Anja Mendrikiniainä

Anja Mendrikiniainä

Share

Profite ta vie car on ne vit qu'une seule fois sur cette terre 😚❤️

24/05/2026

Faly miarahaba anareo rehetra nahatratra an'izao fety pantekoty izao dia manaova fety sambatra daholo 🥰

20/05/2026

Misaotra anareo rehetra tamin'ny firariantsoa nataonareo omaly na tamin'ny commentaire ary indrindra ny message fa betsaka ilay izy dia miala tsiny ho an'izay tsy voavaly a🙏🏽❤️
Bisous daholo 💋😍

19/05/2026

Mankasitraka anareo havana tonga nanatrika an'ilay fetiko fa feno loatra ny fo mahita anareo tonga maro niara nifety niaraka taminay dia Andriamanitra anie hamaly fitia ho anareo 🥹😍

Photos from Anja Mendrikiniainä's post 12/05/2026

Indraindray ny tontolo andro dia tsy mora araka izay eritreretintsika azy🧠
Misy fotoana feno tsiky sy fahombiazana🥰😍nefa misy koa fotoana maizina sy sarotra lalovana😔
Saingy na mafy toy inona aza ny fiainana, tadidio fa tsy maharitra mandrakizay ny olana sy ny fahoriana😭
Tahaka ny alina izay misava ka manome toerana ny maraina vaovao, dia hisy foana ny andro tsara ho avy ho an’izay tsy kivy sy mbola manohy miady💪🏽
Aza avela hampijanona anao ny fahadisoam-panantenana na ny tsy fahombiazan’ny omaly❌
Ny olona matanjaka dia tsy ilay tsy mbola lavo, fa ilay mbola mifoha sy manohy ny diany na dia efa narary sy reraka aza😥
Indraindray koa ny ratra sy ny sedra no mampianatra antsika ho matotra sy hahalala ny tena lanjan’ny fiainana🥺
Courage fona fa vitanao io 💪🏽

Photos from Anja Mendrikiniainä's post 10/05/2026

Nifoha maraina be izahay sy Bubu nikrosy maraina mba miala kely amin'ny mahazatra indray fa tsy miditra salle de sport fona 😍
Niala 67Ha dia teo amin'ny totobaton'Ambondrona ny farany 😻❤️manomboka tsikelikely aloha fa tsy mahazo manao effort be🥰

🌸Izaho manokana dia mahatsapa hoe tena manohana ahy izy am'izay rehetra ataoko,manome courage ah fona fa vitako ny manao Zavatra betsaka🥹tsy amin'ny resaka kotrana ihany fa amin'ny Zavatra rehetra mihintsy ☺️
Tsy mbola naneso ahy fa tsy vitako ny anao Zavatra iray fa ny teny haveriny amiko foana hoe "vitanlah io sady Zavatra tsotra kely izany" (anefa aho mahatsapa hoe sarotra amiko ny anao ilay izy fa noho ny fanohanany dia matanjaka ny saina🧠)

🥺Misaotra misy lesy a🥺
Hafatra kely ho anareo izay manana olotina,karakarao io olotinao io fa tsara indrindra eo imasonao io rehefa vitanao ny mikojakoja anio🫶🏽❤️
Tohano izy amin'ny Zavatra tiny ho tratrarina🫶🏽❤️
Misaora azy amin'ny Zavatra kely vitany taminao fa sarobidy io olona miaraka aminao ary "RARE" ny ahitanao olona toa azy 🥰

Mirary soa sy alahady mahafinaritra no atsika rehetra 😍🥰

09/05/2026

Mahaiza mamela ny fahadison'ny hafa🥰

Raha nisy olona nanao teny marary anao tany aloha,nifamaly taminao,tsy nifankahazo taminao,nanao toetra tsy zaka ka nifamela heloka ianareo dia raiso ny hadisoany satria olombelona tsy Tonga lafatra izy 🥰
Aza mitàna alahelo aminy fa fonao diovy ho toy ny tsy nisy na inona na inona toy ny tany aloha 🫶🏽

Kanefa,raha miverina manao toy ny toetrany taloha indray izy ankehitriny dia aleo izy ho any fa ny fonao diovina dia anjarany indray raha hiatsaravelatsihy sy hiavonavona toy ny taloha izy na tsia satria ianao efa namela azy sy nanome chance azy fa izy no tsy hiova intsony izany 🙃
Rehefa miresaka izy dia miresaha aminy 🌸
Rehefa miavona izy de aza resahana 🌸
Rehefa mitsiky izy dia mitsikia 🌸
Rehefa miarahaba izy dia mamalia 🌸
Rehefa tsy manao veloma izy dia aza misisika ho hajaina🌸

Tsotra be anie ilay miaina eh,aza atao mankahia anao sy hampiasa saina anao izay ataon'ny olona aminao satria ianao manana ny valeur anao fa tsy izay anaovan'ny olona anao dia hanaiky ianao fa mijoroa amin'ny maha izy anao😍

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Antananarivo