Ny Aiko

Ny Aiko

Share

✊🏻💓Izay natomboka tsy maintsy vita💓✊🏻

🦋Asa

🦋Vavaka

🦋Ezaka

04/04/2024

Zaro amin'ny lalany tokony ho alehany ny zaza😇

💓Tadidio fa isika Ray aman-dReny iany no fitaratra hoan'nu zanatsika, aza maneho fihetsika tsy mendrika eo imason'ny ankizy ,ohatra ny fitenenan-dratsy.

30/03/2024

FADIO NY MITANTARA IRETO ZAVATRA IRETO AMIN'OLONA REHETRA.

1. Ny Projet-nao
2. Ny Vola miditra aminao.
3. Ny probleme andalovanao.
4. Ny Sakafo tena tianao.

Indraindray mantsy ny vavanao ihany no fahavalon'ny fandrosoanao...

Tadidio fa tsy izay olona rehetra mitsikitsiky aminao dia faly aminao .

Mora kokoa tompoko ny hahombiazanao raha tsy misy mahafantatra ny zavatra ataonao..

Tadidio fa ny olona afaka ny hamingana na hanao sabotage anao dia ny olona izay mahafantatra sy manana information momba anao ihany.
- Mety ao anaty fianakavianao ao,
- Mety amin'ireo namanao na olona akaiky anao.

Mandrava projet ny werawera alefa aloha.

Ry namana oh,
Ketreho mangina, Miasà mangina.
Avelao ny fahombiazana no hitabataba

30/03/2024

Tsy voatery hanana be vao afaka mizara😇

Ampio ny sahirana, na ara-kevitra fotsiny ihany aza☺

27/03/2024

Namana👭

Tsy izay rehetra mitsika aminao de afaka atao namana avoko,
Tandremo , mahaiza manavaka ny namana sy ny fahavalo,, matetika ny fahavalo ilay te- hahalala bebe ny fiainanao rehetra mba hanimbany ny avenir nao.
Mbola mipetraka atrany ity teny ity hoe" tazomy ho tsiambara telonao irery iany ny projet anao ".

Aleo irery toizay manana naman-dratsy🥰😇

25/03/2024

Tsy Ratsy ny manao ny tsara, fa mihezaha manao tsara ny tenanao fa tsy hanao ny tsara amin'ny olona foana😙🥰😇

25/03/2024

Tsy hoe ambany ianao androany dia ho ambany foana.
Tsy hoe mahantra be ianao androany dia ho mahantra foana fa ny fiainana dia fiovaovan'ny zava-mitranga eo amin'ny fiainantsika.

Mety androany ianao no mahantra fa rahampitso mety tsy hanana zava-mahory.
Mety androany no ambany fa rampitso mety ho tonga amin'ny toerana ambony raha mandeha ny fotoana.

Fa kosa tsy misy fiovana hoazy izany fa :
Voalohany mila manana tanjona ny hiala izay toerana maha ambany anao izay aloha ianao.

Faharoa mila manana paik'ady hialana izay toerana izay.

Fahatelo mila miafy sy miaritra aloha satria tsy moramora izany miala ao anaty fahantrana izany.

Ka raha te hiary dia aza tia hangotraingotra fa manaova aloha tsotsotra.
Aza menatra amin'ny tena fiainanao.
Mila miketrika foana ny atidoha mitady possibilité na dia impossible aza ny hiala amin'ny toerana misy anao.
Ary farany tsy mila kamokamo fa ny fahombiazana dia tsy natao ho an'olona kamo.

Réussir avec Martin

24/03/2024

Aza miasa loha amin'ny vavan'olona raha te ho mafy amin'ny fiainana ianao

Ataovy izay hampivoatra ny fiainanao

Aza manantena olona hanampy fa ataovy izay vitanao.

Aza miandry zavatra mora fa miezaha manao zavatra sarotra mba hiavahanao amin'ny maro..

Tiava manao zavatra vaovao fa aza sakanan'ny tahotra.

Aza tia manambitamby olona loatra fa raha tsy te hiaraka aminao izy dia avelao any fa izay hampiakatra ny fiainanao no ataovy.

Aza mandatsaka ranomaso amin'olona maniry ny fifalianao izany.

Tsikio foana ny fiainana na inona ady sarotra an-dalovanao.

Mianara foana isan'andro fa aza mijanona.

Aza miteny mafy rehefa misy olona mitrerona mafy anao ary ny tena tsara dia tsy miteny mihitsy fa mitsiky kely dia ampy.

Manàna tanjona enjehina fa tsy olona no henjehina

Matokisa ny tenanao fa mahavita zavatra nohon'ny eritreretinao ianao.

Réussir avec Martin

23/03/2024

Hoy i Sambatra Maminiaina ✍️
" Tsy fahalalam-pomba tompoko ny manao fanamarihana amin'ny toe-batan'olona.

Oay ary ndri toa be tongotra be, ooay fa pointure firy aki ndri, sao tokony hanao miaramila ity tongotry ndri ty,lakana be,sns...🥺

Eny tompoko, fantatro fa tsy mila ampahatsiahivina, izaho foana no mividy ny kiraroko dia fantatro ny habeny , fa marary reto ah, tena marina e , hitanareo za rehefa critiquer nareo ohatranio dia za tsy miomehy aminareo izany na dia mody misangy sy miomehy aza ianareo miteny an'ilay izy , satria ilay izy tena tsy mampiomehy fa mampalaelo sady mahatezitra 🥺

Mianara ry zareo tsy miteny zavatra mety hiteraka alahelo ny hafa ah , tadidio fa tsy mahasoa an'ilay hiantefany mihintsy ilay fanamarihana fa lasa alaelo sy ranomaso ary tsy fahatokisan-tena fotsiny ihany 🥺

Mianara mihintsy hoe rehefa mijery olona dia tsy voatery manao commentaire (Fotsy, mainty, fohikely, matavy, mahia, ratsy volo, be tanana, be tongotra,...) , aleo foana mangina raha vao resaka toebatana fa tsy fantatrao izay mety ho vokadratsin'ilay izy " 🥺

Izy moa dia prothésiste ongulaire nanaraka fiofanana manaraka ny fenitra iraisampirenena.

©Deba

Magéne Business Groupe

23/03/2024

Salama daholo e 🤗

Tena fantatro hoe sarotra be amintsika gasy ilay mametraka limites, satria heverintsika fa:
- tsy fahalalam-pomba
- tsy fanajana ny hafa
- tsy fitiavana
- manjary mahatezitra ny hafa
- manjary tsy tian‘ny hafa intsony isika
- sns…

Tadidio ity teny ity „Ho anao no handavanao fa tsy hoe fanoherana ny hafa“ na ihany koa amin‘ny teny vahiny hoe „ Tu le fais pour toi-même et non contre les autres“. Azonao ve? Aza ampifandraisina amin‘ny hafa foana ny fametrahanao limites fa ny tenanao sy ny hery anananao jerena.

Misy ary maro ny tsy ho faly rehefa manomboka mandà sy mba mijery ny tenanao ianao, dia izao no lazaiko anao: tsy ianao no tian‘ireny olona Ireny hatramin‘izay fa ny zavatra nataonao taminy.
MENDRIKA TENA FITIAVANA IANAO 🌷

Sahia manao TSIA!

milamina

Am-pitiavana ❤️

21/03/2024

Oui, Ny vava natao hiresahana , fa fadio ny miresaka ny projet anao amin'ny olona 🤐
Tazomy ho tsiambara telonao ihany ny fikasanao ,, vitsy ny olona faly amin'ny fahombiazanao🙃

Hatomboy am-pahanginana foana 😉

21/03/2024

Ataovy positive foana ny sainao ✊🏻

N'ino n'inona ataonao ataovy ambony foana ny moral hoe ,vitako io, tsisy mihemotra izany eo, tsy maintsy tongako ny tanjoko ✊🏻💓

Alefa foana a,, izay natomboka tsy maintsy vita no anarany🙏🏻✊🏻

Want your business to be the top-listed Nail Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Website

Address


Andravoahangy
Antananarivo