Succè avec Johnny

Succè avec Johnny

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Succè avec Johnny, Health/Beauty, Ambolikandrina, Antananarivo.

31/08/2023

Ity indray fambolena vzavoca vaovao zay malaky be

30/08/2023

Ny fisian'ny mpanaratsy no hery manosika @ fahombiazana.

Ry namana,
Aza tezitra raha kianin'olo ianao,
Aza malahelo raha akivin'olo ianao,
Aza kivy raha halain'olo baraka ianao,
Aza sesika raha latsain'olo sy adalain'olo ianao,
Aza atao ampo raha ataon'olo maivandoha ianao,

Aza raisinao @ lafiny ratsy ny tenin'olo momba anao,fa raiso ho fahombiazana ho anao izany,
Ilaina tena ilaina eo @ fahombiazana ny fisian'ny mpanaratsy sy mpanakiana fa izany no mahatonga anao miezaka mafy sy hahomby @ fiainana,

Ny fiainana mila taitairina, ny vatana sy ny fo mila tsindromina vao mampitsiry ny nofinofy sy afaka mikiry mafy,
Zaho aloha mankasitraka ny fisian'ireny fahavalo ireny,
Ireny no manosika ny herijikako mba mampahomby ahy hatrany sady manitsy ny lalako,

Mirary soa ee,

Andao androso

27/08/2023

I Jesoa tonga mba hampandresy anao,

Andriamanitra dia manana fikasana tsara ho anao,
Dia ny hahatafita anao mba ho sambatra sy hiadana ianao sy ny ankohonanao,
Raiso ao amponao Izy ary aza matahotra mifantoha @ Heriny sy fitahiany anao ka tanteraho izay takiny aminao dia ho tanteraka aminao izany,

Mirary ny fahasoavan'ny TOMPO ho anao,

Andao handroso

26/08/2023

C'est une belle maison

26/08/2023

Ny MAHATONGA OLONA TSY MAHITA ASA

Ry namana,
Maro ny olona,tanora no mitaraina tsy mahita asa,miaina ao anatin'ny fahasahirana ary lasa vesatrin'ny Ray amandreny mihitsy koa,

Eny ekena fa nianatra ianao,mety manana diplôma ianao,ka manana faniriana ho lasa mpiasampan-jakana sy ho lasa mpiasa birao ka mifidy asa ianao,
Zao anefa tadidio,mbola firenena mahantra ny firenentsika,mbola kely ny sehatr'asa misy eto aminintsika zay tsy mifanaraka @ hamaroan'olona manana diplôma,
Mbola manjaka ny kolikoly sy ny politika ratsy sy maloto eto amintsika,ataon'ireo mpisehatra aminy,
Mazava hoazy raha be ny olona tsy an'asa,

Nohon'izany ry namako,
-ampiasao ny coconao,
-mitadiava zavatra mety atao mba hampidi-bola,
-miezaha mananganjavatra
-miezaha miainga amibzay misy eo ampelatanana,
-manomboha @ kely ho lasa lehibe,
-manomboha @ 10000ar ho lasa 1000000000ar afaka telo taona raha ela indrindra,
Aza miriry na mifidy asa aloha fa ataovy izay hanangonanao vola,

Andao handroso

25/08/2023

Mba asio teny kely oee

25/08/2023

IREO SECREN'NY FAHOMBIAZANA

Maro ny mikofoka nefa tsy hita ny vokany,
Maro ny tehanangana orin'asa nefa tsy mahajoro,tsy manana fond hoy ny sasany,
Maro te-ho TAFITA nefa tsy tafihetsika ,tsy manana idée na tsy mahita hevitra,

Zaho taloha otrizany koa
Fa zao lazaiko anao ry namana
Rehefa manana nofy ka manapekitra hanatanteraka azy tsy maintsy tafa ianao,
Rehefa vonona hiaritra jaly sy hiaina fifihezankibo sy vava ianao dia tsy maintsy,
Rehefa mifantoka amin'ny orin'asanao sy ny fahombiazanao ianao dia tsy maintsy tafa,
Raha tia mifandray amin'olo mahomby sy tia mianatra, mamonjy conferance ary tia mamaky boky ianao dia tsy maintsy tafa,
Raha manana sy mifandray @ Hery hafa ianao dia tsy maintsy tafa,

Na dia tsy misy vola ariary anao dia hafaka manangana orin'asa ianao,

Andao handroso

20/08/2023

Mba teho-TAFITA ve anao.

Dia ataovy FADY MITENY ireto fiteny ireto:
-zaho olona tsisy raha hay,
-zaho olona mijaly sy sahirana,
-zaho olona tsy misy vola
-zaho zanak'olona sahirana,mijaly,mahantra
-zaho ity olona nengarambitana
-fiainana ity tena sarotra,

Ry namana mba fantrao ve fa ny olombelona dia zohin'ny HERY anankiroa,dia ny herin'ny fandravana zay mahatonga ny fahoriana,sy ny HERIN'NY FAHOMBIAZANA zay mahatonga anao hahomby @ fiainana,
Ireo hery roa ireo dia miaraka aminao fona na mandeha na matory, raha mbola velon'aina ianao,
Tadidio fa isak'ianao miteny ireo fiteny ambony ireo dia manome hery fandravana ka hahantra sy tsy hahomby fona anao.
Alaviro ary fadio mihitsy miteny io,
Natao olo ahomby sy mpandresy ianao.
Andao handroso

Send a message to learn more

13/08/2023

J'ai creé cette page pour aider les gens d'atteindre ses objectif et ses rêve.

13/08/2023

J'ai creé cette page pour aider les gens d'atteindre ses objectif et realiser ses rêves ainsi qwe vivre dans societé fiable.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Ambolikandrina
Antananarivo