VIDIRA

VIDIRA

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from VIDIRA, Beauty, cosmetic & personal care, Antananarivo.

🌺 Esthéticienne Cosmeticienne✨Skincare holistique 🌿 Vente produits cosmétiques naturels pour prendre soin de ta peau à la maison 🥰 Diagnostic de peau (en ligne & presentiel) - Accompagnement!

05/07/2026

💥Ianao io ve izany mihevitra fa io tarehinao 20 taona io ihany no mbola tarehinao rehefa 60 taona❓❓❓

👉Tena maro dia maro izay no manontany vahaolana momba ny rides amiko. Hatramin'ny olona efa 70 taona aza miteny ahy hoe za te ho ohatrany tarehinao io . Dia hoy aho hoe izaho anie ka 30 taona eh😁😁😁

💁Mamela ahy aloha ianareo hilaza zavatra mety tsy ho tian'ny maro kanefa MARINA 👌

✅Ny ketrona na koa rides dia famantarana fa miroso ny taona.
Izany hoe zazakely 5 taona tsy ho hitanao hisy rides mihintsy fa olona manomboka 30 taona eo no tena hitrangan'ny rides ary mitombo foana iny mandraha antitra raha tena tsy miasa saina fikarakarana endrika.

⌛Ny taona mandroso dia voajanahary ary TSY voafehintsika na oviana na oviana. Noho izany tsy hiady amin'io FOTOANA io mihintsy isika. Ka ny tiako hisintomana ny sainareo dia izao : olona maty tanora angamba no hoe tanora mandrapahafaty. Ary tsy misy maniry an'izany. Fa raha te ho tratra antitra ianao misy zavatra vitsy2 tokony eken'ny sainao dia ireo RIDES izany.

🌺Ny tena marina ny antony hikoloana ny vatana sy endrika dia mba hiemotra araka izay azo atao ... Je répète "araka izay azo atao" ny fisehon'ilay rides.

Izany hoe raha feno 60 taona ianao dia everin'olona fa olona 50 taona🥰🥰🥰

💚Ny fomba hitazomana fahatanorana dia tsy fanosorana produit ihany fa ireto koa dia ilaina :
◾Fanatanjahan-tena : sport, cardio
◾Sakafo tandremana : ara-pahasalamana hatrany
◾ Gestion de stress : ny fiasana saina be dia maha antitra haingana. Ny fahakizitinana koa.
◾Ny torimaso ✨
◾Miaro hoditra amin'ny masoandro

⭐Raha manontany olona efa 60 taona ianao kanefa tena hita fa mbola midradrika tsara na vatana na tarehy dia tsy maintsy fitambaran'ireo mahatonga izany fa tsy hoe misy produit iray miracle nosorany.

⏰Ary ity ny farany : dieny ianao 25 taona dia efa mikarakara ny tena manaraka ireo fa tsy hoe efa 60 taona izay vao andeha hanao footing ❌tsy any lalana an! Zavatra efa fahazarana hatramin'izay fahatanorana no mitondra anao amin'ny fahanterana mahafinaritra ❗

🌿Raha tianao arovana amin'ny Premiers rides ny hoditrao dia 25 taona tokony efa mikarakara tarehy. Aza miandry misy olana✨

Ny rides koa misy karazany. Diagnostic no ahafahana mamaritra hoe inona no tena antony mahatonga azy. Ary azo atao mampihena na anala rides raha mbola tsy tena lalina be ilay izy

Resadresaka kely iny fa misokatra izay Rahampitso ary manao livraison ihany koa.
🪶 Diagnostic de peau na en ligne na en présentiel disponible hatrany. Afaka manoratra aty aminay raha liana amin'izay.

👉 Ahoana ny hevitrao
Alefaso anaty commentaire fa tiako mamaky irenh🥰

🌿Tolory ny tsara indrindra avy amin'ny Natiora ny hoditrao ✨

05/07/2026

🪶Na ny paradisa aza mitaky fahafatesana✨
Rehefa te ahazo zavatra iray ianao dia mila manary zavatra hafa koa

Finaritr'eh 🌿

Ity tenin'ny Albert Einstein ity dia mampahatsiahy antsika fa mila "sacrifices" foana amin'ny fiainana rehefa te ahazo zavatra tsara

👉Matetika moa fotoana sy vola no tena very ahazoana zavatra mahasoa
👉Ndray2 zavatra goavana kokoa no very ahazoana tsara kokoa noho izay

Mirary soa antsika amin'ity Alahady ity 🥰

04/07/2026

❎Tsy miasa io rehefa maina❎
Mila mando ilay izy mba ahafahany mandefa ny soa vitamines rehetra mankany amin'ny hoditra sy hitrohany ireo toxines anaty hoditrao

✅ Rehefa maina dia vaporiseo rano👌

04/07/2026

❌HADISOANA❌
Maro ianareo mihevitra fa lasa nivadika PEAU SÈCHE ny peau anareo amin'izao mangatsiaka izao... Ka ny sasany lasa manao produit pour peau sèche mihintsy 😱

❗TANDREMO fa ny type de peau tsy miova fa ny état de peau no miova❗

🌿 Finaritr'eh 🥰
Raha anisany manao io hadisoana io ianao dia angatahako kely ny fotoana nao hamaky ity fanazavana ity👇

✅Hanao fampahatsiahivana kely aho momba ny type de peau sèche
👉Tsy ampy sébum izy (tsy mamokatra sebum araky ny ilain'ny hoditra)
👉 Ny sebum anefa no miaro ny hoditra amin'ny hatsiaka sy karazana pollution ary ny tontolo manodidina ny hoditra. Ny sebum koa dia mitazona ny rano amin'ny hoditra tsy ho very betsaka loatra.
👉Noho izany lasa tsy manana fiarovanizy ka misy ireto : mora andairan-javatra ka lasa menamena , marokoroko, mora déshydratée ka lasa miofaka, mienjakenjana sns...

💥Eto no mila concentrée tsara ianao :

💁Ireo mariky ny déshydratation ireo dia mety hitranga amin'ny type de peau hafa rehefa tsy ampy rano izy (déshydratée).

🤔Inona no idirany amin'izao hatsiaka izao❓
Rehefa mangatsiaka ny andro dia reto no mitranga :
- maina ny rivotra manodidina antsika
- tsy dia misotro rano ianao

❌Noho izay dia lasa déshydratée ny vatanao ka misy fiantraikany amin'ny hoditrao izany dia miseho ireo famaritana etsy ambony❌

📌Ny amehezako azy dia izao :
🍀Ny type de peau rehetra : grasse, mixte, Normal, mature, sèche
Dia mety hitrangana déshydratation de la peau daholo.
🍀Type de peau ilay déshydratée noho izany azo atao tsara ny mikarakara azy hiverina amin'ny laoniny

🌺VAHAOLANA🌺
◾manao soin du visage (mitandrina kokoa ary manaraka tsara)
◾Ampiana beurre de karité sy gel aloe vera ny routine efa nataonao teo aloha
◾Raha tsy mbola nikarakara tarehy mintsy dia entaniko ianao hanomboka amin'izay
◾Ho an'ny zazakely kosa dia dia huile de coco na amande douce no osorana amin'ny vatany sy tarehy
◾ Farany dia misotroa rano na mangatsiaka ny andro satria tsy miova ny filan'ny vatanao rano rehefa mangatsiaka ny andro👌

⭐Raha toa ka mila routine de soin ianao mifanaraka amin'ny olana nao dia afaka manoratra aty aminay atao diagnostic aloha⭐ point de vente misokatra ka hatramin'ny 12h30 hatrany⭐

🪶Sorato ao anaty commentaire hoe déshydratée raha anisany misy io tranga io tarehinao 🥰

Mirary tontolo andro mahafinaritra ho anao😍

Photos from VIDIRA's post 03/07/2026

💁Hainao ve manavaka ireo ❓
Iza amin'ireo no anananao?

03/07/2026

Tsiahy... Fantatrao ve ny dikany hoe natoraly

03/07/2026

✅VIDIRA dia orinasa Malagasy mamokatra vokatra avy amin'ny natiora🌿 ahafahana mampiasa azy anatsarana ny endrika ✨

TAREHY - VATANA - VOLO ✨

📌 Esthéticienne no manao diagnostic anareo. Ary ny produit vokarina dia hiaraha-miasa amin'ny mpamokatra sy matihanina Malagasy🥰

🌺Raha tia astuce de grand mère sy karazana recette skincare ireny ianao. Kanefa tena tsy mahita résultat foana. Dia natao ho anao ny produit anay.

🍀Ho an'ireo tia mikarakara tarehy any an-trano aloha ny produit anay hatreto. Fa izahay kosa dia manaraka anao, manoro ary mano accompagnement mandrapaha afaka ny olanao. Fiaraha- miasa ny anay sy client ahazoana vokatra.

🥰Raha toa ianao ka mifanandrify amin'ireo. Dia araho ny pejy, ataovy diagnostic ny hoditrao dia atomboy amin'izay ilay fikarakarana tarehy fa ny taona anie ka tsy miandry eh😁

Ka hatramin'ny rahampitso dia mahazo cadeau mini lotion izay rehetra manao achat +50 000Ar
💚Izay rehetra manjifa routine de soin complète kosa dia omena azy ny savony (savon offert). Midina noho izany prix an'ireo produit

- produit routine miala panda 89 000Ar au lieu de 99 000Ar
- produit routine miala mony 89 000Ar au lieu de 99 000Ar
- produit routine peau grasse tsotra tsy misy olana 58 000Ar au lieu de 68 000Ar
- misy routine izay mifanaraka amin'ilay olana nao ato aminay. Hita amin'ny diagnostic izay🥰🥰🥰

Bon apres midi daholo .
Anio tolakandro izahay mikatona kely aloha an. Rahampitso indrah😘😘😘

03/07/2026

😱Ny tarehy lasa manja sy jeune be dia ny tenda sy tratra mikorokorotra❗

🌿 Finaritr'eh!
Maro dia maro isika no manosotra zavatra amin'ny tarehy dia mijanona hatreo amin'ny saoka foana. Kanefa tokony tohizana hatrany amin'ny tenda, tratra ary atoka ny fanosorana.

💁Satria ireo faritra ireo dia mitovy amin'ny hoditra amin'ny tarehy koa ny sensibilité any. Eny hatramin'ny crème solaire izany🔅

✅Mahay zava-baovao indray ianao anio.
Raha tianao ny fizarana momba ny fikarakarana tarehy sy vatana dia asaiko ianao anaraka ny pejy hatrany 👉kitiho ilay "suivre"

🥰Ianao ve efa anisan'ireo manosotra amin'ny tenda koa sa izao vao hanao ❓

📌Anio ny point de vente dia mikatona 14h00 ka manasa anareo izay rehetra hanjifa mivantana ho Tonga alohan'izay.

💥Mbola afaka mandray commande izahay ka hatramin'ny 8h ho an'ny livraison anio 🥰

Mirary soa ho anao sy ny hoditrao ho lavitry ny rayon UV!

02/07/2026

Déshydratée ilay peau anao fa tsy hoe lasa peau sèche ✨
Rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro dia lasa maina ny rivotra la miy fiantraikany amin'ny hoditrao izany.

Tsy miova ny type de peau anao. Fa ny etat any no lasa tsy ampy rano.
Ny tokony ataonao : asio anio aloe vera io 'ny routine nao.

Efa natao 50ml mba afaka manjifa daholo ny rehetra😍😍😍

- azonao atao cure mihintsy isak'alina manao azy herinandro
- azo atao masque hydratant aorian'ny masque poudre koa anefa

Ny aloe vera dia mitondra rano amin'ilay hoditrao mihintsy.
Fa na zany aza alainao koa ny misotro rano an.

✅50ml : 13 0000Ar✨

Maharitra ela io an. Alefaso ny commande😍😍😍

02/07/2026

🤔Lasa ny saiko... izao oah eh! Tao anatin'ny herintaona niovana Anarana VIDIRA dia betsaka ny produit najanona...

❌Huile végétale karazany maromaro, nisy savon ihany koa.

💁Fa nisy produit hafa novokarinay koa toy ny : Gamme TSIRY, crèmes solaire, gel aloe vera, savon hafa...

💚Fa mila ny hevitrareo aho eto hoe : inona ny service na produit tianareo hita ato aminay❓

📌Marihako kely fa izahay dia mamokatra marque nay manokana. Produit VIDIRA fa tsy mivarotra marque hafa. Ary VITA MALAGASY daholo sy manandratra ny akora eto Madagasikara (raha mbola hita eto sy azo atao eto. Efa sy afaka manoatra vao manafatra raha ilaina)

Dia atao mifanaraka amin'izay ilay hevitra aroso🥰

Miandry anareo aho ary fa tsy andriki izay hamakiako commentaire 😁😁😁

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address


Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:30 - 17:00
Tuesday 08:30 - 17:00
Wednesday 08:30 - 17:00
Thursday 08:30 - 17:00
Friday 08:30 - 17:00
Saturday 08:30 - 12:30