Yanto Fit
Ton objectif devient ma mission 🫡
Experte fitness et nutrition certifiée Biofit
26/05/2026
Kotrana:
Ilay Safe Space mampiditra Zone de Confort anao!
✨Mbola misy mieritreritra ihany hoe panelenana vatana ny kotrana?
Diso be izany ry ireto ah! Ny kotrana no "zone de confort" na ilay corner-nao manokana, hialana amin'ny stress sy hanamboarana ny vatana sy ny saina ho lasa top.
🥰Na mafana be ny andro, na mangatsiaka vao maraina, tsy misy excuses izany fa vao mainka aza manome boost!
Jereo kely ireto tombontsoa be dia be ho azonao ireto:
🧠 Miady sy mi-block ny dépression: Tofoka amin'ny revy ratsy sy eritreritra mavesatra? Ny kotrana no fanafany.
💪 Manome vibe tsara ho an'ny estime de soi: Mahatsiaro ho boss foana ianao rehefa mahavita performance vaovao.
🍃 Manala stress sy manadio saina: Lasa cool sy milamina ny loha rehefa tsemboka tsara.
🎯 Mampianatra ho discipline: Ny olona mahay mitazona rhythm amin'ny kotrana, mahavita zavatra foana eo amin'ny fiainana.
👵 Miaro ny zandrio sy ny zokiolona: Mampihena ny risika ho potraka ho an'ireo dadabe sy renibe satria lasa matanjaka ny tongotra sy ny vanin-taolana.
🍏 Mi-éviter ny diabeta (Type 2): Mandrindra ny siramamy ao anaty rà mba tsy hitondra troble.
🔥 Mampidina lanja sy mandoro tavy: Manala ny "bide" sy ny tavy tsy ilaina, dia lasa misy bika ho azy.
😴 Manome torimaso mavesatra (tsara kely): Rehefa vizana tsara ny vatana, dia matory ho azy toy ny zazakely ary tsy taitaitra alina.
🫀 Mi-booster ny fo: Manatsara ny fihodinan'ny rà, lasa tsy mora sempotra na vizana vetivety.
🔥 Na mafana na mangatsiaka: Tsy misy miala amin'ny revy!Raha maraina mangatsiaka iny, ny kotrana no "chaleur" mampiakatra ny rào sy manome motivation.
Raha mafana be kosa ny andro, dia lasa fotoana "fraîcheur" mampitony ny saina aorian'ny rotoroto rehetra.
Tsy misy antony tokony hihemorana izany!Mbola misy dose maro hafa fa ireto aloha ny santionany ho antsika! ❤️
💬 Commentaire: Iza no te ho salama sy hanana bika tsara? Tag-eo eto ambany ny namanao mba hiara-hifoha hifankahita aminao! 👇
23/05/2026
Satria nisy nimenomenona tamin'ilay tenue de sport, dia aleo ovaina robe sexy indray ny ambiance androany fa mbola hitohy ny buzz... Jereo tsara ny lamosina fa any ny hazon- damosina! 🤫🔥"
Henoy tsara ry hazon- damosiko! 💪🏽
🤫 Raha lazainareo fa 'volamena eo am-bavan'ny kisoa' ny fitafiko, dia tsarovy fa ny voronkely tsy mitsikera ny fiasan'ny papango!
😉 Ny vavanareo lany rora eo, fa izaho vao maika hampitombo ny kotrana sy ny bika.
Tsy misy saiko ho lany mi-gérer ny fialonana any aminareo izany eto.
Ny anao mody manakiana nefa ny sary no tena andrasanao handorana ny jiro! 🕯️
😂 Misaotra tamin'ny buzz fa vao maika hampiakatra ny ambiance ny sary manaraka! 🏋️♀️🐷🔥 "
21/05/2026
❄️ Sakafo Ririnina: Ny tsiambaratelon'ny bika tsara (Tsy ny kotrana ihany!)
Maro ny olona (na lahy na vavy) mihevitra fa rehefa ririnina ny andro, dia ny fidirana gym sy ny fanaovana kotrana mafy fotsiny dia ampy hahazoana bika tsara tarehy.
Rehefa miresaka "Planing Nutrition" indray isika, dia misy ny miteny avy hatrany hoe: "fijaliana izany", "aleoko mikotrana fotsiny" na "tsy ho vitako izany".
Mitady vokatra haingana anefa avy eo!
🤝
Ny telolafy fandresena:
Tsy misaraka ireo!Raha te hahita vokatra mivaingana sy hozatra mivoaka tsara ianao, dia tsy maintsy miara-miasa ireto telo ireto:
1 Ny Kotrana: Manaitra sy mamolavola ny hozatra.
2Ny Sakafo: Ny solika manome hery sy manorina ny hozatra.
3Ny Torimaso: Ny fotoana fanamboarana ny vatana rehefa vizana.
Ny maraka sakafo (nutrition tracking) no tsiambaratelo voalohany.
Ny kotrana irery tsy misy sakafo mifanaraka aminy dia fatiantoka fotoana fotsiny.
🥣 Ny "Top 3" sakafo ririnina mampitombo hozatra ho ahyMba hihazonana ny tanjaka, hanomezana hafanana ny vatana, ary indrindra hampivoasana ny hozatra ho tsara tarehy, ireto misy sakafo 3 tsy miala eo ambony loviako mihitsy izao ririnina izao:
🐟 Trondro matavy: Feno "bonnes graisses" sy proteinina ambony lenta hanamboarana ny hozatra sy hiadiana amin'ny hatsiaka.
🍊 Voankazo voasary: Loharanon'ny Vitaminina C handroasana ny havizanana sy hampitomboana ny hery fiarovana.
🥒 Kokombra (Concombre): Miantoka ny rano ao anatin'ny vatana (hydration) sy manampy amin'ny fandevonan-kanina tsara.
🚀 Vonona ny hanova ny bikanao amin'ity ririnina ity?Tsy fijaliana ny manaraka fandaharan-tsakafo, fa fandaminana fotsiny avy amin'ny mpahay azy!Amin'ny maha Expert certifié BioFitAcademy ahy, mampanantena anao aho fa hifanaraka tsara amin'ny tanjonao sy ny fahasalamanao ny fandaharana hozaraina aminao.
🔥 HO AN'NY OLONA 5 VOALOHANY
🔥Misy PROMO MANOKANA miandry anao mpanoratra voalohany mivoaka eto amin'ity lahatsoratra ity!
👉 Alefaso hafatra miafina (MP) dieny izao ny pejy hahazoanao:
Planing Nutrition manokana mifanaraka amin'ny teti-bolanao sy ny tanjonao.Fandaharam-potoana hikorana (Coaching) hanampy anao hahatratra ny vokatra tadiavinao haingana.
Aza miandry ny fahavaratra vao ho taitra. Atomboy androany ny fanovana!
Inona no tena mampiafana anao? Ny mikotrana irery ve?
🤔Kôzy, manana ny heriny ny mandeha solo.
Ao no hitsapanao ny fiaretanao.
Fa raha te ho lasa lavitra amin'ity lalao ity ianao, mila ekipa, mila namana mafy miara-dia aminao.
💯Ao anatin'ny musculation, tsy misy tany handrosoana irery izany. Mila namana mizara traikefa sy mampivoatra foana ianao.
Rehefa somary kofona amin'ny cardio na efa ho lany fofonaina iny ianao, eo izy manosika anao ho any amin'ny farany, mampisondrotra ny level-nao mba hahatratrarana ilay tanjona.
Rehefa mavesatra ny vy sy mampalemy ny fampuesana, eo ilay namana mandrisika sy manome heritsaina manao hoe: "Vitandrie io! Force!"
🔥Ito video ito dia fisaorana sy fankasitrahana lalina ho an'ny namako iray tena goavana.
🙏✨Misaotra mankahery, nampiofana, ary nahafoy fotoana r'elah.
Tsapako mihitsy hoe tsy irery aho ato anatin'ity taranja ity, fa tena manana mpiraitampo maro be vonona hifanohana.
Ary eto aloha, ity zandriko, Nantenaina Le Tatoué Coach Sportifs Top Model Fitness, tena isaorako mitsatoka!
🤜🤛Lalina loatra ny fitiavako ny kotrana ary vonona ny hitetika hatramin'ny farany aho.
Fa ny fisian'ny namana sy mpirahalahy tahaka izao no vao mainka manome hery double. Andao hiakatra any amin'ny tampony! 🚀💪.. 🇲🇬
16/05/2026
Rehefa mikotrana sy mikarakara vatana ianao, dia tsy maintsy misy miteny foana hoe:
👉 "Fampideraderana fitombenana fotsiny izany" 🍑🙄
👉 "Lasa bokona loatra ka mitovy amin'ny lehilahy" 🏋️♀️❌
👉 "Tsy nature intsony fa feno proteinina" 🥛🧪
Feo miantso ao an-tsaina fotsiny ireo fa mbola marobe ny filazanareo ao! 😂🤷♂️
🥂 Bon week-end daholo o! 🎉
14/05/2026
🏋️ NAHOANA NO TSY TOKONY HO AJANONA NY FIBATANA « POIDS » REHEFA RIRININA?
❄️
Maro amintsika no kamo be mihitsy hihetsika rehefa ririnina ny andro, indrindra fa ny handeha any amin'ny salle de sport! 🛌❌Ny antony?
Ny hatsiaka mantsy dia manetsika sy mampanaintaina ny atetin'ny vanin-taolana.
😣 Noho io fanaintainana io, dia lasa kamo tanteraka ny olona satria matahotra ny hihamafy sy hitomboan'ny marary ny vatany.
⚡🔥 MIFANOHITRA TANTERAKA AMIN'NY TOKONY HO IZY ANEFA ZANY!
🔥Rehefa mangatsiaka ny andro, ny fanaovana kotrana mibata poids (musculation) no fitaovana tsara indrindra ho anao:
💪 Mamokatra hafanana be: Ny hozatra miasa amin'ny poids dia manafana ny vatana haingana sy maharitra.
🦴 Miaro ny vanin-taolana: Ny fibatana poids tsara rindra dia manamafy ny hozatra manodidina ny vanin-taolana ary manala ny "raideur" vokatry ny hatsiaka.
🩸 Mampandriaka ny ra: Misoroka ny aretina isan-karazany amin'ny ririnina.
🚀 TENY FAMPORISIHANA HO ANAO:Aza avela handresy anao ny hatsiaka sy ny hakamoana ao am-pandriana!
🛌 Repozy be loatra vao mainka mampitombo ny fanaintainana.
Ento any amin'ny salle io vatanao io, batao ny poids, tsembaho tsara, fa ny ezaka ataonao androany no hanafana sy hiaro ny fahasalamanao rahampitso! 🔥🏋️♂️
Miarahaba daholo amaly fanontaniana iray aho anio jereo ny video sy fanazavako✋
"Tsy te ho bokona aho fa hanao ambany fotsiny"
❌: Hevitra diso matetika io amin'ny vehivavy manao prise de masse.
Ny marina dia izao: rehefa mampiasa vatana ianao, dia mandoro tavy ny vatanao manontolo 🔥.
Tsy misy hoe ny tavy amin'ny kibo ihany no voadoro na ny amin'ny feny ihany.
Na inona na inona tanjonao (objectif), na te hihena, na te hivaingana, dia mila manetsika vatana foana ianao!
💯Ny fanaovana "haut du corps" dia manampy anao:
✅ Hanana "posture" tsara sy mahitsy.
✅ Hampitombo ny hery hanaovanao ny "bas".
✅ Handoro tavy haingana kokoa.
Izaho manokana dia manome izany fampianarana izany ho anareo 🏋️♀️.
Tena tsy mitsitsy mihitsy aho mizara ny traikefako satria fantatro fa ny fahasalamanao no zava-dehibe indrindra, ary aiko tsara ny asako!
💪✨Tsy ho lasa "musclé" be tahaka ny lehilahy ianao, fa ho kanto sy mirindra ny vatanao. Andao hiaraka hiezaka! 🚀
09/05/2026
Tena efa love story be mihitsy izahay sy ity kotrana ity, ka aza manantena hoe hisaraka!
😂 Efa tena tiako loatra ilay izy sady mahasoa, ka na mangovitra aza ny tongotra dia "no pain, no gain" foana!
💪✨Tsy hiala amin'ity mihitsy aho fa efa voafatotra ho mandrakizay. My passion, my rules!
⚡️ Na ho reraka eo aza, aleo ihany mitady "fitness goals" toy izay mitady olana! 🏋️♂️🤣🔥
07/05/2026
Miarahaba takariva anio valiko eto ireo comentaire manana olana fitafiana sy paoziko eto 🧐🏋️♂️
"Asa madio sy manara-penitra no ataoko eto. Ny akanjo mpikotrana dia natao hikotranana , fa tsy natao hifandaharana. Ny hery sy ny vokatra no valin-teniko! 💪🏾😤"
05/05/2026
RIRININA SY KOTRANA: NY SAKAFO NO HERY VAO! ❄️⚡
Mafana ve ny kotrana nefa mangatsiaka ny andro? 🥶 Tandremo ny vavony fa somary malaina handevon-kanina izy izao!
Nefa tadidio: ny sakafo voalanjalanja no "recharge" voalohany ho an'ny hozatrao.
💪Ireto ny fomba fihinanana azy ho anao mpikotrana: 🍽️🥩 Ny Proteinina no fototra:
Ny hena sy ny trondro dia tena ilaina amin'ny fanamboarana ny hozatra (muscle) aorian'ny ezaka nataonao.
🥚 Atody isan'andro: Sakafo feno sy mora levonina ny atody, tonga dia hery vao ho an'ny vatana!
🔥 Sakafo mafana foana: Amin'izao andro izao, aleo masaka tsara sy mafana foana ny hena sy ny trondro mba hanampiana ny vavony hiasa malaky.
🥗 Ampiaraho legioma: Mba tsy hampavesatra ny vavony, ampiaraho legioma kely foana ny hena na ny atody hohaninao.
🚫🧊 Halaviro ny ranomandry: Misotroa rano amin'ny maripana antonony mba tsy hikatso ny fandevonan-kanina.
Aza avela ho lany hery ny vatana, omeo izay tsara indrindra izy! ✨🏋️♂️
04/05/2026
Amboarina kely ny pôzy hiatrika an'ity kotrana ity!
🧢👟 Lundi vaovao indray izao ka tsy maintsy vitaina ny fanamby.
Aleo aloha milamina tsara ny fisehoana vao miatrika an'ilay izy, amin'izay koa mba mivoaka tsara ny motivation!
💪🔥Atovy anaty commentaire hoe inona ny pozy ataonao alohan'ny kotrana?
👇"
Click here to claim your Sponsored Listing.
Telephone
Website
Address
Antananarivo
102
