Mah Bio Beauté

Mah Bio Beauté

Share

Produits des cheveux
Petite astuce
Divers activités

Abonnez-vous 🥰

11/04/2026

💎Mirary faran'ny herinandro finaritra ho antsika rehetra ❤️ 💐

✨Routine capillaire nataoko teto:

👉Nanao bain d'huile ny alina
👉Dia nosasaina t@ shampooing solide repousse namboariko tato an-trano ny ampitso maraina 🤗 (disponible ato ho ato fa mbola mandamindamina kely)
👉Nanao masque hydratant : zavoka efa masaka 1 +tantely 1sotro fihinanana ( temps de pause :30min)
👉Démêlage : conditioner Cantu , kobanina avy eo ..
👉Soins sans rinçage (Ilay tsy kobanina instony) : Leav'in Cantu
Tsy nampiasa gel aho teto 🤗
Méthode brousse no nataoko

01/04/2026

💎 Mirary volana vaovao feno fahombiazana sy fahasalamana ho antsika rehetra ❤️

31/03/2026

💚 Prends soin de toi 💚
Tes cheveux sont une partie de ta beauté 🌿
Même avec de petits gestes chaque jour, tu peux voir de grands changements ✨
Ne néglige pas ta routine 💆‍♀️

07/03/2026

Alefaso foana ny commande ❤️

H E L L O 👋 ❤️

❌ Tsy mitombo ve ny halavan'ny volonao ?
❌ Maina sy mankina?
❌ Tapatapaka sady vakivaky ?

Tsy hoe tsy mitombo akory izy…
👉 Fa tapatapaka be loatra !

💚 “La meilleure repousse” dia manome sakafo, manamandina ,manamafy ary miaro ny volo.

💡Raha mihena ny tapatapaka ➜ dia hita mihalava sy mihamatevina ny volo ✨

💟 DISPO HATRANY NY ,

✨Format:100ml / 250ml

✨Alefaso ny commande ary ehh

%

27/02/2026

💡Masque yaourt & miel💡
💟AKORA ILAINA:
✨Yaourt Nature 2 sotro fihinanana
✨Tantely 1 sotro fihinanana

💟Fikarakarana sy fampiasàna azy :
Afangaro ny tantely sy ny yaourt ,atao manohitra tsara.
Hisorohana amin'ny volo efa avy nosasaina tamin'ny shampooing (izany hoe volo madio. Ny tahombolo sy ny lohambolo no tena hosorana azy.
Avela hilona 15 -20 minitra avy eo kobanina.
💟 Ny tombontsoa azo ho an'ny volo :
👉Ny yaourt dia manamandina (hydrate) 👉Tantely kosa dia mitazona ny rano ho amin'ny volo mba hahatonga ny volo malefaka sy mangirana.


=

25/02/2026

💇




=

23/02/2026

🌿✨ TOROHEVITRA ANDROANY : Ravingoavy hahazoana volo mafy sy mangirana! ✨🌿
Tsy vitan’ny voankazo ihany ny goavy(goyave) … Fa ny raviny koa manampy be ho an’ny volo !

💡 AHOANA NY FIKARAKARANA AZY ARY?
👉Maka ravingoavy vaovao (feuilles de goyave) 🍃 (Raviny 5–6 )
👉Sasao tsara, ampiana rano 1 litatra ary ampangotrahina mandritra ny 10 minitra
👉Avela hangatsiaka kely
👉Atsifitra amin’ny volo sy ny hodi-doha
👉Avela hilona 30 minitra
👉Sasao amin’ny shampoo mahazatra anao avy eo

✅ NY TOMBONTSOA AZO AVY AMINY:
👉Manamafy ny volo , miaro ny volo tsy hihintsana noho izany
👉Manampy ny volo mba hanana fitomboana
👉Misoroka ny vakivaky sy ny frisottis
👉Mampangirana volo (brillance naturelle)

💚 Astuce bonus : Afangaro kely amin’ny huile de coco na “La meilleure repousse” ho mba hisy "effet encore plus nourrissant"🌿✨




=

18/02/2026

H E L L O 👋 ❤️

❌ Tsy mitombo ve ny halavan'ny volonao ?
❌ Maina sy mankina?
❌ Tapatapaka sady vakivaky ?

Tsy hoe tsy mitombo akory izy…
👉 Fa tapatapaka be loatra !

💚 “La meilleure repousse” dia manome sakafo, manamandina ,manamafy ary miaro ny volo.

💡Raha mihena ny tapatapaka ➜ dia hita mihalava sy mihamatevina ny volo ✨

💟 DISPO HATRANY NY ,

✨Format:100ml / 250ml

✨Alefaso ny commande ary ehh

%

31/01/2026

Izao foana matetika no hiainana 🤣🤣🤣

13/01/2026

🌟 Fikarakarana sy fanadiovana volo 🌿
Ny "Clarifications capillaires " dia fanadiovana ireo ambina ankora (résidus) na loto izay mijanona sy manentsina ny hodidoha sy ny tahombolo .

Ilaina be ny fanaovana clarification ny volo mba ahafahan'ireo soins izay atao miditra tsara aminy indray. Indraindray mantsy tsy mahita vokatra mihitsy ianao amin'ny soins izay atao! Mety tsy ho ampy fanaovana clarification no anton'izany!

Ny fanadiovana volo no vahaolana! 🌸
Ireto misy fomba natoraly hanadiovana volo vita ao an-trano :
✨ 1. Vinaigre de cidre pomme
Afangaro ny 1 sotro fihinanana amin'ny vinaigre de cidre pomme sy rano matimaty (eau tiède) 1 kaopy. Hosorana amin'ny volo efa voasasa, avela 5-10 minitra, dia kobanina tsara avy eo.

✨ 2. Bicarbonate de sodium (karibaonetra)
Mba hanalana tsara ny loto, 1 sotro fihinanana amin'ny bicarbonate sy rano matimaty 1 Kaopy. Hosorana amin'ny volo efa voasasa ary avela 5-10 minitra. Kobanina tsara amin'ny rano matimaty avy eo.

✨ 3. Voasarimakirana sy tantely
Afangaro ny 1 sotro fihinanana amin'ny tantely sy 2 sotro fihinanana voasarimakirana ary rano matimaty 1 kaopy. Ity fikarakarana ity dia manadio nefa tsy manala ny hamandoana amin'ny volo.(Mitazona ny hydratation ),

✨ 4. Charbon actif
Ny charbon actif dia manadio sy manampy amin'ny fanesorana loto, indrindra ireo akora simika sy toxine amin'ny volo.
1 capsule charbon actif sy rano matimaty 1 Kaopy,
Hosorana amin'ny hodi-doha sy tahombolo, avela hilona 5-10 minitra, dia kobanina tsara

🔑 FANAMARIHANA : Aorian'ny fanaovana clarification, aza adino ny manao soins hydratant izany hoe mba hitazomana ny hamandoana amin'ny volonao amin'ny alalan'ny maska manampy hamandoana(masque hydratant) mba hisorohana ny fahasimbana na fahamainan'ny volo.

⛔Indray mandeha isam-bolana ihany no tsara hanaovana ny CLARIFICATIONS CAPILLAIRES

💬 Misafidy iray amin'ireo ihany no ampiasaina an 🥰

01/01/2026

Arahabaina tratry ny taona vaovao 2026 , dia mirary soa antsika rehetra mba ho tateraka ny faniriana rehetra amin'ity taona ity❤️

Ho feno fahombiazana sy fahasalamana ary fanambinana anie ❤️🤩

24/12/2025

🎁Mirary fety sambatra ho antsika rehetra mpanaraka ny pejy 🤗❤️




#2025

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Address


Ambolokandrina
Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 19:30
Tuesday 08:30 - 19:30
Wednesday 08:30 - 19:30
Thursday 08:30 - 18:30
Friday 08:30 - 18:00
19:00 - 20:30
Saturday 08:30 - 12:00