏩Manampy ny vatana hiady amin'ny otrikaretina maro...

Tel: 034 20 493 70
Livraison gratuit 😊

🌺Mirary volana vaovao mahafinaritra hoantsika indray🌺

29/01/2024

💪VAHAOLANA HOAN'NY LEHILAHY..."IMPUISSANCE"💪

🍂Hiresaka kely momban'ny olan'ny lehilahy indray isika androany:

🍂Ny filàna ara-nofo (libido) dia anisan'ny tena manahirana antsika lehilahy mihintsy, miovaova be izy io eo amin'ny lehilahy iray ary mety hihena vetivety mihintsy rehefa anatin'ny harerahana be na rehefa mitebiteby foana. Izany hoe matetika izy io dia mifandray amin'ny olana ara-tsaina, havizanana, adin-tsaina.

🍂Ny libido koa dia mihamihena tsikelikely rehefa miahantitra ny olona iray.

🍂AZA MIASA SAINA BE INTSONY fa ireto indray misy vahaolana hoantsika lehilahy, azo hisafidianana tsara:

🌿COLA ENERJIKA: Manampy amin'ny arerahana na ara-batana na ara-tsaina, Mampatanjaka, manampy tsara amin'io resaka fihenan'ny filàna io (baisse du libido)...
🍁NATURO THE: Manampy amin'ny resaka raritsaina (stress), manampy amin'ny fahazahoana zaza (te hiteraka), mitsabo ny "impuissance"
☘️MAXI ZINC: Mampatanjaka ny Hery fiarovana, mamaha ny olana amin'ny firaisana ara-nofo, mitsabo prostaty...

Tongava ety amin'ny Boutique Naturopharma Ambodin'isotry fa hitanao ety daholo ireo fanafody ireo.

Manao livraison ihany koa izahay

Tel: 034 20 493 70

11/01/2024

Vinaigre de cidre 🍏🍎

Vita izay ny fety 👋 hiatrika taona vaovao indray ao anaty fahasalamana tanteraka 😍

Hatolotra antsika ny vinaigre de cidre 😊

Maro be ny asan'ny vinaigre de cidre fa anisan'ny tena Mampihena izy.
Raha tsy hilaza hafa tsy ny hoe: Manatsara ny fikoroan'ny rà, manampy amin'ny hery fiarovana, manala angadrano, manala menaka ratsy amin'ny vatana, manadio aty, manatsara ny taovam-pandevonan-kanina.

Afaka atao amin'ny crudité isankarazany 😋

Zay Ary fa samy Salama no tsara eee ??🤝

Livraison gratuit
034 38 705 59 ou mp

30/11/2022

👉🏻CALCIUM sa MAGNESIUM⁉️

💢Afangarontsika matetika hoe Calcium sa Magnesium no tokony hoanina💢

📌Fa rehefa maninona tokoa moa no tokony hihinana Magnesium , dia rehefa inona indray no tokony hihinana Calcium❓

📌Inona no mahasamihafa azy ireo❓

📌Ireo no fanontanianareo betsaka voaray, dia hande ho valiana ary aloha e!!!

1️⃣/Rehefa inona no tokony hihinana Magnesium❓
✅Stréssé sy mikoron-tsaina, kizitina, masiaka, mora tezitra, …
✅Marary an-doha lava
✅Mitebiteby lava
✅Tsy fahitana tory, maso tsy mahazaka hazavana
✅Sarotiny rehefa mitondra vohoka, na mora afa-jaza
✅Miakatra tosi-drà
✅Palpitation cardiaques
✅Spasmophilie na crampe matetika
✅Fatigue générale, havizanana eo ampifohazana maraina
✅Hodi-maso mihetsiketsika
✅Gripa miverimberina, kohaka sy sery
✅Poliomelite
✅Malemy ny firafitry ny taolana
✅Mitarika arthrose
✅Fadim-bolana maharary

2️⃣/Rehefa inona no tokony hihinana Calcium
✅Makina ny hoditra
✅Mora takapa ny hoho
✅Crampes matetika
✅Very tadidy

3️⃣/Ny mahasamihafa ny Calcium sy ny Magnésium❓

👉🏻Ny Calcium dia mamelombelona ny fahasalamana sy ny firafitry ny taolana rehetra amin’ny vatana ao anatiny izany ihany koa ny nify , mandamina ny asan’ny hozatra sy ny fivainganan’ny rà.

👉🏻Raha ny Magnésium kosa dia mampitony ny vatana, miaro ny fiasan’ny fo.

❎Mifampiankina ny asan’ny calcium sy Magnésium ao amin’ny vatana.
❎Ny Magnésium no mitazona ny calcium ao amin’ny vatana, na mihinana calcium ary izany ka tsy ampy Magnésium dia arin’ny vatana fotsiny ilay Calcium.
👉🏻Raha tsy misy calcium koa anefa izany dia tsy miasa izany ny Magnésium ao anatin’ny vatana.

📌Mila fantarina tsara arak’izany hoe tsy ampy calcium sa tsy ampy Magnésium ny vatana.

📌Efa misy Magnésium eto amin'ny Naturopharma , efa tsy ho ela ihany koa ny Calcium.

12/10/2022

Ndeha ho resahina kely ny mikasika ny Varice :

Tsy mandeha tsara ny rà an'olona ny olona misy Varice nohon’ny tsy faha tomombanan’ny asan’ny lalandrà, sarotra ho azy ny mamerina ny rà mankany amin’ny fo, ka lasa mangamanga arak’izany ny lalandrà , mivelatra ary miolakolaka ary mety hisongadina kokoa.

Ny vehivavy no tena betsaka tratrany, eny amin’ny ranjo no matetika misy azy, any amin’ny vulve (varices vulvaires) ihany koa na any amin’ny sc***um (varicocèles).

Ny varice dia manaranaka, mipoitra ho an’ny olona ngeza loatra, ny olona mitondra vohoka,ny olona mitsangana lava rehefa miasa na mipetraka ka lasa dia tsy mikorina ny rà,

Aona ny fipohitrany (varice eo amin'ny tongotra)?
Manaintaina sy Mangorovitsika ny tongotra
Mavesatra ny ranjo, mivonto ny kitrokely sy ny tongotra
Mety ho mangidihidy ny tongotra, indrindra rehefa mijoro elaela

Raha tsy voatsabo ny varice dia mety:
- Hamorona fery amin’ny ranjo
- Hisy rà mivaingana eo amin’ny lalandrà ny ranjo

Torohevitra kely:
Matory dia akarina ambony ny tongotra in-3 na in-4 isan’andro,atao maharitra 15-30 minitra eo
Tsy manao kiraro talon, tsy manao pataloha tery loatra
Manalavitra ny zavatra rehetra mafana (rano, masoandro, …)
Asina rano mangatsiaka matetika ny ranjo
Hahetsika matetika ny tongotra

Hanatsaràna ny fiasan’ny lalan-drà sy hitsaboana ny varice dia mampiasà Cuivre colloïdal, sady hosory voatabia manta ny varice rehetra mipohitra.

Vidiny 30.000Ar

Afaka jifaina eny amin’ny revendeur Naturopharma rehetra.

07/10/2022

Cure de fraises 🍓 :

Satria vokatra ny fraise 🍓, dia manasa hanao hisitraka tanteraka izany fahavokarany izany 🤗.

Misy “Régimes Dépuratives” ito, hanampy amin’ny:

⚡️Fisorohana amin’ny aretina grave
⚡️Fisorohana amin’ny fahanterana aloha loatra
⚡️Famelomana ny sela
⚡️Mamelona ny fiasan’ny vatana
⚡️Manampy amin’ny fiforonan’ny rà
⚡️Fanatsarana ny fikorinan’ny rà amin’ny vatana

📌1 na 2 andro ao anatin’ny herinandro ihany ito régime ito no afaka atao, ny olona marary mafy sy taizan’aretina tsy afaka manao azy.

📌Fraise 1,5kg hatramin’ny 2kg no tsinjaraina hoanina ao anatin’ny tontolo andro. Tsy mihinana afatsy io fraise io.

📌Amporisihana manokana ireo olona :
✅marary voa,
✅voan’ny diabéta mbola tsy grave,
✅manana olana amin’ny fikorontanan’ny lalandrà miaraka amin’ny Oedèmes,
✅voan’ny arthrite ,
✅voan'ny rhumatismes,
✅misy tension ambony
✅voan'ny artériosclérose

hanao azy fa tena mahasalama azy ireo ito cure ito. 👌🏽

Mirary soa sy faran’ny herinandro mahafinaritra ho an’ny tsirairay.🫶

07/10/2022

👉🏻Efa mitsabo tena eto amin'ny NATUROPHARMA ve ianao❓

sa

👉🏻Maniry ny hitsabo tena eto anivon'i NATUROPHARMA❓

Matetika maharay fanontaniana izahay hoe inona avy no fady?

❎Tsy mifady n'inon'nona ny vokatra rehetra eto amin'ny Naturopharma fa kosa raha tena te ho salama sy ho vetivety ny fahasitranana dia tokony tsy hihinana ireto ❎

⛔️Siramamy amin'ny hendriny rehetra (sakafo nasiana siramamy)
⛔️Ny toaka
⛔️Ny vokatra avy amin'ny ronono rehetra
⛔️Ny pâte isan-karazany

✅Ny hena soloina trondro na akoho gasy
Mihinana voankazo betsaka

Tsara ihany koa ny mampahafantatra fa :
📌Ny argent colloïdal, ny cuivre, ny Magnéplus, ny Sliligram tsy mahazo mifampikasoka amin'ny vy, ny sarony no hihinana azy
📌Tsy mahazo atao tratran'ny masoandro ny ihany koa ny vokatra Naturopharma.

⚡️Mirary soa ho an'ny rehetra, ho salama vetivety⚡️

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Address


Behoririka
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:15 - 16:30
Tuesday 08:15 - 16:30
Wednesday 08:15 - 16:30
Thursday 08:15 - 16:30
Friday 08:15 - 16:30
Saturday 08:15 - 16:30