Baiboly katolika

Baiboly katolika

Share

Taminy voalohany ny teny , ary ny teny tao amin Andriamanitra ary Andriamanitr ny teny

05/05/2026

πŸ‡»πŸ‡¦ π•π€π•π€πŠπ˜ 𝐍𝐘 πŒππˆπ€ππ€πŠπ€π•π˜ πˆπ’π€π'π€ππƒπ‘πŽπŸ‡»πŸ‡¦

βž– Ry Jesoa be fitiavana indrindra,
izay nanamasina ny fianakaviana voafidinao tety an-tany,
tamin’ny hatsaram-panahy tsy hay lazaina,
sy ny oha-pitondran-tena nomenao tao an-trano,
mba topazo fijery antra ity fianakaviana
miankohoka eto an-tongotrao,
mihanta mba hosoavinao.

βž– Ka tsarovy fa Anao ity fianakaviana ity,
noho izy namehy sy nahafoy tena ho Anao.
Koa aoka mba:
πŸ”· harovan’ny hatsaram-ponao izy,
πŸ”· hafahanao amin’ny loza,
πŸ”· hovonjenao amin’ny maha-ory
πŸ”· ary mba homenao ny herim-po ilainy
haharetana hatramin’ny farany
amin’ny fanarahana ny fianakavianao masina,
ka rahefa nifikitra tamin’ny fanompoana
sy ny fitiavana Anao izy, nandritra ny andro niainany,
dia hahazo hankalaza Anao mandrakizay any an-danitra.

βž– Ry Maria masina, tsara fo indrindra,
mihanta ny fiarovanao izahay,
fa matoky fa tsy ho hain’ny Zanakao lavina ny fangatahanao.

βž–Ary ianao koa, ry Josefa masina,
Patriarka be voninahitra,
mba tahio amin’ny fiarovanao mahery izahay,
ary atero eo am-pelatanan’i Maria ny vavakay,
hatolony an’i Jesoa Kristy.

πŸ™ Amen.πŸ™

Jesoa Maria Josefa :....

24/01/2025

Salama daholy isika mpanaraka paje , somary tsy de nisy ny fampianarana tato fa nisy fahasahiranana kely

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


Antananarivo