Centre Médical Claym
Mitsabo ny aretina rehetra (cancer, stérilité, obésité,…) amin’ny alalan’ny médecine générale sy médecine douce.
20/08/2025
Vohoka
Fangatahana olona maro tao amin'ny MP ny mikasika ny FAUSSE-COUCHE dia andeha hampahalalana antsika anio ny manodidina azy.
Maro ny vehivavy, na efa renimpianakaviana na mbola tsia no tratran’ity fahafahan-jaza ity izay mafy tokoa ny vokany ara-tsaina. Fausse-couche isolée izay mahazo ny 20% ny vohoka resahana eto dia ny fijanonan’ny fivoaran’ny vohoka tampoka alohan’ny faha 5 volana na tao anaty tsy fisiana fadimbolana nandritra ny 22 herinandro. Fa eo koa lay antsoina hoe fausse-couche précoce, misesisesy, izay farafahakeliny in-telo, alohan’ny faha3 volana mahery kely na tao anaty tsy fisiana fadimbolana nandritra ny 14 herinandro. Ny antony amin’ny ankapobeany dia eo amin’ny tsy fahatomombanan’ny tranon-jaza, izay tsy ahafahan’ilay atody mipetraka ara-dalana, fahasembanana amin’ny tranon-jaza, fisiana aretina toy ny fibromes anaty tranon-jaza, na fivontosana toy ny polypes na ihany koa ny SOPK na syndrôme d’ovaire polykystiques ; ary fantatsika ihany koa ny fisian’ilay aretina hoe endometrite. Eo ihany koa ny fihenan’ny ovaire na koa hoe insuffisance ovarienne, ny aretin’ny fikorinan’ny ra sy auto-immune, ny kalitaon’ny tsirin’ainan’ny lehilahy. Tafiditra anatin’ny anton’izany koa ny aretin’ny thyroïde, ireo karazana infections sasantsasany efa noresahana teto, fa tsy afaka atao ambanin-javatra ihany koa ny hatavezana diso tafahoatra, ny fifohana sigara, kafe, ireo karazana polluant mety hifampikasohana amin’ny sehatry ny asa andavan’andro, sns.
Koa aleo misoroka toy izay mitsabo, any ny fanontaniana ara-pahasalamana no ho valianay.
14/08/2025
Salama e !
Ny FISOROHANA ho an’ny mpivady sy ANTONY AVY AMIN NY LEHILAHY mahatonga ny olana amin'ny fazahoana zaza na INFERTILITE SECONDAIRE, ary FITILIANA MAIMAIMPOANA ho an’izay 05 misoratra anarana voalohany, izay ny pub anio💖.
Raha ny fahamombana amin’ny lehilahy kosa ary no resahina dia eo ny :
fikorotanan’ny tsiry mpanentana na “désordre hormonal”,
fifohana sigara,
ny tsy fahasalaman’ny “testicules” noho ny hafanana diso ambony loatra ( noho ny fanatanjaha-tena mafy,
fampiasana rano mafana be rehefa misaika, fanaovana akanjo tery loatra,
ny fipetrahana ela be ho an’ireo mpitondra fiara izay ao ambaniny ny moteran’ny fiara),
eo ihany koa ny fanafody sasantsasany nentina hitsaboana homamiadana,
ny donika aorian’ny “puberté”,
ny fisiana aretin ny firaisana na MST...
Raha ny tokony atao sy fisorohana indray no resahina, dia ny fitiliana ny mety hisiana olana ara-pahasalamana, na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy matetika no fisorohana tsara sy lehibe indrindra. Tandremo ny fisotroana alikaola, kafe, fifohana sigaran ny hatavezana diso tafahoatra, ilaina ny fanaovana fanatanjaha-tena matetika na ho an’ny lehilahy io na ho an’ny vehivavy, tsaratsara kokoa ny mahazo zaza alohan’ny faha 35 taona, tandremo ny sakafo tsy ara-pahasalamana fa mahasoa kokoa ny taova ny sakafo natoraly tsy vokatra noho ny akora simika, ahena ny fihinanana charcuterie sy hena diso tafahoatra. Tsy voatery hoe isaky ny 14eme jour foana ny ovulation fa miovaova zany arakaraky ny vehivavy, noho izany dia aleo tsy mieritreritra be hoa aiza ny tokony hanao firaisana fa manao firaisana matetika fotsiny ( RS régulier), mila milamintsaina ihany koa ny mpivady ao anatin’ny fitsaboana sy fitadiavana zaza mba hanala ny tahotra sy sakatsakana rehetra mahatonga fikorotanana ara-tsaina amn’izany fotoana izany.
Koa toy ny mahazatra dia MANOLOTRA FITILIANA MAIMAIMPOANA ✨ho an'olona 5 ny sabotsy 16 aogositra izao ary 5 ny alarobia 20 aogositra izao ny Centre médical claym, ka manana olana amin'ny salpingite, infertilité secondaire ary infection chlamydia. Koa alefaso MP ny soritr'aretina mampanahy anao, anaranao ary num tel fa izay misoratra anarana mialoha no misitraka izany.🏃⚡️
Koa aleo misoroka toy izay mitsabo ? any hatrany ny fanontaniana ara pahasalamana no ho valianay
31/07/2025
Miarahaba antsika o !
Aretina izay mahazo ny mpivady maro indray no loha-hevitra anio dia ny fahamombana, fantatra amin ilay fiteny hoe infertilité secondaire izay tsara marihana fa ny fahamombana dia 50% no fisehony amin’ny vehivavy ary 50% amin’ny lehilahy. Fantatsika fa ny tsy fahafahana mahazo zaza na bevohoka taorian’ny firaisana ara-nofo nandritra ny erin-taona, nefa tsy nisy fanabeazan’aizana ny fahamombana. Ilay antsoina hoe “infertilité secondaire” kosa dia lazaina rehefa ny mpivady izay efa nanan-janaka iray no tsy mety mahazo zaza intsony, na tsy mety mahatojo hatramin’ny farany ny zaza ao ambohoka na ilay hoe “à terme”.
Raha ny antony dia mitovy avokoa rehefa hoe fahamombana no resahina,
Raha ny amin’ny vehivavy no resahina dia eo ny taona, ny aretina azo avy amin’ny firaisana “Chlamydia” ohatra, ny tsy fahatomombanan’ny “ovaire”, ny fahatsetsenan’ny “trompes de Fallope” izay lalan’ny tsirin’aina, ny hypothyroïdie, ilay aretin’ny tranon-jaza antsoina hoe “endometrioses” izany hoe fikorotanan’ireo selan’ny tranon-jaza ho ivelan’ny tranon-jaza, ilay aretina “ovaires polykistique”, fisiana holatra amin’ny tranon-jaza, ny fibromes, ny kystes, ny fanaovana fanatan-jahatena mafy loatra ka mahatonga ny fadim-bolana tsy tonga, ny aretina toy ny “anorexies” sy “boulimie”, ny fiovaovan’ny habe sy lanja, ny faharovitana na tsy fahatomombanan’ny vozon’ny tranon-jaza noho ny fanalan-jaza...@
👉 Ny antony avy amin'ny lehilahy indray no hojeretsika amin'ny herinandro
👉 Araho foana ny pejy 😉
23/07/2025
Finaritra e !
Raikitra ndray ary ny FITILIANA MAIMAIMPOANA ka ndao aloha ho resahintsika ny izay ianao vao manoratra anarana 😜
💥 INONA NO ATAO HOE "HEPATITE B"?
- Aretin'ny ATY izy io ary areti-mifindra amin'ny olona samy olona
- Azo avy amin'ny "Virus n'ny hépatite B na VHB"
- Mety ho "Aigue" izy izany aretina vao haingana fa mety ho "Chronique" ihany koa na hoe niotrika ela.
💥 OHATRANY AHOANA NY FOMBA FIFINDRANY?
Mifindra amin'ny alalan'ny:
- firaisana ara-nofo amin'ny alalan'ny sperme na liquide vaginale
- rora
- fanjaitra, seringue, fanaovana tatouage... ny zava-maranitra misy rà an'olona mitondra ny tsimok'aretina.
- Ny vehivavy bevohoka mamindra amin'ny zanany ao am-bohoka
💥 OHATRANY AHOANA NY FOMBA FISEHONY?
- Mety tsy ampiseho fambara mihitsy ny olona mitondra ny Hépatite B
- Mety hanavy,
- Ahatsiaro havizanana be
- Marary ny kibo, marary ny vanin-taolana
- Tsy mazoto homana
- Maloiloy na mandoha
- Matroka ny pipy
- MAVOMAVO ny hoditra sy ny maso
💥 Ahoana ny fomba hanamarinana fa tena mitondra ny tsimok'aretina Hépatite B ny olona iray?
📛 Ny "Analyse-na rà" irery ihany no ahafahana manamarina fa mitondra ny tsimok'aretina ny olona iray
💥 MISY FISOROHANA AZO ATAO VE?
❗ENY
👉 Misy ny VAKSINY fisorohana ny hépatite B
👉 Ankoatr'izay dia ny:
- fampiasana kapoty rehefa manao firaisana
- Tsy fiovaovana olona hiarahana manao firaisana
- Tsy mampiasa "seringue" avy nampiasain'ny olona hafa.
- Fanajana ny fenitrin'ny fahadiovan'ny fitaovana ampiasaina toy ny: hareza na rasoir, ny fanaovana tatouage....
⚠️ Ny dia andro maneran-tany hiadiana amin'ny Hépatite.
📛 Noho izany indrindra dia hanao fitiliana -POANA ny hépatite B izahay ato amin'ny CENTRE MÉDICAL CLAYM.
🚫 Hisitraka MAIMAIM-POANA ianao:
- Échographie abdominale na hoe fitarafana ny Aty sy ny kibo
- Fitiliana ny Hépatite B
👉 Misorata ary anarana dieny izao
👉 Alefaso sms amin'ny laharana 0382437595 na 0376713766 ny anaranao feno, taona ary ny laharana téléphone na mandefasa MP amin'ny page.
👉 Ety Alakamisy Fenoarivo no hanaovana ny fitiliana ny
❗❗ Aza misalasala ary
Dr Rakotonindrina
17/07/2025
Miarahaba e 😊
Fantatrao ve ny atao hoe: " ?
Tsia ve⁉️ Vakio ary ity e 👇👇👇
💥 Ny Hépatite virale an dia inflammation an'ny "ATY" na aretin'ny ATY, avy amin'ny VIRUS izy io.
Misy karazany 5 ny hépatite virale: hépatite A, B, C, D, E.
Ny hépatite B, A sy D no tena betsaka indrindra.
⚠️ Fa misy koa nefa ny hépatite toxique an, avy amin'ny alcool io na substance toxique hafa ihany koa.
💥 Ohatrany ahoana ny fomba fisehon'izany "Hépatite_virale" izany?
1️⃣ Tsy misy fambara aloha izy amin'ny voalohany: aorian'ny fahazoana ny "Virus"
2️⃣ Aorian'izay, mandritran'ny herinandro na roa herinandro eo ianao:
- Mahatsapa havizanana be
- Mafana hoditra na manavy
- Marary andoha, marary ny vanin-taolana
- Tsy mazoto homana
- Maloiloy na mandoha
- Mivalana na Mitohana
- Marary be ny kibo eo amin'ny faritrin'ny vavony sy ny aty
- Mety hisy ny fitambaran'ny "Aretin'andoha + Mangidihidy be ny vatana + Marary vanin-taolana"
3️⃣ Aorian'io dia lasa MAVOMAVO amin'izany ny hoditra sy ny maso.
- Miloko maizina ny pipy sy ny kaka
⚠️ Ankoatr'ireo fambara ireo, dia samy manana ny fomba fisehony ny karazana Hépatite.
⛔ Manaraha foana ny pejy fa ho ampahafantarina anao :
- Ny fomba fifindran'ireo hépatite ireo
- Ny fomba fisehoany tsirairay
- Ny tokony hatao raha misy ireo fambara ireo
❗Ny 28_JOLAY dia andro maneran-tany hiadiana amin'ny Hépatite
⚠️ Hisy hetsika ho ataonay ato amin'ny
⛔Hanao depistage ny HEPATITE B izahay
👉 Araho foana ny pejy 😉
Dr Rakotonindrina
10/07/2025
Finaritra e ☺
Mbola resaka foana aloha
⛔ Misy an'ireto 👇 fambara ireto ve aminao⁉️
💥Tsiranoka na PERTE FOTSY mitovy amin'ny ronono
💥 MANGIDIHIDY be mihitsy ny fifaviana
💥 MANGIRIFIRY ao amin'ny vagin na lalan-jaza
💥 MENAMENA ny fivaviana
💥 Mangirifiry rehefa mipipy
⚠️ Manantòna Dokotera avy hatrany fa izanii na
❗Inona ny mahatonga an'izany 🤔 ⁉️
🔅 Ny fisasana matetika loatra
🔅 Ny fanaovana akanjo tery loatra sy synthétique
🔅 Ny fampiasana ny "Tampon" nefa tsy soloina matetika
🔅 Ny firaisana ara-nofo miaraka amin'ny olona miovaova
🔅 Ny fihinana antibiotique mandritran'ny fotoana lava
🔅 Ny fanafody manena hery fiarovana
🔅 Ny fitondrana vohoka (mihena ny hery fiarovana mandritran'ny fitondrana vohoka)
⛔ Azo tsaboina tsara io aretina io
👉 Aza manao dokotera tena. Manantòna Dokotera
👉 Afaka manontany any amin'ny "mp" ianao raha misy manitikitika.
Dr Rakotonindrina
04/07/2025
Miarahaba e
Mbola tohin'ilay resaka ihany.
👉 Ndao horesahina indray ny
💥 Inona ny atao hoe "Vaginose Bactérienne"?
- Firoboroboan'ny "Bactérie" izay avy amin'ny fikorontanan'ny flore vaginale
💥 Fa inona moa ny atao hoe "Flore vaginale " e🤔 ⁉️
Ny flore vaginale dia fitambaran'ireo bakteria sy mikroba miaina ao amin'ny fivaviana amin'ny fomba voajanahary sy mifandanja mba hiarovana amin'ny aretina. Izy io dia antsoina amin'ny fiteny siantifika hoe microbiote vaginal.
Inona no asan'ny flore vaginale?
• Miaro amin’ny mikraoba mpanohitra (bakteria sy holatra avy any ivelany).
• Mitazona ny pH ho asidra (eo anelanelan'ny 3.8 sy 4.5), izay manakana ny fitomboan’ny mikraoba manimba.
• Mampihena ny mety ho fivontoana na fanaviana amin’ny fivaviana.
• Manampy amin’ny fahasalaman’ny fivaviana sy ny taovam-pananahana amin’ny ankapobeny.
💥 Ohatrany ahoana ary ny fomba fisehoan'ny "Vaginose Bactérienne "?
- misy tsiranoka na perte miloko na , misy fofona mahery indrindra aorian'ny firaisana ara-nofo
- mangidihidy be ny fivaviana
- indraindray mamaivay ao amin'ny fivaviana
- mety hangirifiry rehefa mipipy.
💥 Inona ny atao mba hisorohana ny "Vaginose Bactérienne "?
- Tsy misasa matetika loatra ary tsy misikotra
- Tsy mampiasa savony manitra na savony tsy natokana ho amin'ny taovam-pananahana
- Tsy mampiasa karbonetra rehefa misasa
- Rano madio avy nampangotrahana no hisasana
- Tsy manao firaisana ara-nofo matetika loatra
👉 Azo tsaboina tsara ny "Vaginose Bactérienne "
👉 Raha misy amin'ireo fambara ireo
📛 Manantòna Dokotera.
Dr Rakotonindrina
30/06/2025
Miarahaba antsika rehetra indray
Ho tohin'ilay resaka indray dia 'Ndao ho resahintsika ny antony iray mahatonga izany
Dia ny "
💥 Inona ny atao hoe "Infection à trichomonas vaginalis"?
- Aretin'ny taovam-pananahana izy io
- Mifindra amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo na IST
- Misy eo amin'ny vehivavy sy lehilahy
💥 Inona avy ny mety ho "facteurs favorisants" an'io aretina io?
- Ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro
- Ny fiovaovana olona iarahana manao firaisana
- Ny fihenan'ny hery fiarovana (bevohoka na misy aretina efa ela na mitondra ny tsimok'aretina VIH)
- Ny fikorontanan'ny flore vaginale
- Ny fisasana matetika loatra, amin'ny savony tsy voatokana amin'izany
- Ny fanaovana atin'akanjo "synthétique" sy tery loatra ...
💥 Inona avy ary ny fambaran'io aretina io?
- Ny fisian'ny tsiranoka maitso, mamofona
- Mangidihidy ny fivaviana
- Marary rehefa manao firaisana ...
⛔ Ho an'ny lehilahy dia tsy misy ny fambara ety ivelany fa mitondra ny Trichomonas vaginalis izy kanefa
❗ Izay no antsoina hoe "Porteur Sain"
💥 Raha misy soritr'aretina, na mampiahiahy dia
⚠️ Tsy azo atao ny manao dokotera tena
⚠️ Azo tsaboina tsara ny "infection à Trichomonas vaginalis"
👉 Raha misy zavatra manitikitika anao dia aza misalasala manontany ao amin'ny "message privé" (mp)
_CLAYM
Dr Rakotonindrina
23/06/2025
Miarahaba e
izay indray no resahina anio.
Ny perte vaginale dia tsiranoka mivoaka avy amin'ny taova-pananahan'ny vehivavy.
❗Mety hisy fofona izy io
❗na miaraka amin'ny hidihidy ao amin'ny taovam-pananahana
❗Mety misy marary eo ambany foitra
❗ Mangirifiry rehefa mipipy
❗Na marary rehefa manao firaisana ara-nofo
💥Misy ny antony maro mety ahatonga an'ilay tsiranoka:
1. Ny fampiasana rano tsy avy nampangotrahana rehefa misasa ( misy rano tsy dia azo antoka mantsy...)
2. Ny fisokirana ny fivaviana rehefa misasa
3. Misasa amin'ny rano misy karbonetra
4. Ny fikorontanana eo amin'ny hormone na "tsirim-panentana"
5. Tsy fampiasana fiarovana (kapoty) rehefa manao firaisana tsy azo antoka
6. Ny fiovaovana olona hiarahana manao firaisana ....
💥 Misy karazany ny tsiranoka avy amin'ny fivaviana
Ny voalohany dia misy ny :
👉 Leucorrhée na perte physiologique :
- Izany hoe tsiranoka "normal" tsy aretina.
- Io no antsoina hoe:
⛔ Glaire cervicale:
- Miseho eo amin'ny faha 8 hatramin'ny 15 andron'ny cycle izy io
- Mitovy amin'ny tapotsin'atody
- Tsy misy fofona
Faharoa, misy ny tsiranoka avy amin'ny "microbe"
Misy "microbe" maromaro ny mahatonga ny "infection vaginale"
1️⃣ Avy amin'ny "
Toy ny :
- Trichomonas vaginalis
- Vaginose bactérienne à Gardenella vaginalis
- Neisseria gonorrhéa
- Infection à Chlamydia
2️⃣ Avy amin'ny
Toy ny Candida albicans
⛔ Samy manana ny fambaran'ireo aretina rehetra ireo
⛔ Mbola ho hazavaina amintsika daholo ireo karazany ireo fa manaraha foana ny pejy 😉
⚠️Rehefa misy tranga mampiahiahy eo amin'ny vatanao dia Afaka apetrakao ao amin'ny MP ny fanontanianao fa ho valianay.
Dr Rakotonindrina
16/06/2025
Miarahaba e 😊
Fantatrao ve ny ⁉️
Ny "JUIN VERT" dia volana iray hanentanana ny olona momban'ny Cancer du Col ary hanao fitiliana.
LOKO MAINTSO = FANANTENANA sy FAHASALAMANA 😌
💥 Inona moa ny atao hoe: "Cancer du col" na "Homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza"?
- Homamiadana mahazo ny vehivavy izy io
- Mitranga ao amin'ny "Col de l'utérus"
- Izy no homamiadana fahaefatra amin'ireo homamiadana mpahazo ny vehivavy
❗Raha toa ianao ka:
💥 Vehivavy mihoatra ny 20 taona, efa niditra tamin'ny firaisana ara-nofo
💥 Misy fambara miseho toy ny rà mandeha ankoatran'ny fadim-bolana, marary na mandeha rà rehefa manao firaisana, misy marary na manelingelina ao amin'ny fivaviana...
💥 Efa nanana havana akaiky voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza
💥 Misy tsiranoka mandeha hafahafa, misy fofona ...
📛 Ndao hanao FITILIANA e 🙏
Hisy fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza izay karakarain'ny Centre Médical Claym 😍
⛔ Ny ny volana Jona
👉 Dia tongava manao fitiliana
👉 Hisitraka ianao:
- Fizahana ny tranon-jaza amin'ny alalan'ny Echographie
- Fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny trano-jaza
👉👉 MAIMAIM-POANA 🤩
❗ Misorata anarana dieny izao ary e 😉
❗Alefaso ao amin'ny "mp" ny anaranao feno, ny taona ary ny laharana téléphone na alefaso "sms" amin'ny 0382437595 na 0376713766
⚠️ Vonjivonjeo fa #20 ihany no raisina an
❗ Raha misy fanontaniana na zavatra manitikitika anao dia mandefasa mp hatrany
☝️
⛔ Hampahafantatra anao momban'ity aretina ity izahay amin'ny herinandro ka manasa anao hanaraka hatrany ny pejy.
☝️
Dr Rakotonindrina-Claym
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Ambodizozoro, Alakamisy/Fenoarivo. 200m Miala Amin'ny Commune Alakamisy
Antananarivo
ANTANANARIVO-ATSIMONDRANO
