Tantely Feno Fitahiana

Tantely Feno Fitahiana

Share

tantely bio

20/08/2025
Photos from Tantely Feno Fitahiana 's post 27/06/2025
Photos from Tantely Feno Fitahiana 's post 27/06/2025

Tsy koba iany ny vokatra vokarinay fa manao cake koa izahay, 10 000 ariary ny 1
Cake au yaourt

13/06/2025

Andao ndray hanadio tarehy amin'ny fomba natioraly e
Ny zavatra ilaina:
- akondro masaka 1/2
- tantely 1 sotro
Potehina tsara ny akondro, asiana tantely 1 sotro. Afangaro dia hosorana amin'ny tarehy, ataovy mihodikodina moramora mandritran'ny 3 minitra, avy eo sasao amin'ny rano matimaty
Tombontsoa :
Hoditra malefaka, madio, manja.

10/06/2025

Hoavy ity ny fetin'ny ray koa ity ary misy recette salade de museau revisité hatolotra hoan'ny ray rehetra
Ny zavatra ilaina:
- vavan'omby masaka tsara,
- salady maintso (laitue, romaine...)
- karaoty 2
- concombre 1
- voatabia kely,
- tongolo gasy kely
- tongolo be iray
- sakamalaho
-menaka oliva
- vinaigre, sira, dipoavatra
- persil sy kotomila kely
Fomba fanamboarana azy:
Andrahoina amin'ny sira sy zava-manitra kely ny vavan'omby mandra-pahaleminy tsara
Avela hangatsiaka tsara, tapahina manify
Sasao sy tetehina ny legioma rehetra
Afangaro anaty vilia baolina lehibe ny salady, karaoty, concombre, voatabia, tongolo gasy, sakamalaho
Ampidirina ao ny vavan'omby masaka sady efa voatetika manify ary afangaro tsara
Araraka ao ny saosy vinaigrette ary rarahana sésames grillé
- Saosy:
Afangaro ao anaty vilia jobo kely ny vinaigre, menaka, poivre, sira ary ny tongolo be
TOMBOTSOA HOAN'NY FAHASALAMANA
- vavan'omby: protéines hanome hery
- legioma : fibra ary vitamina
- menaka oliva sy sésames: asidra matavy ilain'ny vatana
-sésames : mineraly sy otrikaina manamafy hery fiarovana
AZA HADINO NY M**O KOBA REVISITÉ HATAO TSINDRI-TSAKAFO

08/06/2025

M**O KOBA REVISITÉ
Tsiro malagasy miaraka amin'ny fomba vaovao.
Tongasoa eto amin'ny pejinay ofisialy, izahay de manolotra m**o koba tsy toy ny mahazatra: tsara jerena, mamy sy matsiro, vita amin'ny fitiavana sy fahaiza-manao. Natao hanomezana aina vaovao ny sakafo nentin-drazana, saingy mbola mitahiry ny tsiron'ny fahazazana.
Ireto m**o koba gasy ireto dia vita amin'ny akora voa-janahary sy voafantina: koba vary, akondro masaka tsara, ronono, dobera, lafarinina........sady namboarina amin'ny fomba madio, matsiro ary manintona
Mandray commande isan'andro izahay ary raha mahaliana anao dia manorata hafatra miafina (mp)

04/06/2025

Andao hianatra hanamboatra donut ndray e

02/06/2025

Mbola tsy nanandrana?
Tongava manandrana ny m**o koba nentim-paharazana novaina (revisité) amin'ny fomba manokana sy tsiro miavaka. Vita avy amin'ny akora voajanahary, matsiro ary madio

Photos from Tantely Feno Fitahiana 's post 30/05/2025

Misaotra anareo mpanjifa m**o koba revisité ato aminay. Santionany m**o no livrena androany ireo. Io anankiray marron io godrogodro au coco.
Azafapo tanteraka izay ni commande satria tena tsara ilay m**o tsy mitovy amin'ilaykoba mahazatra ny tsirony,

Photos from Tantely Feno Fitahiana 's post 21/05/2025

M**o Koba tafita amin'ny fiainana n'a hoe koba revisité
Tsy mitovy amin'ny m**o koba mahazatra io an fa misy ingrédients spécial miaraka aminy.
Hoanao izay te handrana de afaka manoratra ao amin'ny mp manao commande

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Antananarivo