Manampy olona mitady zaza
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Manampy olona mitady zaza, Health/Beauty, Antsirabe.
28/10/2025
Tena tsara, Tena mamy, tsy manam-paharoa ilay bisou sy câlins omen'ny zanaka ❤️
Na vizaka aza aho (efa lehibe aho vao nahazo zaza), na tsy arako aza ny rythme ny, tsapako hafa ny fiainako manana azy 🤗
Ampiako ianareo arak'izay vitako 🤞
Aty Antsirabe no misy ahy. Efa noteneniko tany aloha be tany moa fa manampy aho fa tsy maintsy misy ezaka avy any aminareo koa.
Tsara raha maka fotoana @ mp rehefa te-hanatona mivantana. Mirary soa indrindra 🙏
22/09/2024
Taiza ny tany tsy naleha?
Nanomboka teo @ iny erreur n°1 iny dia nametraka pression t@ tenako indray aho. Ny ahita lehilahy tsy natahorako fa ny mahita lehilahy tsy midika hoe ahita vady. Nanao pression t@ tenako aho hoe tsy maintsy hitady vady. Nahita olona parfait be ho an'ny ray aman-dreniko aho, satria tany anatiko tany efa nihevitra foana hoe diso aho t@ ilay erreur n°1, ni-se sentir coupable dia te-hanarina an'izay dia nitady olona mendrika noheveriko ho mety @ ray aman-dreniko aho. Samy avy any Ambohimalaza, samy nanana avenir mamiratra be, ny ray aman-dreny samy manan-katao. Iny fa nanambady teo @ faha-24 taona.
Nandeha ny taona 1, tsy nipetraka ny zaza, tsy taitra satria nisara-toerana dia zara raha mihaona. Taona faha-2, 3, ... nanomboka ny pression hoe efa 27 taona, manambady, aiza ihany ny zaza? Nikorontana ny saina, efa miasa daholo dia nifangaro ny asa saina @ asa sy ny tokantrano. Ny lehilahy tsy haiko nanomboka oviana no efa tsy naharitra fa kay nampirafy tany fa tany vao tratrako. Niha-nangatsiaka ny fitiavana ary nanomboka ny adidy. Tsy nisy fiarahana raha tsy @ fotoana ametrahana zaza, fa tsy nisy e!
Faha-4 taona nanomboka nijery dokotera. Tsy misy olana ara-pananahana na ny lahy na ny vavy. Tsara daholo ny valin'ny analyses.
Nandritry ny heritaona niezaka indray nanao adidy. Tsy nisy ihany. 29 taona tena tsy maintsy miteraka hono alohan'ny faha-30 taona. Ny rafozam-bavy aza namporisika ny zanany hitady vehivavy hiterahana fa tsy mety intsony io momba io.
Matin'ny tahotra sy ny henatra notetezina daholo rehefa professeurs, dokotera, ary nanomboka nitety gasy, renin-jaza tsy nisy tsy naleha rehefa nalaza mahay mametraka zaza.
Niainana daholo ny karazam-pilaharana sy fifohazana maraina. Iny fa nipetraka! Hafaliana tsy omby tratra. 13ème semaine, nandeha rà, afaka ilay izy. Kivy, ketraka, narary fo, hiverina @ izay lalana nodiavina izay indray ve? Tsy maintsy.
Niampy teny an-dalana teny ny olona nandehanana. 30 taona mananika ny faha-31... nitodika t@ Andriamanitra. Nahatsapa hoe nanao erreur. Ilay n°1 ihany io. Mifona, mandady,... 32 taona,... nanomboka nanisa hoe mbola misy erreur any.
❎ Erreur n°2 : maika nanambady kanefa na ilay lehilahy na izaho samy tsy ampy fahamatorana hiatrika an'izany olana izany.
❎ Erreur n°3 : tsy olona nety tamiko no novadiako fa olona noheveriko ho mety t@ ray aman-dreniko.
❎ Erreur n°4 : nahazo laka be teo @ fiainako ny pressions, ny resaky ny manodidina, ny fitsaran'ny rafozana, ny latsa sy ozona, ny fanamelohako ny tenako, maro tsy voatanisa...
35 taona, nisaraka izahay. Tao anaty 3 taona farany, tsy nisy niezaka nanao adidy izany intsony. Samy @ lalany, samy mandeha miasa any @ faritra, samy leo. Nanomboka niaraka t@ olon-kafa. Ilay olona niaraka tamiko tonga dia nampahalalako ny olana rehetra sy ny erreurs rehetra. Namporisika ahy hiverina hijery dokotera spécialiste. Ary tena nandanianay vola be nanao IA (insémination artificielle) 2 fois, ka 1 fois nipetraka fa 4 mois dia lasa. Nanao FIV (fécondation in vitro), vola be fa 3 volana teo dia lasa koa.
Arak'izay hoe taiza no tsy naleha... Courage daholo izay miaina na niaina an'izany...
18/08/2024
22 taona ah t@ zany. Bevoka tsy mbola nivady zay sy lé niaraka tamiko. Maro be ny pressions nahazo ah na taminy, na ny reniny, na ny fianarako sy ny fianakaviako, mbola tsy nisy nahalala aza hoe bevoka ah. Matin'ny tahotra ah dé nanapakevitra hoe esorina no mety 🚫
⚠️ Tsy voatery ho zay daholo akory ny fototry ny olana tsy ahazoana zaza.
Hoentiko hiresahana ny sujet fanalana zaza fotsiny io, satria niainako, ary tao anaty chronologie n'ny fanapahako hevitra hanao ity page ity.
✔ Zay aloha no mba noheveriko fa nety t@ zany fotoana. Azo lazaina hoe erreur n°1 iny teo @ fiainana ❎
✅ 1. Rehefa tojo olana saro-bahana, miresaha @ Andriamanitra na Zanahary na Allah, zay inoanareo.
2. Miresaha @ maman raha mbola velona aina i maman na inona zavatra noteneniny tany aloha na inona. Ny ah zao tena nasiaka be dé tena natahotra ah nefa aty aoriana izy miteny ihany hoe tokony niresaka ah t@ zany.
3. Na 16, na 18, na 20, na firy taona nareo na firy, tsy manova inona zany raha efa vita ny natao. Ny tiako lazaina dé zao, tsy hoe tsara ny nanao zaza t@ faha 16 taona, tsy nataoko erreur n°1 ny nanaovana lay zaza, satria taty aoriana tsapako hoe naleoko niteraka t@ lé faha 22 taona toy izay efa 35 taona saika tsy nety nahazo. a) Fa kosa hoe matoa vonona nanao ilay zaza, dia vonona @ fiantraikany iray manontolo. b) Ka na firy taona na firy taona, dé olona kely hoatran'io @ sary io lé ao an-kibo.
4. Ny lehilahy na firy taona na firy taona raha handray andraikitra izy dé raisiny ho adidy io, raha tsy handray izy dé na ho esorinao io na ho aterakao, tsy handray andraikitra foana izy.
5. @ ankapobeany nefa an, raha efa hitany eo lé zaza, tiany ihany dé mety handray andraikitra ihany izy. Na zany aza, aza miandry na iza na iza fa mahaiza mijery lavitra be dé avelao zay tsy vonona.
Mamy be le précieux kely fa mahaiza foana mandray fanapakevitra tsara an 😇
18/08/2024
Zay reto ah vo tafiditra @ ty page ko ty ndray a. Nisy ni-pirater efa ela be dé nisy nanoro dé tafaverina ihany. Misaotra betsaka azy satria tsy afaka mizara aho raha tsy eto @ page.
Raha nisy nandefa MP efa ela dé miala tsiny fa tsy tafiditra ah dé mba avereno ny fanontanianareo azafady.
Andefa post isaky ny malalaka ah, atomboko hatrany @ voalohany t@ ity adiko nitady zaza ity dé araho fa asiako toro-hevitra foana.
Bon dimanche an!
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Culinary Team
Attire
Contact the business
Website
Address
Antsirabe
110
