Lydie's mode

Lydie's mode

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Lydie's mode, Health/Beauty, Antsirabe.

31/10/2023

NY ANDROANY TSY HIVERINA INTSONY MANDRAKIZAY

Rehefa fantatrao hoe mandalo fotsiny ary misy fiafarana izao fiainana izao dia tonga saina ianao hoe mila mahay mifankatia foana dia mila manao ny marina.

Fohy loatra ny fotoana raha hiady aman’olona lava.
Fohy loatra ny fotoana hanaovana ratsy sy hanimbàna fiainan’olona.

Raha maty aho anio dia inona mba zavatra tsara ary mivaingana mba vitako? Inona no mba tadidin’olona amiko?
Iza ireo olona mba tafantsangana tamin’ny alalako?
Iza ireo voatahy tamin’ny alalako?
Vita ve ny mission-ako tety an-tany?

Lanio ny andronao hanomezana fitiavana ny manodidina anao.
Lanio ny fotoananao hiarahanao mifaly amin’ireo olona tianao sy tia anao.
Lanio ny fotoananao hanompona indrindra fa hanohanana ny hafa.
Hataovy tsapan’olona hoe olom-pitiavana ianao.
Hataovy hitan’olona fa ao anatinao Andriamanitra.

Marka 12:31 « … Tiava ny namanao tahaka ny tenanao »

27/09/2023

Matokia !!
Vitanao io ❤️‍🔥✊️

Indraindray dia tsy zavatra hafa no sakana tsy hahavitan-tsika zavatra eo aminy fiainana fa ny "fisaintsainan-tsika faharesena"
Andao indray hianatra hisaina fandresena,hisaintsaina fahombiazana.

Matokia fa vitanao io!!

11/08/2023

🔔Atomboy am-pinoana androany izay azon'ny tànanao atao,
🔔Atomboy am-pinoana androany izay takatry ny fahaizanao,
🔔Atomboy am-pinoana androany izay refy hanananao,
🔔Atomboy am-pinoana androany izay dingana ara-panahy vitanao.

Aza miandry tonga lafatra fa mitsangàna dia atomboy fa Jesosy efa manolotra ny Tànany mba hanampy anao.

Want your business to be the top-listed Beauty Salon in Antsirabe?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Website

Address


Antsirabe