Astuces Kely

Astuces Kely

Share

Fikafika kely mety hahasoa anao
Miara miaina amin'ny Natiora

29/02/2024

DISSOLVANT FAIT MAISON

Raha toa ka lany ny dissolvant anao dia ty misy Astuces Kely atoroko ho anao
MANAMBOTRA DISSOLVANT vita ao an trano
Mila tsika alcool 90Β°
Siramamy
Coton mazava ho azy hamafatsika azy

Zao ary no atao eh

Ataotsika amin ny baolina kely ilay alcool ah dia asitsika siramamy 2 sotro fihinana dia karohana mandrapa levon ilay siramamy

Vita zay dia ataovy anaty tavohangy kely reny dia afak ampiasainao analanao vernis anao

MIRARY TONTOLO ANDRO MAHAFINARITRA

21/02/2024

Astuces Kely VACCIN ZAZAKELY πŸ’‰πŸ’‰

VACCIN AMIN NY FEHY NO RESAKA ETO AH

Matahotra tsika reny rehefa atao vaccin zay ny zazakely tsika
Normal be nefa izany indrindra isika sambany vao reny
Dia matetika ny fataotsika, ilay olona miaraka amitsika no hasaitsika mitondra azy ho tsondromina ao

❌❌ FADIO ZAY MANOMBOKA IZAO❌❌

Ianao reniny io mitsy ah no mila mitazona azy
Amin izay izy MAHATOKY TSARA (rassurer) fa tsy maninona fa efa i Neny no eto akaiky, tsisy atahorako izany na dia marary aza

Rehefa vita ny vaccin dia mazana ilay dokotera na rasazy mpanindrona eo miteny mafanafana izy aveo fa omeo an izao sy izao ah
Dia misy torohevitra kely atoronay anao, adin iray mialohany vaccin izy no omenao an ilay ody hafanana di aoitanao fa tsy aninona mihitsy aorin izay

21/02/2024

Rehefa manana nofinofy ianao, manana tanjona ihany koa
N inona n inona fahasarotany
N inona ihany koa lazain ny olona hoe ho vitanao sa tsy ho vitanao
Aza avela fa tanteraho hatramin ny farany
Ny nenina lehibe indrindra, dia ianao tsy nanao n inona n inona akory
Tanteraho, ataovy fa indray andro any isaotra ny tenanao ianao
πŸ₯°πŸ˜πŸ˜πŸ₯°

21/02/2024

Ty misy fikafika kely MANAFOTSY NIFY πŸ˜πŸ‘„πŸ‘„ afaka atao tsara ao an trano
-citron
-karibonetra
Ireo fotsiny no ilaina
Maka karbonetra erakin ny sotrokely ianao ah dia citron tapany dia afangaro ireo mandrapa hahazo otrany pate a dentifrice
Alohan ny i borosinao nify dia miborosy nify aminio aloha ianao zay vao mapiasa dentifrice fapiasanao
Zay indray ary aloha ny Astuces Kely tsika fa miraray tontolo andro sambatra

20/02/2024

Astuces Kely HO AN TSIKA TIA VONINKAZO INDRAY ITY AH πŸͺ»πŸͺ»πŸŒ·πŸŒ·

Fantatsika tsara fa misy an ireny biby kely tsy hita maso ireny manimba ny voninkazotsika. Tsy hitantsika izay anaovana azy dia ity misy fikafika kely atoronay anao

HUILE D OLIVE no ilaintsika
BOUTEILLE SPRAY

Fenotsika rano ilay bouteille spray dia apina huile d olive 1 sotro (arakarakin ny fahamarony voninkazonao) fihinana, ahotsana tsara dia iny no atsifitra amin ny ravina vonikazo

Tsy vitan izay miaro ny voninkazonao ny huile d olive fa manome aina sy mampaharitra be ny voninkazo

Zay indray ary ny Astuces Kely tsika eh

Mirary soa

20/02/2024

TONTOLO ANDRO TSARA

Te ho ravoravo ve ianao mandritran ny tontolo andronao πŸ˜„πŸ˜ƒ
Lazao ireto teny ireto fa hanampy be dia be anao izany

-Ray o Ianao no hialoha lalana ahy sy manambotra ny lalako androany

-Apetrako eo an tananao ny androko androany

-Voninahitra ho Anao irery ihany

Satria hainy Tompo ny zavatra rehetra, hainy mandamina ny fiainanao dia Mahatoky Azy

πŸ™πŸ™πŸ™

20/02/2024

REHEFA AVY ANY AN TSEKOLY NY ZAZA

Tsy dia fataotsika Ray aman dreny loatra ny miresaka amin ny zaza rehefa avy mianatra any an tsekoly izy ireny noho ny ilay havizanatsika amin ny fiainana andavandro
Nefa dia tokony hataotsika mihintsy ny mba manotany azy ireny, izay no midika fa liana amin ny fiainany izy ireo isika

Manampy atsika amin ny fahalalana bebe kokoa azy ireo izy, indrindra fa ny any am pianaran izy ireo

Misy fanontanina vitsivitsy ireto afaka apetrakao amin ny zanakao rehefa izy avy any an tsekoly ireny, na dia iray isanandro ary dia efa mety

- Inona ny zavatra tianao sy nahafinaritra anao tany am pianarana tany?

-Inona fotoana tena nankafizinao tamy tontolo andronao androany?

-Tanisao ireo zavatra nataonareo tany an tsekoly tany androany?

-Inona ny zavatra tsy tianao androany tontolo?

Amin ny alalan ny fanotaniana no hahafataranao ny mombany zanakao. Afaka mamorona amin izay zavatra miseho ianao hahafahana mamantatra azy tsara
Hahafahatsika miheno azy koa ny fametrahatsika fanotanina azy; mahay maneho izay any am pony koa izy amin izay

Mankasitraka atsika indray ary nifampizara taminay
πŸ™πŸ™πŸ™πŸ™

19/02/2024

KOHAKA MAINA
Izao vaninandro andalovatsika izao ilay vaninandro tena mora mamparary kely sady tsy mifidy fa na ny kely na ny lehibe dia tratra avokoa

IRESAKA MIKASIKA NY KOHAKA INDRAY ISIKA ETO
Ny kohaka moa arakin ny fahafataratsika azy dia na mangatsika ny tratra na misy mikiraoba dia anjaranao no misafidy hoe na ampiasa Astuces Kely na mandeha dokotera

ITY ARY NY Astuces Kely sady tsotra kely
Fiantobohan ny kohaka moa izany dia maina foana (toux seche) hoy isika, ka raha tianao ho masaka vetivety (izany hoe ilay misy rehoaka iny) dia izao atao ary eh
Misotro rano mafana izay zakanao atao matetika be mihitsy fa vetivety dia masaka ny kohaka anao
Mety foana io fikafika kely io na zazakely na ankizy na olona lehibe

Izay indray ary eh dia tanterao ny torohevitra kely tsika fa mahasoa anao ny fifampizarana
πŸ™πŸ™πŸ™πŸ™

19/02/2024

FAHATOKISAN TENA NY ZAZA
Ndao hiresaka fahatokisan tena ny zaza indray isika eto
Raha tianao hahatoky tena sy ho lasa lavitra ny zanakao dia ity misy Astuces Kely atoroko anao

Na dia teny kely iray isan andro ary dia hanampy be dia be anao hahatonga ny zanakao hahatoky tena sy ho lasa lavitra

Karazany vitsivitsy ireto atoroko anao ireto (phrases positives ) hoy isika
- TIAKO IANAO 😍πŸ₯°
- VITANAO IOπŸ‘πŸ‘
-ETO AHO HO ANAO πŸ«‚πŸ«‚
-OLONA MIAVAKA IANAO
-MINO SY MAHATOKY ANAO AHO

Mety mbola mahita ianao fa ireo aloha ezahina bitsibitsihina kely aminy dia ho itanao fa ho lasa lavitra ny zanaka

MIRARY SOA atsika hatrany ary eh 😘😘😘

19/02/2024

AMPIFALIANA πŸ˜ƒπŸ˜ŠINDRAY ARY NO HIARABANA ANTSIKA REHATRA MPANARAKA NY PEJY EH
Dia MIRARY SOA antsika rehetra sahady amin izao fihandohany herinandro izao
ASTUCES KELY manala TASY AMIN NY TAREHY indray ary no atolotro anareo eto eh

Inona ary zavatra ilaintsika, marihako fa ezahana ho natory hatrany ny ankora apesaintsika ah
- mila isika OVY
- VOATABIA (ilay afaka angalana ranony tsara ireny )
- SAVONY NOSY (io aloha ny savony nosafidina teo ah fa afaka manao izay mahazatra anao ianao)

Tony ahoana ary ny fikarakarana azy eh
Rape-na ny ovy sy voatabia dia atao amin ny passoir na lamba kely izay afaka angalana ranony
Rehefa mahazo ranony izy roa reo dia rape-na ao indray ilay savony nosy( izay fatra mitovitovy amin ny habetsak ilay ranona ovy sy voatabia)
Karokarohina tsara mandrapahazo otran ny creme dia osoranao amin tarehy misy tasy mandritra ny 30 minitra eo

Farany dia kobaninao amin ny rano matimaty izy aveo, dia tsy fafana ah fa na avelanao maina eo izy na "tampo"-tena

Zay indray ary aloha ny Astuces Kely tsika dia mankasitra antsika rehetra

Photos from Astuces Kely's post 08/02/2024

SALAMA EH!
Tonga soa ato amin'ny pejy ary isika rehetra eh
Entitsika anombohana ny fizarana ary dia ity torohevitra kely nefa mety hahitanao vokatsoa be ity no zaraiko aminareo androany.
HO ANTSIKA ILAY SOMARY BE RIVOTRA AMIN'NY KIBO ARY EH
Zao no ataotsika, maka tsika
- rano mafana iray vera
-atsasaka citron
-karibonetra (bicarbonate) tapakin'ny sotrokely eo ihany dia efa ampy
-ravina menthe 4 eo dia efa mety
AHOANA ARY NO ATAO REHEFA MANANA AN IREO?
Alefantsika ao anatin ilay rano mafana ilay ravina menthe sy ny karibonetra sy ilay citron(ranony mazava ho azy) dia afangaro tsara
Avela eo mandrapa matimaty azy dia sotroina amzay avy eo
Ataovy mandritrany telo andro eo anie fa ho itanao fa ho ilamina tsara ianao
MIRARY SOA HO ANTSIKA ARY EH

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Antananarivo