Rasazy Mendrika
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Rasazy Mendrika, Health/Beauty, Ankadifotsy, Antananarivo.
« Aucune femme ne doit mourir en donnant la vie »
☎️WhatsApp: +261 34 81 417 47 (SF Mendrika)
👉 Ora fiasana ihany no afaka mamaly sy mandray appel (Lundi au Vendredi: 8h-11:30 / 14h-16h)
❌Tsy misy MP ny pagetsika fa ialana tsiny indrindra tompoko 🙏🏻
01/06/2026
🥰 Bonne fête Mamans 🥰
❓Inona izany ilay tena olan’ny lehilahy, tsy amelany ny vadiny hanao fanabeazan’aizana (fisa na PF)❓🤷♀️
👉 Tin’ilay lehilahy izany, sady ho petafany ianao no hiteraka isan-taona ve❓Mampalahelo sady mafy ihany no hiainan’ilay renim-pianakaviana 😔
👉 Ireo izao carnet an’i Maman maromaro mpanao PF tsy avelan’ny vadiny fa rovitin’ny vadiny foana hono ny carnet raha vao tratrany dia aleo apetraka aty aminay de mitadidy rendez-vous fotsiny izy na mandalo kely raha sendra tsy tadidy
Rasazy Mendrika
29/05/2026
Salama daholo oh 😍 Ela ela tsy heno Rasazy fa mbola sahirana kely oh
👉 Nanao sakamalao am-paosy dia lasa nisy kambo kely ilah zaza, marina ve 😀❓
🌸 Jerenareo zazakely nampiterahako omaly misy kambo mitovy @ rantsana faha-6 kely ny tanany anaky 2☺️
🌸 Ny doigt surnuméraire na polydactylie dia mety vokatry ny:
✅ Génétique/manaranaka (misy ao amin’ny fianakaviana)
✅ na fiovan’ny fitomboan’ny zaza tao an-kibo fotsiny rehefa niforona ny tanana.
Matetika dia:
✅ Tsy mampatahotra
✅ ary maro ny zaza teraka salama tsara no manana azy.
Fa ilaina ihany ny contrôle médical satria indraindray (tsy fahita firy) mety miaraka amin’ny syndrome na anomalie hafa izy, indrindra raha:
* misy olana hafa hita amin’ny zaza,
* na maro ny rantsana fanampiny.
Ahoana analana azy?
Miankina amin’ny karazany ilay izy:
* Raha nofo kely mihantona fotsiny
→ mety esorin’ny dokotera amin’ny petite chirurgie tsotra.
* Raha misy taolana na articulation
→ mila opération kely ataon’ny chirurgien pédiatrique, matetika rehefa lehibe kely ny zaza.
✅ Ny ahy moa teto dia nasiako kofehy mba hampijanona ilay circulation de maina io dans quelques jours ary mihintsana ho azy ☺️
👉 Noho izany, Tsia, tsy misy porofo scientifique milaza hoe ny manao sakamalao am-paosy no mahatonga “doigt surnuméraire” na olana amin’ny zaza vao teraka.
Misy finoana sy fomba amam-panao maro momba ny fitondrana vohoka, fa ara-pitsaboana dia tsy avy amin’ny sakamalao, sakafo, na zavatra atao am-paosy izany.
(Fa ho ahy manokana aleo hajaina ihany ilay zavatra lazalazain’ny Ntaolo eh 😂🙈)
Tantarao nenareo hoe ☺️
Rasazy Mendrika
18/05/2026
Tongava maro oh 😊
Nouvelle tête ndray aloha fa nitombo iray ny taona eh 😄❤️🥰🥂
🌸 Ny tena mba faniriko amin’izao tsingerin-taonako izao anh, de ny hitombo fahasalamana aingana ary hiverina hizara zavatra mahasoa be dia be aminareo indray aoriana kely ao🙏🏻🤞🏻
05/05/2026
Miarahaba antsika Rasazy rehetra nahatratra izao andro maneran-tany ho antsika izao 🥰👩🏼⚕️
(Aleo mba sary tsy manao blouse rose aloha fa efa hitanareo foana ny sariko manao blouse 😅🙈)
🌸 Mirary soa amin’ny asa masina izay sahanintsika fa tena tsy mora io 💪🏻❤️
« Aucune femme ne doit mourir en donnant le vie »
👩🏼⚕️
Rasazy Mendrika
01/04/2026
Efa ato @ radio i-BC i Rasazy oh 😍
90.0 izao anh, afaka miditra mivantana ianareo ❤️
28/03/2026
Ohatran’ireny mba tsisy kibo reny erÿ 🙈😅😍
1mois après nididy
Tao amin’i Tendance Madagascar ilay akanjon’i Rasazy Mendrika ❤️👌
25/03/2026
Efa vonona izahay oh I-BC Radio 90.0 izao afaka mamaly ny fanontanianareo rehetra i Rasazy Mendrika ❤️
23/03/2026
🥰 Iza daholo ilay manana DPA faraparan’ny volana Mars sy début Avril ato oh 🥰
❤️ Rehefa tsinam-bolana ohatr’izao dia faly izahay Rasazy fa maro be ireo vehivavy ho teraka 🤱🏼🤰❤️
(Tsy aiko aloha fa hitako mitombona aminay mampiteraka ilay izy fa tsy hoe minomino foana) 😄
👉 Raha mbola tsy nahita izany volana tsinana izany ianao dia ndana izao mivoaka any an-tokotany dia mijery lanitra fa hita tsara izy ao (ohatran’ny croissant ny lune) 😄😍 🌙🌙
🌙 Ny tsinam-bolana sy ny fotoana hiterahana ho an’ny Malagasy 🇲🇬
• Misy finoana fa rehefa manakaiky ny tsinam-bolana na feno ny volana, dia mitombo ny vehivavy miteraka.
• Lazaina fa misy “hery” avy amin’ny volana misy fiantraikany amin’ny vatan’ny vehivavy, indrindra ny tranon-jaza.
👉Tsy hoe tsy misy teraka rehefa maizim-bolana, misy fa vitsy raha hoarina @ tsinam-bolana sy pleine lune 🌕🌙
❓Efa mba naheno olona niresadresaka an’izany ve
ianao❓
✍️Rasazy Mendrika
Zazalahy avadika zazavavy 🙄🤦🏼♀️
Vidéo hita tany ho any…
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Ankadifotsy
Antananarivo
