CireAko

CireAko

Share

Naturelle, facile à utiliser, efficace🌺
Zero waste,non toxic,eco-friendly🌺
Épilation chez nous - Soin du corps naturel

☎️ 038 96 196 51 / 034 92 606 93

27/05/2026

Efa mangatsiaka izao ny andro, afaka ataonao tiède ny Cireako mba halefaka kokoa ilay texture 🥰🥰

Ny zavatra tokony hotandremana mafy (Ny fahavalon'ny cire)
Ny rano sy ny entona (vapeur) no fahavalo voalohan'ny cire orientale:

1 Tsy mahazo idiran'ny rano: Raha misy rano na dia mitete kely fotsiny aza latsaka ao anatin'ny cire, dia simba ny firafiny (texture) ary lasa tsy afaka mifikitra amin'ny volo intsony.

2 Ny enton-drano (Vapeur): Rehefa manafana amin'ny bain-marie, aza saromana mihitsy ilay lovia na bokaly misy ny cire, satria hivadika ho mitete rano ny entona eo amin'ny sarony ka latsaka ao anatin'ilay cire.

Ireto ny pack mbola dispo:
♦️ Pack simple : 14.000ar
♦️ Pack complet : 22.000ar
♦️ Pack soin : 30.000ar

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93
Cireako, cire orientale 100% naturelle

25/05/2026

Nahafinaritra ve ny paty sy sardine tao 🥰🫢
Ndao aloha hilalao kely sao mba mahazo crédit, jp crédit ao amin’ny commentaire

Dia manomboka rahampitso Talata indray ny livraison antsika manaraka 🥰

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93
Cireako, cire orientale 100% naturelle

24/05/2026

Mankasitraka anareo mpanjifa ❤️❤️
Dia mirary fety sambatra ho antsika rehetra

Miverina miasa izahay ny talata

Ny livraison rehetra dia ny talata avokoa, rahampitso alatsinainy hariva no miverina mamaly anareo ny messaging agent ato aminay ho an’ny mp 🥰

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

22/05/2026

🚗 LIVRAISON GRATUITE RAHAMPITSO! 🚗

Sahirana loatra ka tsy manam-potoana handehanana any amin'ny Salon de beauté? Ny Cireako mihitsy no manatona anao!

🛒 Mp haingana mba tsy ho tara amin'ny livraison rahampitso

➡️ PACK DISPONIBLE
🌸pack simple : 14.000ar
🌸pack complet : 22.000ar
🌸pack soin : 30.000ar

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

22/05/2026

Mandeha rà rehefa manao épilation🤔😬⁉️

1. Inona marina no mitranga? (Ny antony ara-tsiansa tsotra)
Ny volo tsirairay amin'ny vatan'olombelona dia mifandray amin'ny lalan-drà madinika kely dia kely any ambanin'ny hoditra (antsoina hoe capillaires). Io lalan-drà io no mamahana ny volo mba hitomboany.
Rehefa manao épilation amin'ny cire isika, dia ongotana miaraka amin'ny fotony (bulbe) tanteraka ilay volo. Satria voadona tampoka sy mahery vaika io lalan-drà kely mifandray aminy io amin'ny fotoana iongotany, dia misy rà kely mitete mivoaka eo amin'ny lavaka nisy ilay volo. Io no antsoina hoe saignement folliculaire.

2. Ara-dalàna ve izany sa mampidi-doza?
Ara-dalàna tanteraka: Tsy aretina izany ary tsy tokony hampatahotra. Porofo aza izany fa niongotra tsara hatrany amin'ny fotony ilay volo (izay no tanjon'ny épilation mba tsy hampitombo haingana azy).

Iza no matetika tratran'izany?
Ireo olona manana volo matevina sy matanjaka fototra (indrindra amin'ny faritra saro-pady toy ny maillot na helika), na ireo olona vao manomboka manao épilation voalohany amin'ny cire.

3. Inona no tokony hatao eo no ho eo rehefa misy rà mivoaka?
Mba hisorohana ny fidirana otrikaretina satria misokatra ny lavaka nisy ny volo, dia ireto misy dingana tsotra:

Désinfection: Fafana moramora amin'ny compresses madio misy fanafody famonoana otrikaretina tsy misy alcool (ohatra: Biseptine na Chlorhexidine).
Fadio ny fanafody mampirehitra.
Mampitony ny hoditra: Rehefa diovina dia asiana crème mampitony sy manasitrana hoditra (toy ny Cicalfate na Biafine, na gel Aloe Vera madio).

❌Fandrarana: Mandritra ny 24 hatramin'ny 48 ora:
Tsy mahazo manao gommage.
Tsy mampiasa deodorant misy alcool na ranomanitra amin'ilay faritra nesorina volo.
Sorohana ny tsemboka be (fadio aloha ny fanatanjahantena mafy na sauna).

20/05/2026

Hitanay avokoa ireny recommandation sy toraka voninkazo alefanareo amin’ny groupe maro samihafa ireny , faly be izahay mandray azy ireny ary mbola vonona foana hanome ny tsara indrindra 🥰🥰

🌸 Fandraisana commande : Lundi - Samedi (6:30 - 21h) / Dimanche (15h - 21h)
🚴‍♀️ Livraison manomboka amin’ny 3.000ar ( manerana Madagascar) / Ny alahady ihany izahay no tsy misy livraison
☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

19/05/2026

🚨 TENA MIDINA NY VIDINY! 🚨
PROMOTION ato ho ato 🥰🥰

Tsy ho ela dia ho lany ny tahiry! Ho anao izay efa niandry ny fiverenan'ny Argile Verte, izao no fotoana araraotina.

💰 6.000 Ar ❌ -> 4.000 Ar sisa! ✅

➡️Mety ho an'ny tarehy sy ny vatana
➡️ Natoraly sy mandaitra tsara

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

18/05/2026

‼️PROMOTION BANDE VIERGE 100 PIECES ‼️‼️
6.500ar raha 12.000ar foana izy isanandro

Haingana ary fa vitsivitsy ny stock ato 📦

🚴‍♀️ Livraison partout à M/car
☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

15/05/2026

Nianatra momban’ny épilation aho sady manao épilation ihany koa noho izany:
✅ Manaja tsara ny fahadiovan’ny fitaovana sy ny tanana ary ireo rehetra mahakasika izany
✅ Mijery tsara ny sens ny poil
✅ Misintona tsara ny hoditra rehefa manositra na manala ny cire
✅ Tsy manadino ilay pression apaisante rehefa avy manala ny cire amin’ny hoditra
✅ Miadana sy tsy maika (manokana 1h foana izahay séance ny olona iray na mihaotra ary raha séance anao voalohany)
✅ Tsy mampiasa cire mamay be
✅ Mihaino tsara anareo clientes
✅ Tsy manadino manisy huile après épilation

🌸 Aza misalasala ho karakarainay ❤️❤️
📆 Sur rdv hatrany
☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

12/05/2026

Ireto avy ny prix ny manao épilation aty aminay ary sur rdv hatrany, ny Cireako ihany koa dia cire orientale afaka anaovanao épilation ao antrano

🌸 Maillot intégral : 25.000ar
🌸 Aisselles : 8.000ar
🌸 Demi-jambes : 20.000ar
🌸 Jambes entières : 40.000ar

➡️ Pack Cireako
🌸 Pack simple : 14.000ar
🌸 Pack complet : 22.000ar
🌸 Pack soin : 30.000ar

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

10/05/2026

Miala hatramin’ny fakany anie ilay volo oa vao manao épilation dia afaka 3-5 semaine vao maniry indray, mihamanify izy ary misy ny volo tsy miverina maniry

Fantatrao ve hoe misy cycle otran’ny volon-doha ny volo amin’ny vatatsika?
Misy ireo miala dia ela be vao maniry, misy ireo vetivety dia miverina eo ihany?

➡️Raha te anao épilation irery na ao antrano ihany dia produit Cireako mahavita izany

➡️Raha mbola tsy zatra, na matahotra manao épilation irery dia afaka manatona anay (📍 Lieu: IVANDRY)

☎️ 038 96 196 51 - 034 92 606 93

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Antananarivo