Ariel jascann
Information
15/06/2022
๐๐ซ HAZONY NY MAHA-VIRIJINY ๐ซ๐
Lazaina fa efa lamaody fahiny
Ny hoe tovovavy "madio virijiny"
Dia ireny ry bavy fa maika hiroso
Kevoka ery hoe : "hiray ara-nofo"
Hoy ny tenin'i Dada sy Neny hatrizay
"Mpisakaiza" tsy mbola mahazo miray
Fa rehefa voatampina vola ny maso...
Mariazy tsy vita dia hoe: "alefaso!"
Fa fitiavana matotra sa fanimbana?
Matoa ve mitia dia tsy maintsy filร na?
Omen'dry zalahy safosafo ry kiala
Dia bevohoka tsy tonga eo ambony alitara
Indrisy,
Vitsy dia vitsy no sisa mahandry,
'Lay "firaisana" atao aorian'ny mariazy
Hany ka..
Vatana "rava" sy rotiky ny ady
No "sisa" hatolotra ho an'ny vady
Tsy hay hoe adino sa efa nariana?
Ny fahamasinan'ny fanambadiana
Ry tanora mpamaky, ho anao 'zay mijery
Mijoroa ho filamatra sy ho modely
Ry tovolahy,
Tsy "firaisana ara-nofo" no antsoina hoe "mitia"
Fa "fiarahan'olon-droa" tsy misy fetra fa "doria"
Ka.. ny tokantrano aloha atsangana
Rehefa vita izay dia miteraha ataovy kambana ๐
Ry tovovavy,
Tambitambin-dehilahy ve no hamotika anao?
Tereo izy "hampakatra" izay vao "manao" (sahia ๐ช)
Saino anie e,
Ianao manambady no'atao sarisary
Sambatrambatra ery ao anaty voaly
Eo ambony alitara dia manao voady
Ianao virijiny no'atao mariazy (draiss)
Dia.. volatantely ianareo vao miroso
Mankafรฝ, mankamamy "miray ara-nofo" (matsiro!!! ๐)
Nosoratan'i EQUI mba hiarovana anao ๐
**** 20 Jolay 2020 ****
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Mahajanga
4422
