Aloka Miserana/Mikalo
Aingam-panahy tsy nampoizina
`` Ty Ririn'ty ``
Ty ririn'ty
Ilay mampijaly tokan-tena
Ty ririn'ty
Ilay tsy revin'ny mpivaro-tena
Ty ririn'ty
Ilay hoe andro njazalahy
Ty ririn'ty
Tsy maintsy tapaka nen'ialahy
Ty ririn'ty
Ilay mampifady rano
Ty ririn'ty
Malaina na ivoka ny trano
Ty ririn'ty
Sambatra izay mifana
Ty ririn'ty
Atoniny tsara ny hafa
Ty ririn'ty
Raha atao sioka to hafahafa
Ty ririn'ty
Mangatsiaka fa mahafinaritra
Aloka Miserana/Aingam-panahy tsy nampoizina
25/04/2025
Malagasy ve Aho???
Eee!Ry razako fahiny,tamin'izany andro izany
Nifankatia tsy mba niady,nifanohana hatrany
Toa tsy mba nifanambany,na koa nifanaratsy
Ianareo no tena Malagasy,fa ankehitriny ara-taratasy
Satria:Malagasy ve Aho?
Toa mahavita manambany
Ilay soa-toavina nataonareo
Toa rano raraka amin'ny tany
Malagasy ve Aho?
Manaratsy ny hafa
Ireo izay tsy mitovy amiko
Lazaiko,ho olona hafahafa
Malagasy ve Aho?
Miseho ambony noho ny hafa
Milaza anahy ho kanto
Meva sy tonga lafatra
Malagasy ve Aho?
Mihevitr'ahy ho tsara
Ireo izay tsy mitovy amiko
Aratsiko,toy ny adala
Malagasy ve Aho?
Raha toa ka izany no fisainako
Tia mitsaratsara ny hafa
Toa lasa zary,fomba fiainako
Tsy Malagasy Aho
Fa misaina toa vahiny
Manavakava-bolikoditr'aho
Fa tsy mba miray hina,toy ireo fahiny
Ny tena Malagasy
Dia:mifankatia tsy mifanambany
Ny fihavanana sy firaisan-kina
Io apetraka hatrany
Ka na mainty ianao na fotsy
Malagasy ve ianao?
Satria ny ao anatinao
Toa mankahala,ireo tsy mitovy fiavina aminao
Malagasy isika
Raha samy eto Gasikara
Ka ny mifandrafy,mifanaratsy
Anjanony fa tsy tsara
Ataovy rehareha
Ny maha Gasy antsika
Apetraho hatrany
Ilay fihavanana,lovan-tsika
Aloka Miserana Mikalo/18-10-21,10:44/In Aingam-panahy Tsy Nampoizina
Tandremo less zn leπππππ
Mafy neny ty ka,bravo
16/10/2021
Maloto Lamba
Nga mo izaho,raha maloto lamba!
Dia ahilika sy androraina lava!
Nga mo izaho,raha tsy mianjaika tsara
Dia tsaraina ivelany,heverina ho adala
Nga raha miankajo rovitra sy vorokitsay
Dia esoesoina,fa hoe tsy milay
Nga mo izaho,raha tsy mba mahavidy lafo
Dia atao tsinotsinona,toy ny fako
Nga raha malotoloto tsy mba madio
Ny lambako,dia hoe:ratsy ilehio
Na akanjo rovitra na pataloha gΓ΄ka
Fiainako izany,tsy idiram-bahoaka
Na vorokitsay io no tsy mba misolo
Izay no ananako,tsy angatahiko mpanolo
Raha ny lamba malotoko,no ilazan'ahy ho adala
Dia ianao mitsara io mintsy,marary saina miseho ho mahalala
Ny zavatra iainako,tsy fantatrao
Nga raha maloto lamba,dia lasa tsy havanao
Izaho nefa tsy mba mangataka,any aminao
Fa manana sandry sy hery,itedavana na tsy to anao
Na lamba maloto ny ahy,na madio ny anao
Rehefa maty,mitovy ihany izaho sy ianao
Fa ny tsy itovizana,dia ilay zavatra iray
Ny fo sy fanahy ny,tsirairay
Ny lambako maloto,mandalo ihany izany
Ny fiainana eto an-tany,misy farany hatrany
Koa aleoko mitafy ratsy,sy vorokitsay
Toy izay madio ivelany,fa ny ao anaty tsy milay
Mieboebo ery,fa nga tsy hody vovoka
Na manenjidresy,miantehitra amin'ny harena mbola mety ho boboka
Ka manaova ny soa,mba hatsiarovana anao
Fa ny fanahy sy fo madio,no hamonjena anao
Aloka Miserana/Mikalo in Aingam-Panahy Tsy Nampoizina/16-10-21/12:21
18/09/2021
-----------------Mafy Ady------------
Betsaka ny mafy ady,tsy misy miraraha
Misy ny vehivavy,eo koa ny lehilahy
Zaza kely,tsy ampy taona ko mangataka
Rehefa tsy mahazo izy,dia mitsinjoka izay latsaka
Misy tsy mba te halala,fa mijaly ny madinika
Raha sendra mba mahakasika,androraina dia ailika
Mba miaina ihany,nefa toa tsy zarizary
Tsisy mba manampy,raha sendra mba marary
Isak'alina manonofy,ny ahita volabe
Maraina dia mandinika,sady mihomehy
Hoe:izany mba faniriko
Raha izany no tanteraka,lavitr'ahy ny fijaliko
Aloka Miserana/Mikalo in-Aingam-panahy tsy nampoizina 15:12/18-09-21
23/07/2021
------Ataoko ahoana mo-------
Ataoko ahoana mo tsy hitomany,raha sendra fahoriana mafy
Ataoko ahoana mo ny ho faly,raha sendra fahatsiarovana ratsy
Ataoko ahoana mo tsy ho kivy,raha sendra ady mafy
Ataoko ahoana mo ny tsy ilofika,raha sendra zavatra tsy zaka
Ataoko ahoana mo ny itazam-potsiny,ireo tsy manan-kohanina
Ataoko ahoana mo ny tsy hanome,raha mba misy eo an-tanana
Ataoko ahoana mo ny andrara,ny ankizy tsy ilalao
Ataoko ahoana ny tsy hanampy,ireo izay mitalaho
Ataoko ahoana ny tsy hamangy,raha mbola misy ny marary
Ataoko ahoana ny tsy hanampy,raha mba vitako ihany izany
Ataoko ahoana mo ny tsy iaina,raha mbola mitempoko ny fo
Ataoko ahoana mo ny tsy itady,raha mbola velon'aina ko
Ataoko ahoana mo tsy ampy saina,ireo izay mbola mampijaly
Ataoko ahoana mo ny tsy ampita hafatra,raha mbola velona eto an-tany
=====Anio Zoma 23-07-21===11:50/Aloka Misera in-Aingam-panahy Tsy Nampoizina
15/07/2021
Ho Neninao
Ho neninao aky ry kiala
Ireny zava-bitanao
Fitia mangarahara
Izay natolony anao
Tsy mba nasinao dikany
Ireo kely izay mba vitany
Nomeny tamin'ny fo
Tsy nasiany tambiny sy vidiny
Ho neninao anie ireny
Fandeferany ireny
Ireo ditranao niafiny
Satria ianao dia tena tiany
Ny mafy sy mangidy
Nosotroiny tsy nariny
Ho neninao tokoa
Ny nanaovanao anazy
Ny areti-pony
Indrisy,tonga hoazy
Ankehitriny izy efa lasa
Izay ianao vo tonga saina
Narary izy noho ianao
Nefa izy,tsy mba nitaraina
Ny fitiavany manontolo
Efa nafoiny,omena anao
Satria izy tokampo
Tsy mba nitia akotranao
Izao izy tsy eo intsony
Izay vo tsapanao
Ny fiainany nafoiny
Noho ny fitiavany anao
Raha ny ahasolo anazy aloha
Dia betsaka tokoa
Fa raha ny toa azy
Izany anie ka tsisy
Ho neninao daholy
Ireo vita nareo roa
Any aoriana any
Izany ho tsapanao koa
15/07/21/-22:37/-Aloka Miserana in Aingam-Panahy Tsy Nampoizina
15/07/2021
?????Anjara sa lahatra????
Anjara sa lahatra?
Izao mahazo ahy izao
Mba mihezaka foana
Nefa,toa tsy mety izay atao
Fahoriana,fiafiana
No itako matetika
Ranomaso,fijaliana
Mamely ahy,mapanjetoka
Anjara sa lahatra?
Ny lalana izorako
Fa mamely tsy mitsahatra
Tsy voavaha ity fatorako
Anjara sa lahatra?
Ity haizina matevina
Izay mandrakotr'ahy
Ny masoandroko,toa resiny
------+15-07-21/15:09/Aloka Miserana in aingam-panahy tsy nampoizina
14/07/2021
----/-/--Mpandalo--\-\----
Na izaho na ianao,tsisy tompony ity tany
Mpandalo sy mpindrana,amin'ilay Nahary
Tsy afaka ijanona eto na dia hoe tamana
Fa ny tany ivahiniana,tsy maintsy misy fiafarana
Mpandalo mpivahiny,tsy afaka ny itoetra ela
Fa tsy maintsy enao miala,rehefa tapitra ny lera
Fa ny tany fandalovana,ibanjinana ny ho avy
Afahana misaina,satria tsika mpiavy
Ka raha samy mpandalo ihany!
Tsy aleo ve mifankatia
Ny soa sy ny tsara hatrany
No hifampizara tsika ety
Fa raha ho avy ilay fotoana
Ka hiala ety izaho sy ianao
Tsy voafetra ny taona
Ny fandaozana izao
Ry mpandalo mitovy amiko
Tsy atsika anie ny tany
Na tena tiko sy mamiko
Rehefa asorina,dia miala
Ka aleo re manao soa
Mba hihaonana indray
Any amin'ilay maharitra kokoa
Dia hiara ho sambatra amin'izay
Fa rehefa any isika
Ho tompony amin'izay
Tsy ho mpandalo intsony
Fa hitoetra mandrakizay
---------14-07-21-/16:19-/Aloka Miserana in Aingam-panahy tsy nampoizina
Salama daholy e,inviteo namanao mba anaraka page tsika e,soava tsara daholy dia ho tahin'ny Ilay Nahary daholy nareoπππ
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Mahazo
Ivato
